Tsara Soratra

View Original

NY NOFOANANAO TSY FOANA

NY NOFOANANAO TSY FOANA

Hanitr’Ony

 

V.R, ho an’ireo mpamaky fasana… 
 

Tsy hatezerana miloaka, 
tsy hiaka mafy te hitroatra, 
tsy efonefona tomany, 
tsy antso antra ho an'ny tany, 

tsy ondri-maso dom-panala, 
tsy bono-tsandry tsisy hala, 
tsy harika ny fahalovan' 
ito tany 'zay lalovana, 

tsy loiloy mandoa-bavony, 
tsy rehoka te hiaka-komy, 
tsy hobokaty karankaina, 
na andry folaka nandraina, 

tsy marina maniry ho hita, 
na làla-masaky ny vita, 
tsy rimbom-pahadisoan'ny tena
nirarak'ila nanantena, 

tsy hita akory hotanisaina, 
tsy fanahy savolaina, 
tsy lalàna hodikaina
na firinga hikoa maina, 

tsy ny ratsy indrindra akory, 
na hoe zava-mampahory, 
tsy naha hery novinory, 
na halemena hoe fongory, 

fa mihoatra noho ny tsisy, 
te hamaoka izay nisy? 
Sasatra eo anefa indrisy! 
Ny tsy misy mbola misy... 

Hanitr’Ony
Sept 2014

 

 

Mpanoratra sy poeta maro-talenta i Hanitr'Ony, ary anisan'ireo mpiaro mavitrika ny teny Malagasy.  Izy no filoha am-perinasan'ny HAVATSA-UPEM Sampana Frantsa. Manoratra amin'ny teny Malagasy sy Frantsay ary manolotra sy manentana ny fandaharana "Bitsiky ny Ankizy" ao amin'ny Radio Bitsika koa izy.  Anisan'ny boky navoakany: Bitsik’Ony, Tsirin-kalokalo ary farany teo "Deux fois une” izay navoakan’ny Editions Sepia (2016).