FENOMANANA

Dafy Noely

 

Ombay i Tsiafajavona

dia dikao Ankaratra,

f’izaho tsy hiavonavona

raha toa ka mbola taratra

mazava sady miavaka,

mirenty sy madio

no entinao mandravaka

ny aliko eto anio.

 

Tritriva ‘ndeha lalovy.

Sidino koa Sakay

f’izaho tsy hiantso zovy

fa avy dia handray

ny ilom-pahazavana

vinimbinao ho ahy,

mirotsaka toa mana

mamoky ny fanahy.

 

Serano ny any Alaotra.

Dingano i Farahantsana

fa tena tiako loatra

ny soratrao mirantsana

tsy mety mankaleo…

Koa ‘ndeha fenoy soratra

ny lanitro fa tsy eo

ny johary izay mpisompatra

 

Dafy Noely Mpanoratsora-poana

16/11/2016

 

 

Dafy Noely: mpanoratra mitety ny lohasaha sy havoanan’ny lohahevitra maro samihafa ; indraindray mampihomehy, mazàna mampalahelo fa matetika manetsika ny saina sy ny fon’ny mpamaky hamerina hamaky fanindroany. Tsy tononkalo ny ahy ireny, hoy izy … fa soratsora-poana.