Tsara Soratra dia Vatonamelankafatra mirakitra sy mitahiry lahatsoratra voakaly, na sombin-tantara na tantara noforonina na tononkalo na lahatsoratra fanadihadiana hafa. 

Tsara Soratra koa dia Ambohipihaonana ho an'ny mpanoratra sy ny mpamaky.  Eto no ahafahan'ireo mpanoratra Malagasy, na ireo vao manomboka, na ireo vao misandratra, na ireo efa kalaza, mizara sy mampiranty ny asa-sorany amin'ireo mpankafy izany.

Ho toy ny tsenaben' Ambohitrinivinany anie ito kianjantsika ito ka ny mpivarotra ho tojo mpanjifa, ny mpiantsena hahazo izay entana tadiaviny: ho sendra ny tolotra anie ny tinady.