NY TENINDRAZANTSIKA

RADO

 

Raha mahita ny tsipak’adrisa, hono, mahatsiaro ny diamangan’ankizy ; mandre ny don- tokan’Ankaratra, mahatsiaro an’Ikaky sy Neny. Raha mandre ireto tenim-bahiny, ny an’ny tena no tonga ao an-tsaina. Fa mamy ka mamy izy izay : sitra-kibo no telim-panahy.

Satria ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany aniriana no tsara ; ary ny katsaka manao baby telo, ny tany aniriany no lonaka. Ny Firenena no be voninahitra, ny tenin-drazany no andrianiny.

Ka hoy aho amintsika rehetra : ny Tenin-drazana re no tiavo. Aza avela ho komavoky ny andro, aza avela ho rotan’ny taona, ampaleso ho soa mandimandina fa antoky ny fandrosoana!

Teny nomen-Janahary io, ka tandrifin’ny vava hivolana. Trano natao hialofana io, ka mendrika ho kojakojaina. Akanjo natao tsara didy io, ka hajain’izay ndeha hianjaika.

F’io no teny ifanatsafana,

Io no teny ifaneraserana,

Io no teny andrindram-pihavanana,

Fa raha sendran’izay fahoriana, ny Tenin-drazana no mampionona. Raha tojo an’izay hasoavana, ny Tenin-drazana no mahadiboka. Raha toa ka solafaka an-dàlana, ny Tenindrazana no avy manarina.

Koa tiavo ny Teny Malagasy. Aza amponenina ankilahila, fa ampitoero eny an-tany marina. Aza atao voangory mifikitra am-bato, fa ataovy akondro mielo amin-dreniny. Aza atao ravoravo natentina fa ataovy atifo maharary. Ka tiavina tahaka ny tena fa anton’ny fahavelomana.

Sao noana am-pototry ny sompitra na maloto manan-tsavony, manan-jiro fa dia mihina-maizina, mana-teny ka dia tsy hivolana. Tahaka ny mpivaro-tantely : mitelin-drora eo anilan’ny mamy.

Fa manan-karena izy io, mahafantatra izay holazainy. Fa hainy ny atao hoe manina raha toa manavia amin’ny sasany. Tsapany ny hoe vetsovetso fa sahirana be izay tsy tompony. Raha hilaza fotoana izy mantsy dia manan-karena amin’izany fa ao ny "indray mipi-maso monja", ao koa ny "poa tahaka izay", ao ny "indray mitono valala", ny fahelan’"ny mahamasa-bary". Ka tena mazava avy hatrany izay tiany holazaina amin’ireny. Ary ireny no anolokoloany ny zanaka sy ny taranany.

Mbola maro no azo lazaina. Mbola maro ny azo tononina : ny ohabolana sy hainteny, ny ankamantatra miampy ny angano : tsy nindramina isika fa tompony.

Koa tiavo ny Teny Malagasy fa azo ibeazana tsara. Lalào ny Teny Malagasy fa manan-karen- kozaraina. Mbola azo itarina hatrany, hisampana sy hidoroboka, fa loharano tovozin-tsy ritra sy hazo tsy maty solofo : toy ny anamamin’Ivolosarika izy io, misy anongotana vao dofodofotra ; ary sampam- boaloboka lohataona, misy andrantsanana vao misandrahaka. Fa izany no Teny Malagasy !

KA HAJAO NY TENIN-DRAZANAO.

Fa na tsara aza anie ny an’ny hafa, ny antsika tsy ambakan’ireny. Raha manitra koa ny an’ny sasany, ny antsika mba mamerovero. Raha tera-bololona ny any, ny antsika tsy ringi-dririnina. Fa sakamalaho sy havozo, ka samy manana ny hanitra ho azy.

Io Teny Malagasy io mantsy no tenin’ny mpihary mipetraka amin’ny mpandova, tenin’ny maty mipetraka amin’ny velona, ary tenin’ny raiamandreny mipetraka amin’ny zanaka.

Koa aza apetraka amin’ny hazo, fa ny hazo mora boboka. Aza apetraka amin’ny bozaka fa ny bozaka mora mirehitra. Fa ataovy vato natelim-boay, tsy miova amin’izay niandohany.

Ny valalan’amboa no tsy tian’ny tompony, ny omby mahia no tsy lelafin’ny namany. Ny fitiavana ny teny malagasy kosa ataovy tahaka ny amberivatry eny an-tany mena, na mavomavon’ny hafa aza dia tian’ny landy hiraketana ; na bantibantian’ny sasany aza tsy foin’ny tompony ho very, ka sady tsy avariny an-tany no lolohaviny an-tampon’ny loha.

Koa raha manindrahindra ny azy ny olona, ny anao osory menaka tsy hisy harafesina. Raha lazainy ho tonga lafatra ny azy, ny anao kajio tsy ho mena-mitaha. Raha mitonona ho mahatadidy ny any, ianao misehoa ho Ambatonamelankafatra. Raha zanaky ny efa mafana izy, ianao taranaky ny mangorovitsika, fa samy zanaky ny mpanefy ka tsy mifampidera taim-by.

Tsy misy hoatra ny an’ny tena tsy akory. Fa na mitsiriritra ny ao avaratra ianao : tsy taovana ny any tsy volovolo. Aza misambotra ny ao andrefana ianao, tsy havan-dray ny any tsy havan-dreny. Na maniry ny ao atsinanana ianao, sakaiza ny any fa tsy mifehy faty. Na misingotra ny any atsimo aza ianao olom-pantatra ny any fa tsy havana.

Koa saino lalina, saino marivo ! F’isika izao no velona fanovan’ny maty, solofo dimbin’ny ala, kolokolo dimbin’ny vary. Raha mizahozaho tsy hanaja ny an’ny tena, sao manao tahaka ny tsikobokobondanitra : ny anarana miakatra ambony, fa ny toerana mirefarefa amin’ny tany.

Raha tsy manaja ny antsika isika, fa finaritra hitavana ny an’ny hafa dia ho marina amintsika ilay tenin-drazana mampieritreritra hoe : "manakodi-by, mahandro fanjaitra, ka voky ihany fa manevitevika, ary kamboty manao vary amin-tsakay, ka ny nataon’ny tena ihany no androtsahan-dranomaso".

KOA TIAVO LAHY NY TENY MALAGASY !

RADO

 

 

(Kabary natao tao amin’ny Fizaran-doka sy Fandraisan-tanana ireo Mpianatr’Antananarivo nandray anjara tamin’ny Fifaninana Nampanaovin’ny Akademia Malagasy ho Fankalazana ny "Roa Andron’ny Teny Malagasy" : Akademia Malagasy, Tsimbazaza, Alarobia 26 Janoary 1994)
 

Comment