Hafatr’i Dada

Mina Ilarion

-Efa akaiky anaka ny fotoana hodiako ka hilaza hafatra aminao aho. Zava-maro no holazaiko fa manatona eto akaikiko eto ianao ary miangavy anao aho tsy hanapaka ny teniko fa efa kely loatra ny heriko.

Izay ilay feo efa ambany dia ambany, tenin’i rain’i Diary toa efa mahatsapa ny fotoana handaozany ity sombinainy nandaniany ny fananany sy ny heriny rehetra.  Velo io madiva hikasa hamarana ny tantarany ety amin’ny kianja firiariavan’ny mpandalo io. Ny zanany malahelo sy latsa-dranomaso isanandro, hita ho misy misitery anefa ny fiainan’ity rainy raha dinihina amin’ny resany.

-Aza miteny izany Dada a! Hoy Diary namaly ilay antson-drainy.

Toa tsy reny anefa izany fa ny handeha ihany no masaka ao an-tsainy fa mijaly loatra, hono, izy, izany no tsy miala ao am-bavany. Asa, mety ho izy angamba no tompon’ny aina na mpandahatra mitovy amin’ilay nahary ka afaka hisafidy ny fotoana hodiany?

-Andriamanitra ange Dada no maka antsika ety an-tany vao maty fa tsy isika na sitra-pontsika akory e!

-Fa ny ahy anaka fiaina-misitery. 

Teo vao taitra ilay sombinaina, ka dodona ny hiaino amin’izay ary nilaza fa vonona ny tsy hanapaka na hanontany akory aza mandra-pahatapitry ny fitantarana.

-Hareno   vetivety   ary   alohaizaho   dia   hidiony tranontsika sao hidiran’ny akoho e! Poa toy izay ny iraka rehetra. Indro Diary eo an-tongom-pandriana mitehina ny lohaliky ny rainy.

-Izao àry. Fony izaho enina ambin’ny folo taona, dia nisy Zamanay atao hoe Ikoto izay maty. Rehefa avy nandevina azy izahay ka tonga taty an-trano, izay vao tsaroako fa adino any amin’ny fasana ny antsibeko. Tsy nilaza tamin’ny tao an-trano aho fa avy dia nanao tongotra an-katoka nankany am-pasana. Raha ny fitadidiako mantsy dia teo an-tokotanim-pasana no nanadinoako azy rehefa avy nanapotehako sarikia.

Rehefa nihananakaiky ny fasana aho dia naheno zava-maresaka sy korana. Ataoko ho ny sofiko reraka no mamorona feo dia tsy taitra aho. Tonga teo amin’ny sampanan-dratsy aho ka hihazo ny lalana ho eo an-tokotany, indreo misy olo-marobe miravo sy mifaly havanja. Nandroso ihany aho avy eo rehefa nandinika ela, hijery ilay antsiko adino tany. Tsy teo amin’ny nisy azy anefa ilay izy ka gaga aho. Tafa-todika tampoka tany amin’ny varavaram-pasana anefa ny masoko avy eo. Io fa mivoha midanadana ny varavarana.

Tampoka teo, nisy nanontany aho.

-Mitady ilay antsibe angaha ianao? Hoy ilay lehilahy ranjanana somary efa nahazoazo taona nanaitra ahy.

-Eny, tompoko, hoy aho, namaly azy tamim-piankahana.

-Ary akaikin’Ikoto ary, andao raha haka azy ianao, sady nontantanany aho, ny olona rehetra izay teo tsy nisy fantatro, tsy nisy nahita ahy koa afa-tsy io rangahy lehibe toa tsara fanahy sy mahalala fatratra ahy io.

Io tokoa ilay antsy fa tsara petraka, saingy ilay faty vao nariana, tsy teo amin’ny nampatoriana azy intsony.

-Misaotra anao tompoko, hoy aho nankasitraka ilay rangahy toa zanahary raha ity fijery azy ivelany, tsiky fotsiny no namaliany ahy. Fa, hono, ho’aho tompoko, hoy indray aho nanomboka nanaka-dresaka fa tsy natahotra azy intsony. Fa misy inona kay eto aminareo no toa toto-rebika sy hafaliam-be e ?

-Efa fantatrao anaka fa vao nahazo namana vaovao izahay, tsy ranon’ikopa ange akory izahay ka tonga namana vao ho mavomavo, fa mpianakavy kosa e ! Tonga havana dia ravoravo. Hitanao io izao Ikoto ilay vao naterinareo teo, io afovoan’izy rehetra io ! Ireo daholo no olona mitoetra ato amin’ity trano lehibe ity. Ny any aminareo no ranomaso raha hilaozan-kavana fa ny aty aminay fifaliana satria nitombo iray ny fianakaviana.

-Hono, ho’aho tompoko! Iza kay ianao raha tsy mahadiso? Hoy indray aho nanohy ny fanontaniana nisesy taminy.

-Izaho no Ramaroelina, razamben’ireo mitoetra rehetra ato.

Izaho ihany koa no napetraka voalohany tato fony vao   vita   ity  trano   ity.   Olona      voafidy       amin’ny mponin’ny   tany ianao, fa nahita ny zava-miafin’ny fodiamandrin’ny olona. Manomboka anio dia hitana tsiambaratelo ianao, dia izao zavatra hitanao izao.

-Ho tsiambaratelo izany izao? Hoy aho tamin’ilay voalaza fa razambeko.

-Izay indrindra anaka, raha mahatana izany ianao dia hahazo zava-tsoa tsy azo eritreretina, fa raha vao tafavoaka kosa, ny andron’ny hilazanao izany dia alaina ho aty ianao.

-Eny tompoko, hoy aho niankahana nanaiky azy. Nifanao veloma izahay rehefa hisaraka, nateriny kely hiala ny tokontanim-pasana aho vao niverina izy dia nilaza ny mbola hiseho amiko foana izy raha voatana ny hafatra nomeny sy naposany tamiko.

Tany aho dia naka kitay hoentina mody. Nanontanian’i Dada aho hoe: mbola taiza? Dia hoy aho hoe: mbola naka kitay.

Notazoniko mandraka androany ilay tsiambaratelo nolazainy tamiko mba tsy hahafaty ahy. Izaho koa tamin’izany mbola tanora.

-Dia mbola niseho ve ilay rangahy ry Dada taorian’izay? Hoy Diary nitsatsaingoka mbola liana mafy ny hitohizan’ny tantaran-drainy. 

-Eny anaka ! Mbola niseho tamiko izy taorian’iny.

Avy nandevina tao izahay fa nisy fianakaviana iray izay maty tsy narary fa tonga dia lasa tsy nialà-nenina. Tsy fantatray izay nahafaty azy ka   nifanontany ny rehetra. Tsy nisy nahalala anefa, eny hatramin’ny mpimasy tamin’izany aza lany hanaiky raha nantoninay. Niseho tamiko izy tamin’izaho niandry fody teny an-tavy. Io izy eo ambony pakambo mamindro fa izaho mbola naka katsaka, tsy taitra aho fa ohatran’ny olona efa hitako izany raha ny endriny. Niakatra aho dia hoy izy:

-Malaky fa lanin’ny fody ny vary e!

Hay kay Dadabe ity tonga niseho tamiko. Nifanatsafa izahay miafy, nifanontany vaovao, fantatro fa misy dikany matoa nankany amiko izy. Nanontaniako izay mety ho anton-diany sy ny resaka hambarany.

-Hilaza ny zavatra manahirana anareo aho. Misaotra anao aloha nitana ny tsiambaratelo nambarako anao mandraka androany.

-Inona ny zavatra manahirana anay? Hoy aho taminy.

-Tamin’ny nahafatesan’i Zaka no tiako ambara sy lazaina aminao.

Teo aho vao gaga fa hay hanambara zava-miafina vaovao indray izy. Mody nolazaiko hoe: fantatrao angaha?

-Izaho izay tompon’ny miafina rehetra indray ve no hanontanianao ry Velo? Hoy izy somary hentitra tamiko.

-Lazao ary e !  Hoyaho fa mihaino ity zafinao.

-Ny marainan’iny nahafatesany iny dia nihaona tamin’Ingahy René teny an-dalana izy. Nitondra akondro anefa René tamin’io ka nomeny i Zaka. Ho mariky ny firahalahiana,   hono   , dia  nifanapahana ny  akondro ka nifampizaran’izy roalahy. Ilay antsiben-dRené anefa misy fanafody mahery ny lafy ilany mifanandrify amin’ny anjaran’i Zaka, dia izay no nahafaty azy haingana sy tsy notsaboina akory.

-Olona tsy vanona, hoy aho taminy. Ary ataoko mahita ahy sy mahalala ny anarako iny mpihatsavelatsihy iny.

-Aoka itsy anaka fa ny antony hilazako anao ny marina dia tsy hamalianao faty olona akory, fa mba tombony ho anao mihoatra noho ny sarambaben’ny olona, noho ianao mitana ny tsiambaratelon’ny fiainan-tsy hita. Izay fa veloma ianao, mazotoa mihinan-tsakitsaky. 

Lasa izy raha vao vantany vita izay resaka nifanaovanay izay. Nanjavona izy. Saika tsy nino aho raha nandinika avy eo fa ingahy René no namono an’i Zaka. Voaporofoanefa izany taty aoriana fa marina ilay izy satria nisy olona niady taminy dia nihavana ry zareo avy eo ka nasainy niara-nisakafo taminy, maty ilay olona ny ampitson’iny.

Angamba mety ho fialonana na sotasota tsotra izao fotsiny no nanaovany izany, saingy tsy afaka nanambara tamin’ny havana sy ny mpiara-monina aho tamin’izany satria mbola te ho velona. Ny aina rahateo mbola natanjaka sy tomady.Taty afara dia nisy koa havanay maty, nambaran’i Dadabe Ramaroelina tamiko fa paraky no nahafaty     azy. Kanefa   dia parakybatera   iray   ihany   ny   an’ilay  tompony  sy   ilay  mpangatakafa       misy fomba fanaovany azy, hono, hamonoany ny olona tsy tiany.

Tsy izany ihany fa mbola nisy koa hafa noho izany. Nambarany tamiko fa kafe no nahavoa io. Nazavainy tamiko an-tsipirihany izany. 

Nangataka kafe taminy, hono, io olona io, nandramany aloha ny kafe, ka hoy izy hoe : mahery tsara sady mamy, avy eo nahifikifiny ny lohany. Tsy tsapan’ilay olona omeny anefa ny dikan’iny lohany iny fa ohatran’ny hoe mankafy ny tsiron’ny kafe hohaniny. Mandraraka ilay fanafody ao anatin’ny satrony anefa no ataony amin’io, ka voapoizina ny zavatra sotroina. Tsy mino ny zavatra hitranga tsinona ny olona raha hilaza fa zavatra taminy no nahafaty satria niarahan-komana ny sakafo, izy tsy naninona. Nisaotra an’i Dadabe aho nilaza ny zava-miafina tsy hain’ny olona tamiko. Nivoady taminy aho fa hitazona ho ahy irery ny zava-boalazany. Sady raha hiampanga ireo mpamorika ireo koa aho, tsy hisy hino ny olona satria tsy nisy porofo azo hitazonana azy, sady mety eo no ho eo aho dia nalain’i Dadabe ho any aminy.

-Tsy mampino izany ry Dada, hoy Diary taitra tampoka tao anatin’ny fianohana ny fitantaran-drainy.

-Izaho aza anaka mba tsy nahatoky ihany.Saingy nanaporofo ny zava-nolazainy aho ka tsy nisy lainga nairay aza.

-Dia mbola velona any ve ireo olona namono ny havantsika ireo ry Dada?   HoyDiary   tafalatsaka   fatratra tamin’ny tantaran-drainy toa misary angano, novalian’Ingahy Ravelo fa efa maty saingy ny havany sy ny taranany no mbola miaina sy miriaria eo an-tanana. Fanontaniana avy hatrany no setrin’izay hoe: iza ireo taranany ireo?

-Aza omena tsiny aho anaka raha tsy hilaza azy ireo satria sarotra izany. Ny nanambarako ireo tsiambaratelo ireo ary efa zava-nanahirana hoy rainy. Mbola tsy afa-po ihany Diary dia nametraka fanontaniana hafa, toa mpanao gazety mihitsy amin’izato fanontaniana tsy omby aloha amin-drainy efa manomboka mihareraka.

Maro ny fisehoana nataony tamiko fa ny tena lehibe no nambarako anao teo. Ny tena nanan-danja ihany koa dia ny nahafatesan’i Saonina zandriko.

-Nisy nanapoizina koa ve? Hoy Diary nitsatsaingoka.

-Tsy nisy namorika izy fa maty an-drano teny amin’ny ranon’i Sahatandra.

Nandeha nihaza trandraka tany an-dramarasana aho indray andro. Nandalo tam-potro izaho sy « petisien » fa any ambadika any ilay ala handehananay. Lasa nialoha ahy ilay alikako, nivovo mafy raha vao tonga teo an-tokontany. Nasaiko nangina izy, gaga tokoa aho raha nahare olona miresaka ao an-trano. Nosokafako ny varangaran-koroaka, niditra aho. Indreo Dadabe sy Saonina miresaka, tsy fantatro izay tena resany fa tsy mahita ahy ry zareo. Lasa aho nivoaka,  ataokofanandehatalohakotanyizy ka tsy nahataitra ahy. Naka voarohy hazo teo an-tokotany aho no sady hiandry an’i Saonina mandra-pahavita ny resak’izy miafy.

Tsy tapitapitr’izay anefa nivoaka i Saonina dia nilaza tamiko hoe : aza lazalazaina amin’ny any an-trano fa hitan’ialahy taty aho.

Tsy nahoako fa ny fihaniako ilay hazo ihany no notohizako. Rehefa afaka kelikely dia tsy nahare resaka intsony aho. Efa lasa angamba leiry ! Hoy aho tsy taitra.

Rehefa tonga tany an-trano aho ny hariva dia nanontany ny tao an-trano. Nilaza i Dada fa lasa nandro any anaty rano any ry zareo.

-Nakany an-dramarasana angaha izy tamin’ny maraina? Dia novalian’i Dada fa niaraka nitavy taminy izy ny tontolo andro fa tsy tany izany. Niampanga an’i Dada ho nandainga aho tamin’izay.

-Inona no handaingako amin’izany e! hoy izy. Niaraka foana ho’aho izahay androany tontolo.

Nekeko tsy sazoka ny valin-teniny dia lasa aho nandoro ny trandraka azoko tany ala-trano; rehefa vita doro ny haza dia nidina tany am-patsakana aho hikarakara azy sy hanasa izany.

Izaho revo nandrasa ny laoka iny no niseho tamiko Dadabe.

-Namadika ny fitokisana nomeko ianao, hoy izy masiak’endrika sy tsy nitsiky mihitsy.

-Faahoanatompoko ?  Izaho aza tsy nilaza na inona na inona tamin’ny nambaranao, hoy aho tonga dia nanaja avy hatrany satria tsy tahaka ny fahitako azy ny endriny ka nampatahotra ahy.

-Fitsapako anao iny tamin’ny maraina iny, fa angaha raha ny zandrinao no milaza zavatra aminao avy aty amiko dia avoakanao ny tsiambaratelo? Teo vao tsaroako sy nitampody tao an-tsaiko ny zava-drehetra, kanefa tara loatra, izaho tsy nahalala fa avy aminy ilay teny ny maraina.

-Fa ianao angaha no nilaza taminy iny hafatra iny, hoy indray aho, tena hay ka izy tokoany. Mifona aho Dadabe fa hiezaka hanaja ny hafatrao amin’ny andro sisa hiainako.

Tena nirintona teo izy. Mila hitomany izany ny masony, indraindray tsy mijery ahy. Angamba misy nenina any anatiny fa tsy nambarany, na koa mbola misy zavatra tiany hambara, saingy manana fanahiana. Rehefa ela nieritreretana teo izy, izaho moa tsy niloa-bava intsony koa fa nahatsapa ny hadisoako, dia hoy izy:

 

-Mba ho famaizana mafy anao ry Velo dia ho alaiko ny zandrinao anio, fanampin’izay, tsy hiseho aminao intsony aho hanambara zava-miafina, hany adidinao dia mitazona ny tsiambaratelo efa voalazako raha mbola te ho velona.

-Hifonako re tompoko izay efa vita e! Tsy hanao intsony, hoy aho nandadilady teo an-tongony sady nitabataba mafy.

 

Tsy hita intsony izy, iny Dada nidina avy any an-trano no sady sempotra tsy nisy tahaka izany.

-Fa misy inona leiroa a? Latsaka angaha ianao?

-Tsy misy inona ry Dada fa nisy radaka be nitsambikina tetsy dia taitra aho a!

-Aza manapaka lalan-dra leiretsy nareo fa mamono a!

Nanampy ahy nanasa ilay trandraka teo i Dada rehefa nitony izy.

Afaka minitra vitsy taorian’izay, nisy tabataba miakatra ny tanana.

-Lasan’ny rano Saonina e! Lasan’ny rano Saonina.

Taitra izahay sy Dada dia niakatra. Indreo ny mpiara-milalao aminy fa mbola tsy miakanjo no sady tsy mahatombina mitantara ny zava-nisy. Lasan’ny onja mahery,hono, ny zandriko.

Niezaka ny hanavotra azy ihany izahay saingy tsy voavonjy intsony, hoy ny iray nisolo vava azy rehetra.

    -Lozako Andriamanitra ô! Izay no hany bitsibitsika niloaka ny vavako avy anaty foko tany.

Nokarohina i Saonina ny androtr’iny, tsy hita, ny ampitso, tsy hita. Afaka herinandro vao natsingevan’ny rano teny imorona izy, kilaometatra maro niala ilay nahalatsaka azy.

    Efa potika sy namoaka fofona ny razana, tsy nisy nahalalana azy intsony fa efa rimbina avokoa ny sofiny sy orony. Tsy nampidirina tao an-trano intsony fa tonga dia nalevina iny andro nahitana azy iny ihany.

-Tena hafa izany ry Dada! Dia tsy niseho intsony izany Dadabe Maroelina razambentsika taorian’izay? Hoy ilay sombiniain’i Velo hita ho tena liana tanteraka mihitsy.

-Tsy, tsy… tsy…, tsy hita intsony… izy… Anaka ! Hoy rain’i Diary toa efa ambany feo hila tsy hiteny intsony.

-Dada? Dada? Fa naninona teo ianao e ?

-Efa ho alain’ny razambeko aho anaka, efa voalazako anao avokoa ireo tsiambaratelo nomena ahy. Anjaranao indray izao no mitazona izany tsy hivoaka mandrakizay. Tanteraka izao ilay nolazainy hoe: « ny andron’ny hilazanao sy hanambaranao ny zava-miafina no tsy maintsy hangalanay anao ». Veloma anaka.

-Dada a! Dada a! Aza miteny izany ianao, hoy Diary. Nangina ny vavany, tsy niteny intsony. Veloma ry Dada a! Hoy izy nanirina ny mason-drainy, sady nanakombona ny vavany mbola nisokatra no sady nilaza hoe: matokisa ianao fa hitana mandra-pahafatiko ny hafatrao aho.

Nigogogo nitomany ity zaza tokana navela. Gaga ny iray tanàna naheno izany ka nirohotra ho ao amin’izy mianaka. Io Diary mamihina ny vata-mangatsiakan-drainy eo am-pandriana mitolatsika.

-Lasa Dada! Lasa Dada, hoy izy, rehefa avy nilaza hafatrasyny   tsiambaratelon’nyfiainan-tsyhita. Veloma izany Dadako izany, sady nosaronany bodofotsy ny tavany dia lasa izy nivoaka ny trano. Hafatra mifono zava-dalina, hafatra hisi-misitery, saingy tsy hisy hino ary tsy hisy hatoky afa-tsy izay mety hisehoany ihany.

 

 

 

 

Teraka tamin’ny 1991 tao Andasibe iLIA HARISON Dimby Tahina izay mitondra ny anarana MINA ILARION eo amin’ny sehatry ny soratra.  Tamin’ny 2007 izy no nanomboka nandrafitra tononkalo.  Tamin’ny 2011 kosa no nanomboka namelana teny an-tendron’ny peniny ny fanoratana sombintantara, ary tsy nitsahatra izy mandrak’ity ny androany. Mpikambana mavitrika ao amin’ny Fikambanan'ny Mpanoratra sy Mpankafy Sombintantara izy.
 

 

Comment