"Si le monde a changé, si ma voix elle-même

renonce à ta musique, ô parler ancestral,

et que, sous le sillon du clair Navire-Austral,

elle chante selon une langue que j'aime,

 

le sang héréditaire et l'âme de mes morts,

sève toujours vivante en l'arbre qui décline,

m'animent à jamais comme, sur la colline,

le vent du sud souffle au cœur des ficus tors ... " 

            

Jean-Joseph Rabearivelo (extrait de "Iarivo", Volumes,

Imprimerie de l'Imerina éditions, Antananarivo, 1928).

 

Manana karine iray izay aho. Ataoko ao daholo ny eritreritro, ny an’ny hafa reko kisendrasendra. Na boky hovakiana na voavaky. Na tantara an-tsehatra hitako na tiako ho hita, na tantara nahavariana. Ny an'i Zetwal izay nanonofy sambondanitra vatsian'ny tononkalon'i Aimé Césaire hananika ny habakabaka (poezia no atao angovo !) Na lisitra-mozika. Na sary mahazendana na ireo tenikelin'ireo zanako. Apetrako ao koa ny fifamotoanana tokony hovonjena. Na kasin-teny tsy hay antenaina. Misy ao koa anaram-borona tsy dia fahita hitako tery amin'ny taninahitr’i Caen. Sy tondro samihafa, kojakojan-tsolosaina, fiofanana fanatanjahantena na fivahiniana ianarana teny hafa ho an'ny ankizy amin'ity asara ity. Ny oran'ny Ouibus mankany Parisy. Misy zotra miafina mitondra an'Iarivo koa ao. Tiako atao hoe tononkalo ireo dia omeko lohateny hoe Andininy.

Mahatsiaro olona iray aho, ny handriny mandondona, ny teniny baomba tsy mitsaha-mipoaka. Miteny amin'ity fiteny mihira aminy izy, nefa ao anatiny ao mitomany amin'ny tenin-drazany. Natorony ahy ny lalan-kombana tao anatin'ny Hira(ny) ankolaka (Chants voilés), dia nanaraka aho tsy nahatakatra. 

Tamin'ny andro fohy irain'ny volana jona 1937 dia namono tena tao an-tranony tao Ambatonakanga ny poety Jean-Joseph Rabearivelo. Namela taratasy ho an'ny vady aman-janany izy, ary rehefa avy nanoroka alavitra ny bokin'i Baudelaire dia nitelina sirana-sianora 10 grama « anaty vera misy siramamy ».

Asara izao aty Frantsa. Lasa lavi-masoandro Iarivo miditra anatin'ny andro ririnina. Ny hazo afa-dravina, ny havoana makina, ny tanimbary mavo ary ny renirano an-kitrokely. Mandondona ny tanàna toa ny mahazatra azy Analamanga. Manontany tena aho momba ny maha zava-poana ny fikasako.

Tsy hanoratra intsony afa-tsy ho an'ny tena irery.

Fa iza no tsy manoratra ho an'ny voninahitra, 

Na farafahakeliny ho an'ity hambom-batovandana

Izay sokirin'ny tsirairay anakampo ?

Iny maraina iny, nanoratra izy tamin'ny diariny hoe : « Mahatsikaiky izany hoe latìna teraka teo anivom-bahiny izany.  (…) Ary io, dia izaho mihitsy : amin'ny fomba jadona, an-kerisetra, am-pahariana ». Manindry izy ; ary mijery miakandrefana, mamehy hoe « Tsia, tsy afaka mitohy intsony izany. » Tsy ireo akory no teny farany. Mbola hanoratra izy hatramin'ny itelomany ny katra-kininina « hahavesatra tsara ny loha » ka hatramin'ny vera farany, adiny iray avy eo.

Fa ny fiainanay fatra mpidrikina

Ary tapitra ritran'ny tantely ny vovom-bony.

Teraka tao Antananarivo tamin'ny voalondohan'ny taon-jato faha-roapolo Rabe. Ny reniny sy ireo zamany no nitaiza ity zaza sary – izany no filaza ny zaza teraka tsy manan-dray. Zana-dRalambo ry zareo ; andriana reraka norerahan'ny fanjanahatany sy ny fanafoanana ny fanandevozana tamin'ny 1896. Dimy taona izy no nalefa nianatra tao amin'ny St-Michel ary dimy taona tao aorian’izay dia voaroaka tao. Noho izy namaky boky voarara hono. Nianatra vetivety tamin'ny toeran-kafa ihany izy fa nijanona tanteraka raha izy telo amby folo taona monja. Boky sisa no nihazona ity zazalahy. Vitsy tamin'ireny no teny malagasy. Manabe voho ny teny frantsay rangiranginy izy tamin'ny fifampikasohana tamina-vazaha mpiasam-panjakana iray izay nandray azy ho mpanampy sy mpandika-teny tany ambodin'Ankaratra Ambatolampy. Tapitra voavakiny ny bokin'ny sefo kantao, ary nisy naverimberiny aza. 

Feno fito amby folo taona izy no nody tany Antananarivo, noana boky ary mamba soratra. Poezia. Nanoratra tamin'i Esther Razanadrasoa (1892-1931) izy – izay antsoina koa hoe Anja Z., mpanao gazety sy mpanao tononkalo vehivavy malagasy nahatonta boky voalohany – , nangataka toro-lalana. 

Saro-piaro momba ny teny malagasy Ratovovavy. Latsa-pitia tamin'ny ny teny frantsay kosa Razazalahy. Mandroso ambanin'ny orambaratr'ity vehivavy be mokondoha nefa be fitiavana ity Rabe, mandra-pombàny ny diany maha poety azy ; ny fitiavan'i Esther moa sady misokatra no manokatra. Tantarain'i Douna Loup ao amin'ny Hotsaka (nadika avy amin'ny L'oragé, Mercure de France) ny fifankahitan'izy roa ireo.

Esther sy Rabearivelo. 

Mino aho fa raha miaina amin'izao fotoana izao ireto tanora poety ireto dia hanoritsoritra ireo fiara marobe mameno ny sisin'araben'Antananarivo, hiditra amin'izay fety hitany ary hidongy mikro sy hidradradradra ny slàm-ny doroka, ka tsy hanaiky mihitsy an’izy ireo ny fiadidian'ny Fikambanan'ny poety  na fiadidiana holafitra hafa, na iza na iza. Hanangana angamba izy ireo faritra mahazaka-tena an-tselika, ho an'ny mpitady ravinahi-baovao, hizara haisoratra sy fitiavana tsy manara-pomba. Angamba izy ireo hanaiky mpitia tahaka ahy hiaraka aminy, izaho izay tsy mihira fa mihaino, miaro ny tsiambaratelony, miaro aman'ahimaniry. 

Zato taona lasa izay, feno sonian-drazazalahy ny gazety marobe : K. Verbal, na Andriamatoa io na Ramatoa, Jean Osmé, na koa Amance Valmond. Taty aoriana kely izy, raha namoaka ny amboara-tononkalony voalohany, amin'ny teny frantsay La coupe des cendres (1924), no nandray ny anarana hoe Jean-Joseph Rabearivelo

Tsy niraharaha izay vola aman-karena izy, na nampalahelo ny fianakaviany aza izany. Nokaliany tsara nefa ny famindrany – ho famindrana-poety – sy ny fianjaikany. Tsy niresaka izany vahoaka izany izy. Antananarivo no tiany ary tsy ilaozany firy. Tiany ny mandia ny lalan'Antananarivo, ny elakelantrano sy ny tohatohatra, ary ny mitsidika izay trano azo sy tsy azo idirana, hatramin'ny trano fifohan-java-mahadomelina, ny tranon-dompy, ny filibàna. 

Miasaasa eny izy, irakiraka, mpikirakira dantelina, mpanampy amin'ny tranomboky, mpampianatra an-trano, mpanoratra an-gazety mikarama isan-takila, na maimaim-poana aza tsindraindray, mandra-pahazony asa raikitra tao amin'ny Imprimerie de l'Imerina tamin'ny 1926.

Any ny mpanao dabokandro

Mananika ny lanitra any.

Ny ankabeazan'ny poeziany, ny tantara foronina, ny sombitantara, ary ny diariny dia nosoratany tamin'ny teny frantsay. Nadikany tamin'ny teny gasy ny lahatsoratr'i Baudelaire,  Whitman, Gide, Rilke, Góngora, Valéry, Robert-Edward Hart, …, anitaran-tsaina, ny azy sy ireo namany mpiondam-boky miaraka aminy : Ratany Samuel (1901-1926), Rajaofera Fredy (1902-1968), Raoely James, Élie Raharolahy na Harioley (1901-1945) ary koa Rabekoto Joseph-Honoré na Lys-Ber (1902-1932).

Nitantana gazety sy revio Rabearivelo ary nifanoratra tamin'ny tontolon'ny haisoratra tamin'ny androny. Nandray hatramin'ny taratasy sy boky 30 kilao izy tsindraindray avy amin'ny Messageries maritimes ary nandefa toa izany koa. Indray andron'ny oktobra 1935 dia nanoratra « taratasy telo amby fitopolo izy ho any ivelany (…) ary anisan'izany pejy manga roa ho an'i Gide ». Afaka herinandro vitsivitsy dia dedaka izy fa nahazo « taratasy mendrika andriana : avy amin'i Gide sy avy amin'i Valéry ». Io farany io dia nanome fankasitrahana izay tsy telin-dralehilahy loatra : « Nanao lahasa matotra, mitory herim-po sy fahafoizan-tena ho an'ny Haisoratra frantsay tao amin'ny nosy lehibe (hono) Andriamatoa Jean-Joseph Rabearivelo ».

Tsindraindray izy miara-manoratra amin'ny teny roa, ny iray eo am-pitan'ny ilany, ka tsy fantatra izay nialoha ka nadika. Ao anatin'ny teny frantsay izay nikirizany nefa dia tsy mitsahatra izy ny miantso sy mamelom-bolo ny hanitry ny razana, ary mihira ny very. Fony kely aho nibadabada ny andinin'ny tononkalo iray, vela ho anisan'ny Lova.

Ilay fasako, fasako ihany, / fa ny foko dia fasana koa ! / Io no fasako ivelan’ny tany, / io no fasako iray faharoa.

Natao vazivazy tany am-pianarana ity « fasan'akoho » ity. Tsy fantatro mantsy ny naleviny anakampo. Tsy ho ampy hitsabo ny alahelony ny zava-mahadomelin'Antananarivo manontolo, na ny vehivaviny, na ny aliny. Nisedra tanteraka ny fanjanahatany izy ; ny nofony, ny sainy, ny fanahiny dia nokorotanin'ny fifanosonan'onja samihafa (lohatenin'ny tantara noforoniny tamin'ny 1929 hoe L’Interférence). Tsy fihavanana nofinidy io fa rary tantsorohana. Manainga antsika izy hivoha amin'izao tontolo izao ka hitondra ao ny maha malagasy. Nanangana hetsika izy niaraka tamin-dRajoelisolo Charles sy Ny Avana Ramanantoanina tamin'ny 1931 « Mitady ny very ». Ny asasorany farany dia hasohaso ho an'ny haintenin'ny Ntaolo, nataony amin'ny teny frantsay. Namelany hafatra i Robert Boudry, namany mpitantana asam-panjakana, hamoaka ny bokiny Les Vieilles Chansons des pays d’Imerina

Ny tsy manam-pitiavana ihany no ho faty. 

Iza no hitsoaka ady ?

Mahatsiaro an-dRabearivelo aho, ny handriny mandondona, ny teniny baomba be. Maty aho, hoy izy, fa velon-tsy miaina. Nataony tantara ny fiainany. Eny, na nodorany aza ny diariny enina voalohany tamin'ireo nataony hoe Mes calepins bleus, misy pejy roa arivo mahery eo no tody aty amintsika. Ka na ny nihafarany aza, izy handeha, natsangany toa an-dampihazo an-tsoratra. 

Nitelina siramamy kely aho. Sempotra. Ndeha handry...

« Manaraka eo teny tsy manana endrika mazava, tsy vita, hoatran'ny hoe veloma, na koa sonia », hoy ilay mpanamarika, anaty fonosana, tao amin'ny Œuvres complètes niara-navoakan'ny Tranomboky CNRS sy Présence africaine ...  Notadiaviko tao anaty tranokala ny sarin'ny pejy voasora-tanan-dRabearivelo. Ny fandikany ny poezian'i Paul Valéry no hitako. Nitsonga tononkalo vitsivitsy izy hadika dia nomeny lohateny ny amboara hoe Hantsana ao anaty. Nihivingivin-doha aho, voadonako hatramin'ny jiro tsy nirehitra teo akaikiko.

Amin'ny telo izao. Mandondona am-baravaran'ny lavarangana ny masoandro. Ndeha handoro loha ery an-taninahitra aho. Honahona ampovoan-tanàna, maitso mavana voadidina hazo midoroboka, manintona ny vorona sy ny ankizy izy ity. Eo afovoamboany eo misy farihim-borofotsibe. Mandeha haingana aho, manao dingambe, manitsaka ny fota-maina.

Tamin'ny telo sy roa, izay tolakandro izay. Efa hody ny masoandro. Zara raha 36 taona izy, mety ho 34 aza na 33 ; tsy fantatra marina. Namela zazalahimatoa iray izy, zara raha andolantsento, ary telo mirahavavy zandriny. Zazakely tokoa ny farany ; solon'ilay faravaviny izay nopaohin’ny fahatesana efa-taona teo aloha. Raha nipaika ny lakolosy dia nanoratra izy hoe hikimpy maso hahita an'i Voahangy. Nanao veloma mangina ireo zanany hafa izy dia nandefa azy ireo hanao sakoda. Solofo, Sahondra, Noro ary Velomboahangy. Nafarany Ramary vadiny hianatra asa. Ho mpanjaitra. Misorata anarana hanaraka ny fianarana manontolo. Tsy nisy teny na iray aza ho an'i Paula vazomaminy, izay nahitan'ny mpikaroka tondro avo roa heny noho ny an'ny vadiny anefa tao amin'ny diariny. Sa nahazo taratasy hafa tany ramatoa ? Toa misy koa, hono, any Boky mavokely na mainty avy amin'ny filibany ?

Mary, rankizy, anareo ny fara eritreritro...

Efa ela aho no nihoatra ny taona niainany. Miady aho aty ho lasan-ko razana amin'ny teny fihiran-dRabearivelo. Tsy manao poezia aho fa mamadi-bainga an-tanin-janako. Mitraka mijery ny habakabaka aho tsindraindray, dia avy any andafin'ny hazo am-polony mijoala sy ny tafo an’arivony volon-davenona any misy aloka montsam-bolofotsy. 

−          Iza io eo atsinanam-parihy io ?

−          Zaho ihany, ilay voromangamainty mihira ny fasana anakampo.

 

 

                                                            Caen, faha-22 jona 2017.

 

 

(Nivoaka t@ Takelaka Tsara Soratra, lah. 1, sept-nov 2017)