Toko faha-valo nadikan’Ilaibaliha, avy @ boky “Amour, patrie et soupe de crabe”, nosoratan’i Johary Ravaloson

Voahosotra ho anaran’ity toerana ity io daty io noho ireo maro lavon’ny balan’ny FRS teto. Nosamborina ny mpianatra ny omalin’io ary nalefa natao sesintany tany Nosy Lava, any avaratra andrefana any. Tsy nisy nanampo ora vitsivitsy talohan’izay fa handefa bemidina eny amin’ny anjerimanontolo ny fitondrana ka hisambotra ny zanak’Antananarivo. Fanatsarana ireo toetoe-piainany ary indrindra fampianarana tena mifanaraka amin’ny zava-misy ilaina eto marina no niandohan’ny fitakian’ny mpianatra. Fandaharam-pianarana hanomanana antsika hanompo an-dRenimalala ka zara raha nisy ifandraisany tamin’ity firenentsika mbola maitso volo ity no nolovantsika tamin’ny andron’ny fanjanahantany. Fanagasiana ranoray no notakian’ireo mpanao fihetsiketsehana, izany hoe ny fampiasàna ny teny malagasy ho solon’ny teny frantsay na aiza na aiza sy ny fanoloana ireo tompon’andraikitra frantsay ho Malagasy. Niteraka olana politika izany, dia ny fahaleovantena tena izy, izay nanozongozona ny fitondran’ireo foza.

Niainga teny amin’ny sekolim-pahasalamana tamin’ny voalohan’ny taona ny fihetsiketsehana ary niely niparitaka hatrany amin’ny mpianatry ny anjerimanontolo sy ny mpianatry ny lise. Nisesisesy ireo fivoriana nandraisan’ny rehetra anjara, ka nanome endrika mivaingana ireo fitakiana, fihetsiketsehana maro ihany koa no nokarakaraina tany ivelany, diabe, fampisehoana an-tsehatra no nanaparitaka ireo foto-kevitra momba ny tolom-piavotana.

Nibodo ny anjerimanontolo izireo nanomboka tamin’ny voalohan’ny volana. Nisesisesy ireo androm-pitokonana sy ireo fivoarian’ny be sy ny maro, nahazo baiko hanafika ny mpitandro ny filaminana. Andian-kamion’ny FRS teo amin’ny telompolo teo no tonga teny amin’ny toeram-pianarana vao nandiva ny sasakalina, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy 13 mey. Vao avy namita ny fikarakarana ny fihaonamben’ny mpianatra sy ny mpiasa hatao ny ampitso ny komitim-pitokonana. Vatan-dehilahy maro, mitena fanamiana, no nitsambikina avy tao amin’ireo kamio, « voahodidin’ny FRS ny toerana, misatro-by, basy marovava an-tanana » hoy ny gazety. Mpianatra efajato, tsy ampy taona ny sasantsasany tamin’izy ireo, sy mpikambana amina sendika no voasambotra nandritra ny fivoriana. Hentina teny Ivato izireo iny maraina iny, efa nisy fiaramanidina niandry azy ireo ho any Nosy Lava. Ireo mpianatra tsy voasambotra dia hahita ny vavahadin’ny toeram-pianarany voasakan’ny kamion’ny miaramila. Hany ka lasa nirohotra teny amin’ny Araben’ny Fahaleovantena izireo.

Efa niely eran’ny tanàna ireo siosio momba ilay zavatra tsy nampino, izay nohamarinin’ny vaovaon’ny Radio Nasionaly tamin’ny valo ora maraina. Nanatevin-daharana ireo mpianatra teo anoloan’ny lapan’ny tanàna ireo mpampianatra, ireo ray aman-dreny, ireo mpiasa, ireo tsy manana anton’asa, ireo Zatovo Oriasa na ZOAM avy eny ambany tanàna sy ireo olona teny an-dalana. Efa nisy toeram-pikabariana vita an-kamehana teo - ny lampihazon’ny fifaninanam-piarakodia Agip izay nofoanana - nifandimbiasan’ny mpitarika, voatendry an-kamehana ihany koa, naneho ny alahelo na ny hatezerany. Rakotra olona ny toerana tamin’ny folo ora maraina. Nisy ny niantsa ny ho avy mamirapiratra. Raikitra ny firaisan-tsaina hanohitra ny fitondrana mijoro. Tsy hisy hiala eto raha tsy tafaverina ireo natao sesintany, raha tsy voaongana ireo saribakolin’ny Fanjanahantany amin’ny endriny vaovao. Nendahin’izireo ilay takela-by misy ny anaran’ny Kianja mitondra ny anaran’ny Filoha, izay nitsatoka teo alohan’ny lapan’ny tanàna, ary teraka teo ny anaram-baon’ity kianja avy tamin’ny datin’ity firaisan-kina ity. Raikitra. Tsy hisy hiala eto raha tsy azo izay takiana. Tafatsangana ny tampin-dalana. Nobahanan’ny mpitandro ny filaminana ny araben’ny Fahaleovantena. Hiverina indray ny fisamborana. Nantsoina hiparitaka ny vahoaka. Tsy nisy ny nihetsika, ka lasa aloha ny baomba mandatsa-dranomaso. Nanao valy bontana tamin’ny tavoahangy mampandoro ny mpirotaka, ka nandoro fiaran’ny polisy. Nitrena koa ny basy marovava. Nisy ny naratra. Nisy ny maty.


Nandeha matetika teo amin’ny kianja niaraka tamin’ny ray aman-dreniny sy ny raibeny i Liva dieny tamin’ny voalohany. Tian’ity raibeny ity ny namerina mahatsiaro ireo zava-nitranga, ny namerina mitantara taminy ny tolona nataon’izy ireo mba hahazoana fiainana vaovao. Kanefa tsy nety tonga ny fiovana. Eran’ny araben’ny Fahaleovantena, miainga eo Soarano hatrany andohan’Analakely. Isan’andro. Tonga ny olona rehetra. Nifamory teo amin’ny 13-Mey. Samy nanana ny fahazarany ny tsirairay. Fito taona i Liva tamin’izany, i Bedo zadriny efa-taona. Irakiraka mpividividy zavatra ho an’ny mpigrevy teny izy roa lahy. Niasa tao amin’ny sampandraharaha momba ny filaminana i Liva sy i Bedo taty aoriana ary tao amin’ny departemantan’ny fiarovana sivilin’ny mpanohitra avy eo.

Naharitra enim-bolana tamin’ny fanindroany, jona hatramin’ny novambra, ary hoy mihitsy ny olona tamin’izay hoe « aleo lalany izay lalany any ». Vahoaka be dia be no nifamory isan’andro, nanoloana ny lapan’ny tanàna rava. Sisa tavela sy navela nandritra ny telopolo taona. Tonga teo ilay dadabe efa osa rehefa nipoitra ny masoandro. Nody izy rehefa amin’ny iraika ambin’ny folo any, rehefa tsy hitan’ny vahoaka efa mafana intsony izy ary tsy te hihaino koa ireo mpitarika. « Efa fantatro izay ho lazainy, hoy izy. Efa re teto hatramin’izay. » Ireo mpiasam-panjakana, ireo mpiasan’ny sehatra tsy miankina, ireo mpianatra, ireo mpampianatra, indrindra koa ireo mpitatitra sy ireo tsy manana anton’asa, ireto farany ireto no voalohany tonga nanao fihetsiketsehana, fa nisy koa na miaramila, mpitandro ny filaminana na zandary aza. Tonga avy hatraiza hatraiza ny olona, amin’ny ora izay nahamety azy ireo rehefa maraina, nijanona adin’ny iray na adin’ny roa, niverina indray ny ankamaroany ny hariva hatramin’ny efatra. Na nananala aza tao aorian’ny 10 aogositra, na namafy ity herika, na namirifiry aza ny rivotra avy any atsimo. Tsy nihontsina ny vahoaka. Ao aorian’ny rahona hono mbola misy masoandro. Nihira mafy kokoa ireo izay tsy nanana elo. Toy ilay dadabe mandra-paharariny, tamin’ny fiafaran’ilay ririnina izay toa tsy mahalala ny farany. Rehefa niverina ny andro tsara, dia niverina ihany koa izy. « Tsy misy toa ny masoandron’ny 13-Mey amiko », hoy izy. Nidaina dia nidaina anefa tamin’ny lohataona. Nandoro ny masoandro ao aorian’ny iraika ambin’ny folo. Niezaka tonga aloha noho izany ireo izay mba afaka.

Efa fantatry ny rehetra Rabaina ka hain’izy ireo fa rehefa tokony ho eo, dia ho eo amin’ny kianjan’ny 13-Mey eo izy. Naverimberiny fa efa valompolo taona izy izao. Ny ady rehetra efa natraheny, tany am-pitan-dranomasina, tamin’ny Nazi tany Libya, tany Tonisy sy tany Italia, ary indrindra ny fandraisany anjara tamin’ny fanavotana an’i LaFrantsa rehefa avy nogadraina tany amin’ny Frontstalag sy rehefa avy nivioka avy tao indroa, ary tamin’ny 47 tany anatin’ny ala Zafimaniry niadiana tamin’ny Vozongo sy ny Sonegaly, ny tirailleurs namany niarahany niady taloha. Ny fonja efa nandalovany, Antanimora, Nosy Lava, ireo toeram-pigadran’ny fanjanahantany ka hatramin’ny taona 60, satria tsy izao fiarahamonina izao no nitolomany. Efa antitra izy tamin’ny voalohany fa neritreretiny fa ny miaraka tamin’ireo tanora vonon-kanova zavatra no toerany. Soa ihany izy fa teo.

Noheveriny fa efa tsy ho arany intsony tamin’ny fanintelony, kanefa dia niverina ihany ity izy. Nasaina mihitsy aza izy ho eo amin’ny toeram-pikabariana hitantara ny lalam-piainany nisedra ireo tolona maro. Tontolo hahafahan’ny mpiray tanindrazana aminy miaina tanteraka anaty fahafahana, anatin’ny tsy fahatahorana ny handeha any am-ponja, izany no tontolo niriny naorina nandritra ny fiainany manontolo. Mendrika ny hahazo onitra hatramin’ireo zafi-paladiako, hoy izy, noho ireo loza rehetra izay nianjady tamiko. Notondroiny ireo lemby sisa navelan’ny lapan’ny tanàna kila tao aoriany, ary hoy izy : « Anisan’ireo izay nandoro an’ity aho, nanomana otrika tao ny FRS mba handroahana anay teto, mbola ireo ny sisa tavela mijoro vavolombelona, mampatsiahy antsika ireo velirano natao tamin’izany, dia ny hanorina fiarahamonina marina sy miray saina, koa hijanona eto aho mandra-pahitako ny hadifototr’izany fiarahamonina izany ! »

« Ndray ! Maty teo am-pitoerany izy ! » hoy ny vadiny mamarana am-pahatsorana isaky ny tonga eo ny tantara.