Mpangalatra ikoizana sy nanana ny maha-izy azy Rajokotsoriaka. Tsy mba irony mpangalatra mahery setra mpanao ambozizy irony anefa izy.

“Aleoko lavitra mampiasa ny herin-tsaiko sy ny hakingan-tanako,” hoy ny ambetin-dresany amin’ireo sakaizany, “toy izay hanao barofo sy hampiasa herin-tsandry sy fitaovam-piadiana handrobana fananan’olona.”

Fantam-poko fantam-pirenena ny fahaizany sy ny fahakingany mangalatra n’inon’inona na firavaka io na vakoka sarobidy. Akoatran’ny maha-mpangalatra azy dia malaza ho mpandala ny lalao fanorona koa izy. Tena miondana mihitsy. Tsy misy izay tsy zendana mahita ny fifehezany sy ny fahaizany an’io lalao netim-paharazana io. Indraindray, tena indraindray tadiavina ihany mihintsy, vao mba resy amin’ny fanorona izany Rajokotsoriaka.

Vanim-potoana namaivay teo amin’ny tantaram-pirenena no nisehoan’ity resaka ity. Vanim-potoana nitondran-dRakiribiby, ilay filoham-pirenena mpanao didy jadona mahery vaika, ilay mpanao amboletra sy mpitsentsitrra ny harem-pirenena. Araky ny siosiondresaka dia nitahiry vakoka iray izay manana hery miafina hafakely Rakiribiby. Solaitra vita tamin’ny andramena voasikotra izy io ary misy ny soram-panoron’Andrianampoinimerina, ilay mpanjaka hendry sy mamy hoditra, ilay nanambatra ho iray an’Imerina enin-toko, na zavatra ohatr’izany.

“Mananjara handrobaka ny fahefana ka ho lasa filoham-panjakana izay tompon’ilay soram-panorona,” hoy ny lovan-tsofina mandeha momba an’ilay solaitra, “raha toa ka mandresy hatrany amin’ny lalao fanorona imasoany.”

Mazava loatra fa betsaka ny olona nikasa ny handroba an’ilay soram-panorona malaza io. Anisan’izy ireny ny lehiben’ny mpikomy, lehilahy efa zokinjokiny antsoina hoe Solohery, izay nitarika ny fanoherana an-dRakiribiby.

“Raha azontsika ilay soram-panorona,” hoy izy tamin’ny mpanolon-tsainany, “dia hitsangana toy ny olona iray ny vahoaka valalabemandry, ka ho mora amintsika ny handrodana io fanjakana tsy refesi-mandidy mpanao letrezana io, ary hamerina eto indray ny fahafahana sy ny demokrasia.”

“Mety ho sarotsarotra ihany an!” hoy ny mpanolon-tsaina. “Toa tsara ambina mihitsy hono izy izao.”

“Tsy olana izany fa isika koa manana jocker e!”

Indray hariva, nampanatsoin’i Solohery tany amin’ilay zohy fiafenan’ny mpikomy tery andafy andrefan’Ivohitsara Rajokotsoriaka.

“Raikitra izany fa ho karamaina vola aman-karena tsy toko tsy forohina ise hangalatra ilay solaitra misy ny soram-panoron’Andrianampoinimerina izay voatahiry tao amin’ilay lapam-panjakana fipetrahan-dRakiribiby,” hoy ilay lehibe mpitari-tolon’ny mpikomy. “Mbola ho ampianay toerana minisitra na farafahakeliny Sekiretera Jeneraly ao amin’ny governemanta hijoro eo ilay karama rehefa tanteraka ny tolona.”

Nahaliana sy nanintona an’ilay mpangalatra ny tolotrasa ka rehefa nieritreritra vetivety izy dia nanaiky.

Tsotra dia tsotra tamin-dRajokotsoriaka, zary kilalaon-jaza, ny nitsofoka tsimoramora tao an-dapa. Rehefa avy nanova endrika sy nisalotra ny fanamian’ny mpiambina izy dia niroso nankany amin’ny efitranon-dRakiribiby, izay nisy ilay solaitra. Hitany namirapiratra teo ambony latabatra teo akaikin’ny larimoara, voahodidin’ny mpiambina, ilay izy. Mody nifangaro tamin’ireo mpiambina teo Rajokotsoriaka niaraka tamin’ ny fanamiana sandoka nanaovany.

Tsy nampiasa ody na fonoka akory izy fa niandry mandra-pahavarian’izy ireo fotsiny, dia noraisiny faingana ilay solaitra ary nafeniny tao ambanin’ny akanjony. Toy ny tsy teo izy nanao tongotra an-katoka, nihazakazaka nandositra, ary nihazo amin’ilay zohi-toerana tokony hihaonana tamin’i Solohery, ilay revolisionera lehiben’ny mpikomy.

Teny am-pandehanana anefa dia lasa ny eritreriny. Toa nahatsapa hery sy sintona hafahafa avy amin’ilay solaitra Rajokotsoriaka. Hery toa niantso azy, nibitsibitsika tao an-tsofiny, naka fanahy azy tamin’ny fampanantenana laza sy haja ary voninahitra. Nijery ilay solaitra izy, ary hitany fa tsy kilalao fe kilalao izy io, fa vakoka masina mariky ny fahefana sy ny anjara.

“Mba ohatry ny hanao ahoana ary izany ho mpitondra filoham-pirenena izany, ho ankatoavin’ ny rehetra, hahazo izay rehetra tiany,” hoy izy nanontany tena. Tsapany nibosesika avy tany anatiny tany ny ambo-po sy ny fitiavana vola sy fahefana. Tonga ny fakampanahy ka nahatonga azy hiova hevitra.

Niova hevitra Rajokotsoriaka: tsy hanolotra ilay solaitra nisy soram-panorona ho an’i Solohery, ilay lehiben’ny mpikomy, fa hitazona izany ho an’ny tenany samirery. Nihaona rizareo ary nilaza izy fa efa any aminy ilay solaitra.

“Rehefa nandinika aho anefa,” hoy izy, “dia tokony ho lehibe kokoa noho ny valisoa nifanarahana no omena ahy. Tokony izaho no mpitarika ny fikomiana, ary tokony ho izaho koa no hifanandrina amin-dRakiribiby ho amin’ny seza fiandrianana.”

“Tena tsy menatra mivadika amin’ny teny nifanaovana anie ise izany,” hoy I Solohery, taitra sy zendana. “Aza manody.”

“Tsy maninona izay fandraisanao azy,” hoy Rajokotsoriaka namaly. “Fa raha sahy ianao dia avelao ny fanorona no hanaporofo izay topon’ny laka, ka izay mpandresy no hahazo ny solaitra sy hibata ny zo ho lasa mpitondra.”

Tezitra sy niaka-pofona i Solohery, saingy sady tsy afaka nanoatra no tsy nanana safidy. Nanaiky ny hifanandrina ary hifampikatroka fanorona tamin-dRajokotsoriaka izy, nanantena ny hivoaka mpandresy ka hahazo ilay solaitra. Nanantena koa izy ny hamaky bantsilana ny fitaka nataon’ilay mpangalatra taminy. Nifankahita tao amin’ilay zohy fiafenan’ny mpikomy tery andafy andrefan’Ivohitsara ny roa tonta, ary novelarina ilay solaitra misy ny soram-panoron’Andrianampoinimerina.

Samy nilalao tamin’ny fara-heriny sy ny fahaiza-manaony, ka samy niezaka ny handresy na ny andaniny na ny ankilany. Henjana ny lalao, niady tena niady saingy nandresy ihany ilay mpangalatra tamin’ny farany. Nosamboriny ny vaton’ilay lehiben’ny mpikomy farany ary nambarany fa izy no mpandresy. Nobedain-dRajokotsoriaka ilay solaitra, ary navelany ho kivy sy ketraka irery teo i Solohery.

Roa na telo andro taorian’izay, niantso an-dRakiribiby, ilay mpanao didy jadona, Rajokotsoriaka ary nihantsy azy tamin’ny lalao fanorona.

“Izaho izao no tompon’ilay solaitra mirakitra ny soram-panoron’Andrianampoinimerina,” hoy izy, “koa raha tena lehilahy sahy ianao, Prezida, dia andao raiketina ny fanorona fa samy nosoran-dreniny menaka.”

Kevokevoka sy natoky tena fatratra Rakiribiby, natoky tena loatra aza ka avy hatrany dia nanaiky ny fanamby, ary nihevitra fa ho afaka handresy mora foana ilay mpangalatra sy hitazona ny fahefany. izay mety hahatonga azy ho mpitondra.

“Tairo izay tairina, fa izay rovitra zairina e!” hoy taim-bavany mantsy an-dRajokotsoriaka. “Tsy fantatr’ialahy angaha fa tompondakan’ny fanorona anie aho nandritry ny taona maro nifanesy?”

Dia nifanekena fa eny amin’ny kianja malalaka izy roa lahy no hihaona. Talata ny andro tamin’izay. Talata goraobaka. Tomefy olona ny kianja, olona tonga hanatrika ilay lalao. Nilalao tamim-pientanentanana sy fieboeboana ny roa tonta, samy niezaka nifehy ny hafa. Lava sy henjana ny lalao, saingy nandresy ihany ny mpangalatra tamin’ny farany. Nosamboriny ny vato faran’ilay mpanao didy jadona.

“Lany hetsika ianao, Prezida,” hoy ny fitrerony.

Avy hatrany dia nambarany ampahibemaso fa izy no mpandresy. Noho izany, izy tokony ho lasa mpitondra. Nihoraka ny vahoaka. Nitsangana toy ny olona iray tokoa ny valalabemandry. Vetivety dia nirodana ny fanjakana mpanao didy jadon-dRakiribiby teo aloha. Nanaiky tsy sazoka Rakiribiby, nandao fanjakana nifitsaka tany Lafrantsa.

“Lasa Filoham-pirenena Rajokotsoriaka, ilay nangalatra ny soram-panoron’Andrianampoinimerina” hoy ny lohatenin-gazety. “Tonga ny fahalalahana sy ny demokrasia.”

Tsy ela lontra taorian’izay anefa dia nanomboka tsapany fa tsy fitahiana ny fananana ilay solaitra fa tena lasa ozona. Tsy maintsy nilalao ny lalao rehetra azony natao izy, ary tsy maintsy nandresy tamin’ny lalao rehetra nataony. Nandreraka ny sainy sy ny fanahiny izany, ka nahatonga azy ho variana tamin’ny hery sy ny fandresena. Nanimba azy, ary nanova azy ho filoha mpanao didy jadona ratsy kokoa noho ilay filoha nahongany. Nanjary nampahory vahoaka sy nitsetsitra ny harem-pirenena, toy ny nataon-dRakiribiby. Lasa nankahalaina sy natahoran’ny olona, toy ny tamin’ilay iraikalahy taloha koa izy.

Tsapany koa fa nanjary nanana fahavalo maro izy, izay naniry hanala ilay solaitra sy ny seza fiandrianana taminy. Tsy maintsy niatrika fanamby sy fandrahonana tsy tapaka izy, avy amin’ny mpikomy sy ny mpifanandrina ary ny mpamadika. Anisan’ireny i Solohery sy ny mpanara-dia azy.

“Raha azontsika ilay soram-panorona,” hoy indray ity lehiben’ny mpikomy tamin’ny mpanolon-tsainany, “dia hitsangana toy ny olona iray ny vahoaka valalabemandry, ka ho mora amintsika ny handrodana io fanjakana tsy refesi-mandidy mpanao letrezana io, ary hamerina eto indray ny fahafahana sy ny demokrasia.”

Nangalatra solaitra Rajokotsoriaka, dia avy eo nangalatra tolona, izao izy very fanahy. Nandresy tamin’ny lalao izy, saingy resy tanatin’ny fihavanana.