NY LALANA MANKANY AMIN’NY FANDROSOANA

Adrien Ratsimbaharison, PhD

 

Malagasy Mankany
Eny, ho'aho Ramalagasy! Malagasy be fivoarana!
Tsara haingo, 
tsara vatsy, tsara sampy, tsara anarana!
Izato fihetsiketsikao eh, izato fomba amam-piteny!
Ianao no tena malagasy fa tsy ireny Ntaolo ireny! 
Satrinay hitsinjo ihany izato ianao mirehareha:
Borizanom-pandrosoana miedinedina fandeha
Soa, manko, nitanila ilay Rafotsibe nidraiko
Ka nanajanaja hoe: "mandehana, sombinaiko"!

(…)
Ranja Zanamihoatra

Ireo andalana vitsivitsy ireo dia notsongaina tao amin’ilay tononkalo nosoratan’i Ranja Zanamihoatra, mitondra ny lohanteny hoe “Malagasy Mankany.” Ary io tononkalo io no anisan’ireo sangan’asa maro dia maro novokarin’ny Malagasy avara-pianarana ary anaovan-dry zareo fitsikerana ny fandrosoana sy ny fiantraikany eo amin’ny fiaraha-monina sy fomba Malagasy.

Fa tsy hanao famakafakana ny tononkalon’i Ranja Zanamihoatra no tiako hatao eto, na koa handiso na hanamarina ny tsikera nataony momba ny fandrosoana sy ny fiantraikany, fa kosa hamelabelatra ny fandalinana nataoko manokana momba ny fandrosoana sy ny lalana mankany amin’izany fandrosoana.

Ka ity lahatsoratra ity dia ahitana izao fizarazarana izao:

1) Famaritana ny teny hoe “fandrosoana” sy fivoaran’ny famaritana io teny io,

2) Antony sy fepetra mety hisian’ny fandrosoana ao amin’ny firenena iray.

Marihina fa ny hevitra vaoraikitra ato anatin’ity famelabelarana ity dia vokatry ny fikarohana sy fandalinana nataoko nandritra ny taona maro amin’ny maha mpianatra sy mpampianatra tantara sy siansa politika ny tenako.  Tsy ho voatanisa eto avokoa ny zavatra nianarako sy vokatry ny fikarohana nataoko nandritra izay taona maro izay, nanomboka tamin’ny fianarana tantara teny Ankatso (taona 70 sy 80) ka hatramin’ny izao fotoana ampianarako siansa politika ao amin’ny Benedict College amin’izao fotoana izao. Fa na dia izany aza dia misy boky vitsivitsy izay tena nanamarika ny eritriritro sy ny fandalinana nataoko momba ny fandrosoana, ary dia tsara ny mba ilazalazana kely momba ireo boky ireo alohan’ny hanaovana famelabelarana. Ireo boky ireo izany dia izao avy:

1) “The Rise and Fall of Great Powers” nosoratan’i Paul Kennedy tamin’ny taona 1987, izay mamakafaka manokana momba ny antony mampisondrotra (na mampandroso) sy mampihemotra ny firenen-dehibe toa an’i Angletera tamin’ny taon-jato faha-18 sy 19, sy Etazonia amin’izao fotoana izao.

2) “Approaches to World Order” nosoratan’i Robert Cox tamin’ny taona 1996, izay anolorany fomba mahomby ahafahana mandinika ny lamina iraisam-pirenena nisy teo aloha sy misy amin’izao fotoana izao. Marihina fa ity boky farany ity no nanovozako ny fomba fijeriko sy fandalinako ny fifandraisana iraisam-pirenena. Mampiasa io fomba fijery sy fandalinana io aho ao amin’ilay boky mba nosoratako momba ny tsy nampahomby ny programa fampandrosoana nataony Firenena Mikambana tany Afrika tamin’ny taona 80 sy 90 (The Failure of the UN Development Programs for Africa, 2003).

I – FAMARITANA NY TENY HOE “FANDROSOANA” SY NY FIVOARAN’IZANY FAMARITANA IZANY

Ny ankamaroan’ny olona dia mihevitra fa efa fantatry ny maro izany “fandrosoana” izany, ka tsy ilana famaritana intsony.  Ohatra: Ny olona rehetra dia mahafantatra fa mandroso ary tena efa lasa lavitra ny firenena toan’i Etazonia sy Frantsa, ary dia mbola tsy mandroso loatra na an-dalam-pandrosoana ny firenena toan’i Madagasikara.

Fa na dia izany aza dia tsara ny mamaritra mazava io teny io mba tsy hisian’ny fifangaroan-kevitra na koa tsy fifankahazoan-kevitra amin’ity resaka fandrosoana ity. 

Momba ny fifangaraon-kevitra ohatra dia azo eritreretina tsara fa na dia ny olona toan-dry Ranja Zanamihoatra sy ny namany aza dia mety ho tia fandrosoana tokoa, raha ohatra ka atao malaladalaka kokoa ny fijery sy famaritana izany fandrosoana izany, ka atao mahafaoka lafin-javatra isan-karazany, toy ny lafiny ara-teknika sy ara-mpitsaboana, ohatra.  Noho izany dia mety tsy nisy loatra ny fitsikerana be fahatany na koa fanoherana izany fandrosoana izany teo amin’ny ireo Malagasy sasany te-hitazona ny fomban-razana, raha ohatra ka faritana ao anatin’ izany fandrosoana izany ihany koa “nivakine” sy “peniciline” itsaboana ny marary, ary ny fiara sy ny fitaovana maro isan-karazany hanatsarana sy hanamorana ny fianana amin’izao fotoana izao.

Ka inona marina ary ity hoe “fandrosoana” ity?  Marihina mialoha aloha fa tsy misy hatramin’izao fotoana izao famaritana tokana izay azo lazaina fa eken’ny olona rehetra manerana izao tontolo izao.  Manampy totraka izany tsy fisian’ny famaritana tokana eken’ny olona rehetra izany ny fivoaranan’ny famaritana io teny io arakaraka ny vanim-potoana ara-tantara, ka na dia ny famaritana neken’ny ankamaroan’ny olona maro teo aloha aza dia tsy eken’ny ankamaroan’ny olona intsony amin’izao fotoana izao.

Fiandohan’ny teny hoe “fandrosoana”

I Gilbert Rist dia anisan’ireo manam-pahaizana maro dia maro manao fikarohana manokana momba ny “fandrosoana,” ary izy dia nanoratra boky mitondra ny lohateny hoe “The History of Development: From Western Origins to Global Faith” (2008). 

Ka araka ny fikarohana nataon’i Gilbert Rist, dia saika manana io teny hoe “fandrosoana” (na koa “fivoarana”) io daholo ny fiaraha-monina rehetra eran-tany hilazana zavatra mitovitovy, toy ny fiaingana na fialanan’ny olona na zavatra avy amin’ny teorana iray ka mankany amin’ny toerana iray hafa, na koa ny fitomboana na fivoaran’ny olona na zava-mananaina hafa avy amin’ny fahaterahana sy fahazazana ka hatramin’ny fahanterana sy fahafatesana.

Fantatra ihany koa ara-tantara fa nandritry ny taon-jato taona maro dia manao izay sitra-pony tokoa ireo firenena nandroso sy natanjaka, ka nanandevo sy nanjanaka ireo firenena izay tsy nandroso ary nalemy. Toy izany ohatra ny nahazo ireo Afrikana an-tapitrisa naondrana sy nandevozina tany Amerika avaratra sy atsimo, ary toy izany koa no nahazo an’i Madagasikara, izay nozanahin’i La Frantsa nanomboka tamin’ny taona 1896 ka hatramin’ny taona 1960.

Taorian’ny Ady Lehibe Faharoa anefa, dia niova ny fomba fanaon’ireo firenena mandroso sy matanjaka ireo. Ka noho ny antony politika (Ady Mangatsiaka nisy teo amin’ny kapitalista tandrefana sy sosialista tatsinanana) sy antony moraly koa angamba, dia nanapa-kevitra ry zareo hampandroso ireo firenana tsy nandroso ary te-hiara-dalana amin-dry zareo.  Ary teo vao tena nipoitra ny fampiasana ny teny hoe “fandrosoana” (na “fampandrosoana”) araka izay ahafantarana io teny io amin’izao fotoana izao, mba hilazana ny “fiovana ara-toekarena sy ara-sosialy ary ara-politika” misy -- na koa andrasana hisy -- eo amin’ireo firenena voazanaka teo aloha ary dia nahazo fahaleovan-tena tamin’ny taona 50 sy 60.

Ka araka ny fikarohana nataon’i Gilbert Rist, dia ny filoham-pirenena Amerikana, Presidà Harry Truman, no fantatra fa nampiasa voalohany io teny io hilazany izany “fiovana ara-toekarena, ara-sosialy, ary ara-politika” izany, tamin’ny kabary nanaovany fianianana tamin’ny taona 1949 (io fivoarana io moa no antsoin’ny ny olona sasany tamin’ny hoe “President Truman’s Point Four”) (Rist, G. 2008: 70-71). 

Famaritana neken’ny ankamaroan’ny olona tany amin’ny taona 50 ka taramin’ny taona 70

Marihina mialoha aloha fa amin’ny teny Anglisy dia mitovy tanteraka ny enti-milaza manao (na verbe transitif) sy enti-milaza mampanao (na verbe intransitif), raha ity teny hoe fandrosoana ity no jerevana akaiky.  Samy “to develop” daholo na manao na mpampanao fandrosoana.  Fa ho antsika Malagasy kosa dia miavaka tsara ny “mandroso” sy ny “mampandroso,” ka tsy manana olana velively amin’izany fahasamihafana izany isika.

Koa raha halalinina ny kabarin’ny Prezidà Truman io dia azo tarafina mazava tsara fa ny namaritany ny teny hoe “fandrosoana” dia hoe: “fandraisan’ny firenena tsy mandroso ny fivoarana ara-siansa sy ara-indostria avy amin’ny firenena efa mandroso, mba hisian’ny fihatsarana sy fitomboana ara-toekarena any amin’ireo tany tsy mandroso ireo” (Rist, G. 2008: 70-71).

Noho izany, ny namaritany ny teny hoe “fampandrosoana” dia hoe: “fizarana amin’ny firenena tsy mbola mandroso ny fivoarana ara-siansa sy ara-indostria avy amin’ny firenena efa mandroso, mba hisian’ny fihatsarana sy fitomboana ara-toekarena any amin’ireo tany tsy mbola mandroso ireo”  (Rist, G. 2008: 70-71).

Fehiny, hoan’ny Prezida Truman sy ireo olona nitovy hevitra taminy tany amin’ny taona 50 sy 60 ary 70 tany ho any, ny atao hoe “fandrosoana” dia “fakan-takana” na koa “fanarahanan’ny firenena tsy mandroso ny lalana efa nodiavin’ireo firenena efa mandroso amin’ny lafiny ara-tsiansa sy ara-teknolojia.” Ny teny iray hafa nilazana izany “fandrosoana” izany moa dia hoe “fanarahana fiainana moderina” (na modernisation).  Ary dia ny fandrefesana ny fitomboana ara-toekarena no fomba iray tena fampiasa handrefesana ny fisiana na tsy fisian’ ny fandrosoana eo amin’ny firenena iray.

Famaritana eken’ny olona isan-karazany amin’izao fotoana izao (nanomboka tamin’ny taona 80 sy 90 tany ho any)

Nanomboka tamin’ny taona 70 sy 80 tany ho any anefa dia maro ireo olona nahatsikaritra ireto trangan-javatra roa lehibe ireto:

1) Ny fitomboana ara-toe-karena ao amin’ny firenena iray dia tsy mitarika avy hatrany fandrosoana ao amin’izany firenena izany. Izany hoe, mety nitombo ny teo-karena tany amin’ny firenena lazaina fa tsy mandroso, nefa dia zara raha nisy fiovany na fivoarany ny fiainam-bahoaka tany amin’ireny tany ireny. Ity trangan-javatra ity moa ilay antson’ny sasany amin’ny hoe “fitomboana ara-toe-karena tsy misy fandrosoana.”

2) Noho io tranga-javatra voalohany io, ny fandikana ny teny hoe fandrosoana ho fitomboana ara-toe-karena fotsiny dia tsy mahalaza ireo zavatra maro hafa izay tokony hiseho raha misy tokoa izany fandrosoana izany.  Ireo zavatra maro hafa tokony hiseho ireo moa dia: ny fahaizan’ny ankamaroan’ny olona mamakiteny sy manoratra, ny fivoarana ara-pahasalamana sy ara-tsakafo ka mahatonga ny olona ho ela velona fa tsy maty tanora, ary indrindra indrindra ny fisondrotan’ny farim-piainan’ny vahoaka tsy mandady harona.

Noho ireo trangan-javatra ireo dia maro ireo olona sy fikambanana nanova tanteraka ny famaritana sy ny fandrefesana ny fandrosoana nanomboka tamin’ny taona 80 sy 90 tany ho any.  Tsy ho àry voatanisa eto daholo ireo famaritana sy fandrefesana isan-karazany ireo fa dia ireto manaraka ireto no tena nisongadina amin’izy ireny:

1) Famaritana avy amin’ireo firenana andalam-pandrosoana nivondrona tao anatin’ny antsoina hoe South Commission.

Marihina moa fa ity South Commission dia nipoitra tao anatin’ny fikambanan’ny tany tsy momba ny atsy sy ny aroaary dia Atoa Julius Nyerere, Prezidan’i Tanzania teo aloha no nitarika azy io.  Ka araka ny famaritan’ny South Commission (1990), ny atao hoe fandrosoana dia:

“fisehoan-javatra izay mamela ny zanak’olombelona hampihatra ny fahafaha-manaony, sy hampivoitra ny fahatokisan-tena, ary hiaina fiainana mendrika sy feno tanteraka.  Io fisehoan-javatra io izany dia manafaka ny vahoaka amin’ny tahotry ny tsy-fananana sy fitsetsefana.”

2) Famaritana avy amin’ny Programa Fampandrosoana ao amin’ny Firenena Mikambana (PNUD):

Ny PNUD dia nanova tanteraka ihany koa ny famaritana ny teny hoe fandrosoana tany amin’ny taona 1990, ary namadika io teny io ho “fandrosoana amin’ny maha olona”.  Ka toy izao manaraka izao ny famaritra izany “fandrosoana amin’ny maha olona” izany araka ny namaritan’ny PNUD azy:

Ny fandrosoana amin’ny maha olona dia fisehoan-javatra mampivelatra ny safidim-bahoaka.  Ka anisany tena goavana amin’izany safidy izany ny safidy hiaina amin’ny fiainana mahasalama, ny safidy hahazo fianarana sy hisitraka farim-piainana mihaja. Ny safidy ambon’izany dia ny safidy hanana fahalalahana ara-politika, sy zon’olombelona azo antoka, ary fanajan-tena.

3) Famaritana avy amin’ny mpahay toe-karena fanta-daza Amartya Sen:

Ao amin’ilay boky malaza mitondra ny lohan-teny hoe “Development as Freedom” no amaritan’Atoa Amartya Sen ny fandrosoana toy izao manaraka izao:

fampivelarana ny fahafahana sitrahan’ny vahoaka” (Sen, 1999).

Isan-karazany io fahafahana lazain’Atoa Sen io: eo ny fahafahana ara-politika, ny fahafahana ara-teokarena, ny fahafahana ara-sosialy sy kolotoraly.

Famaritana azo haroso sy azo hifanarahana amin’izao fandalinana izao

Mba hisian’ny fifankahazoan-dresaka amin’izao fandalinana izao, dia tsara raha tadiavina ny marimaritra iraisan’ireo famaritana isan-karazany ireo.  Ary dia toy izao manaraka izao ny famaritana azoko aroso ary heveriko fa ahitana izany marimaritra iraisana izany:

Ny fandrosoana dia fampitomboana sy fanatsarana ny famokarana sy ny varotra, ka ahafahana mampivoatra ny fiainan’ny vahoaka ara-toe-karena, ara-sosialy ary ara-politika.

Ka ny fanontaniana mipetraka izany dia hoe: Ahoana no ahafahana mampitombo sy manatsara ny famokarana sy ny varotra ka hisian’izany fivoarana ao amin’ny fiainam-bahoaka izany?

II – ANTONY SY FEPETRA HISIAN’NY FANDROSOANA

Raha anontaniana ireo mpahay toe-karena maro manerana ny tany momba ireo antony sy fepetra mety hisian’ny fandrosoana dia matetika ry zareo manondro anton-jazatra maromaro toy izao: fampitomboana ny famatsiam-bola, fampianarana sy fikarakarana ara-pahasalamana ny vahoaka, fananganana rafitra demokratika sy liberaly, fampiroboroboana ny varotra iraisam-pirenena sy ny fizahan-tany, sns. Ohatra: Nosy Maorisy sy ireo nantsoina hoe Asian Tigers tamin’ny taona 90, ary i Chine amin’izao fotoana izao.

Ny Banky Iraisam-pirenana moa dia namehy ireo anton-jazatra lehibe mety ahatonga ny fandrosoana amin’izao fehezan-teny manaraka izao:

Avy amin’ny traikefa anananay nandritry ny enim-polotaona teo amin’ny sehatry ny politikan’ny fampandrosoana, fampiasam-bola sy fampindramam-bola, dia nahamarika anton-javatra maromaro mitovitovy izahay izay miara-dalana amin’ny fivoarana ankapobenin’ny fandrosoana.  Ireo anton-javatra ireo dia: fitomboana ara-teo-karena, sehatra tsy miankina miroborobo, fanomezam-pahefana ny vahoaka, fitondrana tsara tantana, fandraisan’ny firenena an-tanana ny programa fampandrosoana 

Marihina aloha fa efa elaela ihany no fantatra ny ankamaroan’ireo antony sy fepetra takian’ny fandrosoana ireo.  Maro dia maro tsy tambo isaina ny boky sy laha-tsoratra mamakafaka azy ireo.  Eo ihany koa ny ireo manam-pahaizana (na expert) na tera-tany na vahiny, eo ny Banky Iraisam-pirenena, ny Tahirim-bola Iraisam-Pirenena ary ny Vondrona Eropeana  mampianatra antsika sy ny tany tsy mandroso hafa toantsika.  Izany hoe tsy zava-miafina (na secret na koa mystère) ireo antony sy fepetra takian’ny fandrosoana ireo. 

Ka ny fanontaniana tena ilam-baliny izany dia hoe:  raha efa fantatra hatramin’ny ela ireo antony sy fepetra takian’ny fandrosoana ireo, maninona moa no firenena vitsivitsy ihany hatramin’izao no tena mandroso (Ohatra: Chine amin’izao fotoana izao) fa ny ankamaroany, indrindra aty Afrika, dia mitsopozipozy, zara raha velona (Ohatra: Madagasikara)?

Efa eleela ihany ny tenako no nitady ny valin’io fanontaniana io, ary namakafaka sy nandinika ny tantaran’ny firenena maromaro izay nahita fahombiazana teo amin’ny fandrosoana, ary ny valiteny hitako dia izao manaraka izao:

Mandroso ny firenena iray (izany hoe afaka mampitombo sy nanatsara ny famokarana sy ny varotra ao aminy) rehefa misy ny finiavana sy fiaraha-mientan’ny vahoaka sy ny mpitondra handroso.

Nahoana moa no ilaina izany finiavana handroso izany?  Nahoana koa no ilay ny fiaraha-mientana handroso?  Ary avy aiza no ahazoana na ahatongavan’ izany finiavana sy fiaraha-mientana izany?  Handramako ho valiana tsirairay ireo fanontaniana ireo, ary dia hanome ohatra fantatry ny besinimaro aho hanamafina ny valin-teniko.

Ilaina dia ilaina tokoa ny finiavana handroso, satria raha tsy misy io finiavana io dia tsy hisy fandrosoana ho tonga tonga ho azy eo amin’ny firenena.  Ahoana tokoa moa no hampandroso ny firenena iray raha ohatra ka tsy manaiky ny handray ny fivoarana ara-tsiansa sy ara-teknolojia ny ankamaroan’ny olona ao amin’izany firenena izany?  Ny ohatra azo raisina eto dia ireo vondron’olona maro dia maro aty Afrika sy any Amerika latina mandositra fandrosoana (na nilaozan’ny fandrosoana) ary dia tsy manam-piniavana mihitsy handray ny fiainana moderina.  Ohatra: Ny foko Dogon any Mali, ny foko Mena Hoditra (na Peaux Rouges) maro dia maro any anaty alan’ny Amazone any Amerika Latina, na eto Madagasikara koa aza dia misy ireo vondron’olona izay azo lazaina fa mandositra fandrosoana ka misitaka amin’ny besinimaro.

Fa mifanohitra amin’izany kosa ny Japoney, ny Sinoa sy ny Koreana tatsimo izay efa ela no nandray tsy misy fisalasalana ny fivoarana ara-tsiansa sy ara-teknolojia avy any ivelany.  Mbola hiverenantsika ny momba ny Japoney manokana rehefa hiresaka momba ny fieraha-mientana handroso isika rehefa avy eo.

Ilaina ihany koa ny fiaraha-mientana handroso eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra, satria raha tsy misy izany fiaraha-mientana izany dia mandringa ny fandrosoana, ary dia mety hiteraka ady an-trano mihitsy aza, satria ny olona sasany te-handroso na te-hanaraka karazana fandrosoana iray, nefa ny olona sasany hafa kosa tsy te-handroso na te-hanaraka karazana fandrosoana hafa. Ny ohatra azo raisina eto dia ireo firenena Afrikana sy Latina Amerikana ary Aziana maro izay ahitana avaram-pianarana te-handroso, nefa ny mpitondra sy ny anakamaroan’ny vahoaka dia zavatra hafa no mahavariana azy.  Ohatra iray iaraha-mahala aty Afrika i Zaire teo aloha: tany tena manan-karena tokoa ary manana ny hoenti-manana handroso, nefa ny mpitondra dia faly nameno ny paosy fotsiny sy nanodinkodina ny volam-bahoaka tany amin’ny Banky Soisa, ary ny vahoaka kosa zara raha nitafy sy nihinana.  Fandrosoana manao ahoana no hisy amin’ny firenena toy izany?

Fa ho valin’ny fanontaniana hoe “avy aiza ny finiavana sy fiaraha-mientana handroso?” dia izao no azo lazaina rehefa fakafakaina tsara ny tantaran’ireo firenena nahitana fandrosoana goavana:

Matetika dia loza mitatao (na koa tahotra ny zava-doza mety hitranga) amin’ny firenena no manosika ny mpitondra sy vahoaka ao amin’ny firenena iray hitady ny fomba rehetra handrosoana, ka ipoiran’ny finiavana sy fiaraha-mientana handroso. 

Ohatra roa izay heveriko fa fantatry ny besinimaro no arosoko eto hanaporofoana izany petra-kevitra izany: 1) i Japana tamin’ny andron’i Meiji (na Meiji Revolution), ary 2) i Etazonia nandritry ny ady mangatsiaka (Guerre Froide).

Voalohany aloha dia betsaka ny olona mahafantra tsara fa nanao fandrosoana goavana ny Japoney tamin’ny andron’i Meiji, nefa dia azo lazaina fa vitsivitsy ihany ireo olona tena mahafantatra ny antony nahatonga ny Japoney hanao izany ezaka goavana izany (Meiji Restoration 2014; Pacific Century 2013; PBS 2004).  Raha tsorina ny tantara dia toy izao no zavatra nitranga: Nandritry ny taona maro talohan’i Meiji dia efa nisy ireo manam-pahaizana Japoney sasantsasany (indrindra ireo mpitsabo) izay nianatra ny siansa sy ny teknolojia tandrefana (io moa dia fantatra amin’ny hoe Dutch learning).  Nefa na dia teo aza izany fianarana siansa sy teknolojia tamin’ny tandrefana izany dia niezaka hatrany ry zareo nanidy ny varavarana tsy hidiran’ny tandrefana tany amin-dry zareo.  Tamin’ny taona 1853 anefa dia tonga tany Japan i Commandant Perry, izay tantsambo nirahin’ny fitondram-panjakana Amerikana hampihantra ny antsoina hoe “politikan’ny varavarana mivoha” (open door policy), ary dia nanery ny Japoney hamoha ny varavarana hidiran’izy ireo sy ny tandrefana hafa.  Io fanatongavan’i Commandant Perry io, izay nampideradera fitaovana moderina isan-karazany (toy ny sambo mandeha amin’ny entona, ny lokomotiva, ny tafondro sy ny basy marovava, sns), no nampibaribary tamin’ny Japoney fa tratra aoriana ry zareo.  Ary dia maro ireo Japoney nihevitra tsy ho afaka intsony ry zareo manohitra ny firenena tandrefana raha tsy mandroso haingana dia haingana. Ary raha tsy misy izany fandrosoana haingana dia haingana izany dia ho resehin’ny firenena tandrefana mora foana ry zareo ary dia ho lasa zana-tany toy ireo firenena tsy nandroso hafa. 

Ary dia izay ilay loza mitatao nahatonga ny finiavana sy fiaraha-mientana handroso toe amin-dry zareo Japoney.  Ka ho fanatanterahana izany finiavana sy fiaraha-mientana handroso izany dia naverin’ny lohandohany teo amin’ny fitondram-panjakana tamin’ny toerana mendrika azy ny Amperora Meiji tamin’ny taona 1868, ary dia noraisin-dry zareo tsy nisy fiambahambana ihany koa ny siansa sy ny teknolojia tandrefana.  Ary dia iaraha-mahalala moa fa vokatr’izany finiavana sy fiaraha-mientana handroso izany ny nahatonga an’i Japan ho isan’ireo firenena mandroso sy matanjaka nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taon-jato faha-20.

Faharoa, fantatry ny rehetra ihany koa ny fifaninanana nisy teo amin’ny Amerikana sy ny Sovietika nandritry ny ady mangatsiaka (guerre froide), fa vitsy ireo olona tena mahafantatra ny momba ny antsoina hoe “Sputnik Effect” (na koa “Sputnik Crisis”) tany Etazonia (Sputnik Crisis 2014; Steeves et al. 2009).  Ny momba ity trangan-javatra iray ity indray dia izao:  Rehefa vita ny ady lehibe faharoa dia ny Amerikana no fantatra fa firenena tena mpanan-karena indrindra sy lasa lavitra indrindra ara-tsiansa sy ara-teknolojia eran-tany (Ohatra ry zareo no nanana ny baomba atomika voalohany). Tsy nanaiky gisitra anefa ny Sovietika fa nanao izay hoafany tamin’ny lafin-javatra isan-karazany, ary dia izany no nahafan-dry zareo nandefa ny zana-bolana mitondra olona voalohany teny anabakabaka (Sputnik 1).  Niteraka tahotra sy tebiteby teo amin’ny Amerikana maro io fahombiazan’ny Sovietika io, ary dia izany tahotra sy tebiteby izany no nahatonga an-dry zareo hanao ezaka goavana mihoatra ny ezaka nataon’ny Sovietika.  Izany ezaka goavana izany no antsoin’ny mpahay tantara hoe “Sputnik Effect” ary dia izany ihany koa no nahatonga ny Amerikana hamorona ny NASA (na National Aeronautics and Space Administration), ary nanova ny programam-pampianarana mihitsy aza.  Ary dia fantatsika rehetra moa ny vokatr’izany ezaka izany, fa ohatra iray tena nisongadina ny nahafahan-dry zareo nandefa olona voalohany teny amin’ny volana.

TENY FAMARANANA

Nohadihadiana tao anatin’ity famelabelarena ity ny fiandohan’ny teny hoe “fandrosoana” sy ny fivoaran’ny famaritana izany teny izany arakaraky ny vanim-potoana ara-tantara.  Nofakafakaina ihany koa ny antony sy fepetra mety hisian’izany fandrosoana izany.

Ho fehin’izay rehetra voalaza teto izay, dia toy izao no azo lazaina momba ny fandrosoana, sy ny fivoaran’ny famaritana izany teny izany, ary ny antony sy fepetra takian’izany fandrosoana izany:

1) Ny fandrosoana dia fampitomboana sy fanatsarana ny famokarana sy ny varotra, ka ahafahana mampivoatra ny fiainam-bahoaka ara-toe-karena, ara-sosialy ary ara-politika.

2) Mandroso ny firenena iray (izany hoe afaka mampitombo sy nanatsara ny famokarana sy ny varotra ao aminy) rehefa misy ny finiavana sy fiaraha-mientan’ny vahoaka sy ny mpitondra handroso.

3) Matetika dia loza mitatao (na koa tahotra ny zava-doza mety hitranga) amin’ny firenena raha tsy mandroso no manosika ny firenena hitady ny ny fomba rehetra handrosoana, ka ipoiran’ny finiavana sy fiaraha-mientana handroso.

Momba an’ i Madagasikara manokana dia iaraha-mahalala fa tsy dia nisy loatra ny fandrosoana nandritra izay 50 taona mahery niverenan’ny fahaleovan-tena izay. Na dia teo aza ny fandraisan’ny ankamaroan’ny Malagasy ny siansa sy ny teknolojia vahiny, na dia teo ireo fivoarana isan-karazany tamin’ny lafin-javatra maro toy ny fitsaboana, dia mbola tratra aoriana isika Malagasy amin’ny lafin-javatra maro hafa, mbola mahantra, mbola tsy ampy fahaizana, ary mbola maty tanora ny ankamaroan’ny Malagasy.  Ka ny fanontaniana mipetraka izany dia izao: Ahoana no hisian’ny finiavana sy fiaraha-mientana handroso eto Madagasikara? Hiandry loza mitatao amin’ny firenena ve isika vao hanam-piniavana sy hiara-mientana handroso?

Havelako ho an’ny tsirairay ny famaliana ireo fanontaniana ireo satria efa mihoatra ivelan’ny fanadihadiana tiako hatao.

 

 

Mpampianatra sy mpikaroka momba ny siansa politika ao amin'ny Benedict College any Etazonia i Adrien Ratsimbaharison, PhD. 

2 Comments