Ramatoa mpampianatra

Mina Ilarion

 

- Ialahy angaha leity manao Siansa any amin’ny BACC ? hoy Tantely tamiko.

- Ny ahy leitsy toy ny tamin’ny herintaona ihany a ! Tsy manao Siansa fa Fizika .

Tonga indray tokoa ity ny taom-pianarana vaovao. Hanarina ny tsy nety nataoko tamin’ny herintaona aho. Tena tsy tiako tokoa ny taranja SVT, hanao azy voalohany mantsy izahay izao. Fantatro fa tsy maintsy hanakotaba toy ny fanao indray izao ny ato amin’ny “ bas fond”, tsy misy zava-banona mihitsy. Hatramin’ny mpampianatra tamin’ny herintaona aza moa dia vaky vava mihitsy nanaovanay azy ka notapahina fa izay tsy manao SVT dia mahazo tsy manatrika ny “cours”.

Indro nitsangana daholo ny mpianatra, miditra hay moa ny mpanabe. Nampipetrahan’i “Surveillant Général” izahay. Nataony ny fampahafantarana. Ity, hono, no mpampianatra anay, “madame” Vola no anarany, salovana tsy mbola hitako ny endriny, midika izany fa vaovao ato amin’ity sekoly nitaiza ahy hatramin’ny fahazazako ity izy. Tsy lava resaka ilay ramose mpanara-maso masiaka fa nanome avy hatrany ny fitenenana ho an’ity «prof » vaovao. Efa tery an-tokonana hivoaka i “S.G”  no nisy nitsaingoka niteny ny tao aoriana toy ny mahazatra.

-Efa manambady ve izy?

Niteny an’avona  toy ny fanaony koa ny anao lahy hoe:

-Jereo leitsy ny tànany havia dia ho voavaly izany a!

 Nirary ilay mpampianatra vaovao ho hampijalianay indray hazoto izy vao tena lasa namonjy ny birao fanasaziany.

Na mbola tsy niloa-bava ary ilay ramatoa kely dia hitako amin’izao fa tsotra raha ny fijeriny sy ny fitsikiny.

-Tonga indray leitsy Rajo ny oran’ny fitabatabana a! sady nitokelaka indray Tantely teo akaikiko. Tsy namaly aho, tsapako fa tao anatin’ny minitra vitsy dia tapa-kevitra ny hangina aho, ary hanaja ity hiadidy anay mandritra ny Siansa sy ny fandinihina ny tany aloha androany.

-Ary variana indray leity a ! Sa tara amin’io « Made » io indray ? Tsy zakako ny nandre izany dia mba namaly aho.

-Sao mba ialahy àry no tara amin’io dia izaho no mody hatsafaina eo? Sipa bobaka be ato an-tanàna io ve leitsy dia mpampianatra no ndeha hahatara ahy?

Nanomboka nandray fitenenana ilay soavaly vao amin’ny toetranay. Mody nangina aloha ny rehetra nihaino ity feo vaovao ao an-tsofiny. Hoy mantsy ilay ritsoka feon-kira:

-Izaho no “Madame” VOLASOA Ernestine, sady nosoratany teny amin’ny solaitrabe ny anarany. Antsoina fotsiny hoe : « Madame » Vola, efa manambady, vita mariazy, tsy mbola manan-janaka.

-Tsy misy nanontany a! hoy ny feo beso iray avy anonanona any.

Tsy namaly ny mpampianatra fa niresaka sy nanohy ny teniny.

-Efa fantatrareo am-bangovangony izay ny momba ahy, mbola hifankafantatra bebe kokoa eny ihany isika, fa izao aloha, anjaranareo indray ny mampahalala ahy ny mombamomba anareo. Koa samia ary mandray taratasy avy, soraty ao ny mikasika anareo rehetra, haorony rehefa vita dia ho vakiako tsirairay ka izay voatonona dia mitsangana.

Nosoratako ny momba ahy rehetra. Nasiako soratra tery ambony hoe: ho an’i “Made” Vola. Nataoko kalisoratra ny diam-peniko, nasiako vakiraoka toy ireny taratasim-panadinana ireny mihitsy, sao tsy ho tsarainy eo ny ahy koh! Tsy nasiako takosona ihany koa na kely aza, tsy nampiasa ankoatra ny penina manga aho, tsy nanoratra teny amin’ny “marge” koa, nohajaiko ny fenitra rehetra e! Nofaranako ny episitiliko dia hoy aho: JTM be! 586 e! Tsy haiko na inona na inona no antony nanoratako io teny io?  Fa ny hany tsapako aloha dia tiako ho feno hatrany am-parany ny takilako, nisy somary nalalaka kely mantsy tery ambany ka tsy hitako izay namenoana azy.

Nahoron’ny « chef de classe » ny taratasy rehetra, saika tsy sahy  aho  hanolotra  azy fa   nosintoniny teny an-tanako ilay izy ka nangasihasy teo aho.

Nifandimby nitsangana ny rehetra, nampahalala misimisy kokoa ny momba azy. Nanantitrantitra ihany koa tamin’ny mpanabe fa hianatra no hahatongavany eto.

Tonga ny anjara fitenenanako, voatonona ny anarako.

-Iza no RAJOELISON Mamitiana? Hoy ity mpampianatra.

-Izaho tompoko, hoy aho nitsangana haingana.

Nibanjina ahy izy. Fantatro fa hitany ilay soratra lehibe ery ambany manambara tory fitia aminy. Niondrika izy, tsy nahajery ahy, angamba baboko sahady, nifangaro tao an-dohako ny karan-javatra rehetra, tsy haiko na maninona aho, toa godro ny lohaliko, mahatsiaro fanina koa aho, tsy fantatry ny rehetra izany hery mifampita tao aminay izany. Nangovitra aho, asa na noho ny fidoboky ny foko na nohon'ny tahotro sao hampiakariny birao fa dia rano an-dravina teo aho.

-Mamitiana no fiantsoana anao ?

-Rajo tompoko ! hoy indray aho somary menamenatra fa tafaresaka mivantana amin’ny anjely toy izao.

-Ampahafantaro anay bebe kokoa ary ny momba an’i Rajo kely e! hoy izy nanomboka nanao teny angoty tamiko, manja e!

Kely a kely! hoy ny bitsibitsika tao an-dohako tao. Kely io fa dada a! Tandremo. Aza ny hakelin’ny “fil” no jerena fa ny fidoboky ny “baffles”. Asa ny hakitiky ny voalavo koa no banjinina fa ny zavatra simbany.

-Miandry izahay Andriamatoa, hoy ilay feom-panajany nanaitra ahy tao anatin’ny fandinihako.

Nihoraka ny ankizy. Rafitra aho nandrindra teny hambambo ny fon’ity mpampianatro.

-RAJOELISON Mamitiana no anarako
Tsotra sady fohy ireo hany mba tantarako
Bandy sady hendry, « calme » mahay
Nampiaiky ireo « profs » nandalo hatramin’izay
Izaho no « Serie A » saingy kosa siantifika
Mirevy Siansa, Mathem, Simia na koa Fizika.
Rajo ange ry sipa ka bandy tia manoro e !
Sady poinsa no “bonne” satria mbola mpitovo
Aza miahotra aza menatra, manantona tsy maninona
Inona no ilaina « Facebook » sa ilay « num » ?
Omeko tsy an-kisala na ankizy na lehibe
Omeko hatramin’ny fo na Madama na Made.

-Ampy izay, an’ny hafa indray izao ! hoy ny feo hentitra nanapaka ahy  avy anaty kotaban’ny ankizy tsy nifandrenesana tany, tena mbola tsy niova aho, hoy indray ny fandinihan-tsaiko teo.

Saika mbola hanohy ny vetsovetsom-poko ho lava be aho tsinona no notapahiny, satria nihoraka daholo ny mpianatra rehetra. Nasainy nipetraka aho.

Taorian’iny dia nanolotra fandaharam-pianarana ho tontosaina mandritra ny taona izy. Niezaka nandray izany tamin’ny sombin-taratasy aho satria tsy nivonona handika izay SVT ka tsy nanomana “cahier” ny amin’izany.

Tena hiova aho, hoy indray ny vetsom-bavako tany am-poko tany. Ho afaka aho raha izao no mitohy. Tao anatin’izay minitra maromaro izay no naha-tapakevitra ahy hanao siansa no sady hanao fizika, ny Siansa indray ary angamba no ataoko « obli » raha izao no hitohy. Tsy nitabataba aho nandritra ny adin’ny roa na dia nampiresaka ahy aza ireo iray kaomberaka amiko. Naneno ny lakolosim-pianarana, manambara fa tapitra ny “cours”, tapitra ihany koa ny tapak’andro maraina. Nirava izahay. Hiezaka ny hitsoaka an-dry zalahy aho anio fa mbola hiresaka amin’i“Madame” Vola, ilay mpampianatra vao nandray anay teo.

Nandrasako ho lasa aloha izy vao nenjehiko avy ato aoriana, mba tsy ahalalany fa miandry azy aho.

-Azafady Made, “Madame”! hoy aho nanohina azy.

-Fa misy inona, hoy izy taitra. Iza moa ? Misy tsy nazava taminao angaha ny lesona ?

Kiiii! Tsy tadidiny akory ny anarako, kanefa mba niezaka aho nanao izay hampiavaka ny ahy tamin’ny anay rehetra.

-Tsy izany fa mba saika hiara-dalana aminao aho.

-Hay! Tsy maninona ka, hoy izy tsy mba taitra akory namaly ny fiangaviako ka nahakamo ahy vetivety teo. Novelomin’ny fanontaniany indray avy eo ilay afom-panantenako, ny amin’ny toerana hodiako, mariky ny tsy fihafihafiany izany, dia novaliako avy hatrany fa any Antanamandro aho no mody, tsy nandrasako ela, nasiako ny tora-bato miverina izy, io ihany no napetrako. Novaliany fa any Ambohimadera, hono, izy no mitrasy, raikitra ny tantana raha izao no izy, manaikitra ny jono na dia lelam-pitana miboridana aza no nalatsaka. Maharavoravo saina, rehefa teo amin’ny sampanan-dalana tsy maintsy hisarahanay,  fa izy hianavaratra moa izaho hianatsimo dia nandramako nametrahana fanontaniana tsy dia sarotra akory, mpianatra indray no manome laza adina. Hafa mihitsy aho ity.

-Afaka manatitra an’i Made ve? Sady vao amin’ny iraika ambin’ny folo sy sasany ange izao e ?

Nody tsy nohenoiny ny fanontaniako fa ny valiny dia hoe: « efa Madama ka », nodiako tsy re ihany koa satria mitovy ihany na madama izy na made amiko, mandresy lahatra. Dia notohizako ny « angaha ianao efa manambady ? »

-Efa manambady aho ry zanako a !

Tsy zakan’ny saiko ny nanindronany ny vava foko ka nitroatra aho.

-Rajo Madama ny anarako fa tsy zanako zanako izany a !

-Izay izany Rajo a! Eto isika no misaraka.

Angamba tohina tamin’ny fitroarana nataoko teo izy ka nandà na dia efa saika hanaiky tany am-pony tany aza, izao no adala, tsy nampionona ny eritreritro aho fa nangataka hatrany.

-Aleo ianao hateriko e!

-F’ianao ve tsy mahalala teny gasy e !

Sady niakatra ny feony, teo vao tena tsapako fa tezitra “Made”Vola, vonona ny tsy hanatitra azy aho, hitodi-doha andeha hody ihany koa. Tsy nampoiziko fa tampoka teo dia hoy indray ilay feon’anjely toy ny amin’ny Noely miantsa ny “Gloria, Gloria, in excelsis deo”:

-Andao ary dia ery amin’ny gara ianao no miverina e! Nanolatra vetivety ny fery naratra.

-Misaotra “Made” a! hoy aho nananihany azy sady nitsiky. Hitako ho namaly izany an-kolaka izy fa tsy navantany avy hatrany, asa ! Mety menatra ahy angamba izy.

Nezahiko naverina taminy ilay teny voarindra nataoko tany am-pianarana, mba hamerenany ny fitadidiany amiko.

Nisava ny kitapony izy, asa izay nokarohiny tao fa na ny lalana aza tsy nojereny akory fa somokotra mitady izay mahasahirana azy ao izy. Rehefa ela namadibadihana tao izy dia namoaka taratasy. Inona ary iny? Hoy ny eritreritro lasa dia lasa.

-Ity no sora-tananao?

-Eny tompoko, hoy aho nanaja fatratra tao anatin’ny fahatairana ho toy ny notriarina ny aty havokavoko. Hay ilay episitiliko no navoakany ho asiana sira.

-Izao ve no mba fahalalam-pomba anao e? F’angaha izaho zazakely no hanaovanao toetran-jiolahim-boto tahaka izao? hoy ilay anjely niova ho Losifera tampoka teo sady hentitra niteny ahy.

-Azafady Madama raha nahatezitra anao. Izay fa veloma, hiverina eto aho.

-Fa ho aiza ianao e ? Mbola tsy vita ange ny resaka e!

-Ka efa eto amin’ny gara ange e! hoy aho efa dodona ny hisaraka aminy, tsy te handre intsony ny fony nisendoatra tamim-pahatezerana. Hitako somary tony rehefa nahita ny endriko lasa matotra sy nivaloharika tampoka dia somary nanambintamby hoe: tena hiverina tokoa ve, hono, aho? Novaliako fa mbola hiverina hianatra aho rahariva. Kanefa hoy aho mantsy azy, afaka mahazo ny num-nao ve ?

-F’angaha tsy tokony izaho indray no haka izany araka ilay fristanao e? Hoy indray “made” nitsiky.

-Ka mba fantsy fotsiny ange ireny e! hoy aho nanadio ny tenako avy hatrany.

-Ho ento aty ary ny telefaoninao handikako azy e!

Natolotro azy ilay finday Fozakely mahamenatra vahiny, ho soloiko mihitsy iny ato ho ato ka! hoy ny saiko somary lagy kely. Notsindriny ny bokotra maromaro dia nobipeny ny telefaoniny avy eo. Feom-behivavy no reny tao, manambara an-karihary ny fahantrako.

-F’angaha ity tsy misy “crédit” e?

-Lany tamin’ny maraina ny “crediko” fa vao hampiditra aho avy eo, hoy aho mati-kambo manoloana ity anjely efa manan-tompo tompoiny saingy mbola tiako ho andrianina.

-Ity ary dia antsoy  aho   raha   misy tsy mazava aminao ny lesona e! F’angaha moa lesona no hakako an’ity hoy ny sain-dratsiko. Nekeko ihany anefa ny teniny.

Nitohy indray ny lalanay, nitohy ihany koa ny resaka, nanaraka ny halaviran’ny dia no nahalasa lavitra ihany koa ny tafanay roa. Nanadihady ny momba azy manokana aho: ny anaran’ny vadiny, ny naharetan’ny tokantranony. Novaliany antsipiriany avokoa ireo. Ny hany hitako navesa-danja taminy dia ny mbola tsy nananany sombiniaina nandritra ny dimy taona nikambanan’izy mivady.

-Efa nanatona mpitsabo ihany izahay fa mbola tsy nahazo hatramin’izao e! hoy izy nanganohanon-dranomaso.

Narary ny atiny dia tsaroako ho tohina koa ny aferoko, iny teny iny ihany koa no toa rano namono ilay afo nivaivay tato am-poko tamin’ny fitiavana azy. Hay ity ka vehivavy momba. Tampoka teo anefa, ravo indray ny saiko, nisy tsirin-kevitra tsara. Mety ny fiarahana aminy, tsy ho lasa vadiko mihitsy tsinona izy raha tahiny ka hiaraka izahay. Na hiaraka tahaka ny inona aza tsy hanana sombiniana na oviana. Tena poinsa izany. Io no nahalalako fa mbola jiolahimboto marina aho. Toetrako anefa izany, adala izay tsy tia ny tenany noho ny hafa na dia misy ilay hoe: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao” aza, izaho aloha vao ianao, izahay aloha vao ianareo, lalàna mipetraka tsy fandika io, izay no arahiko.

Tsy tsaroako intsony ny làlana lavabenay. Ny feony nilaza ny tonga no nanaitra ahy. Hay tonga sahady, hono, izy kanefa mbola be ny fanontaniana mibosesika ato an- dohako.

-Izay ve dia sahady e? hoy izy te hampisinda na kely aza ilay fony nalahelo teo ka tsy te hanitatra intsony ny famotorana nataoko. Veloma i….!

-Rajo Madama a! Ary aiza i Ramose, iza moa izy teo? Naveriko ilay fanontaniana fa tsy nanan-kevitra izay hitadidy ny anaram-badiny aho.

-Faly no anarany e! Izay Rajo a! Amin’ny herinandro, sady noraisiny ny tanako dia lasa izy niditra ilay vavahady miendrika ho varavaran’ny lanitra ao an-tsaiko ao. Minitra vitsy no nijoroako teo angamba, tsaroako ilay teniny farany, “amin’ny herinandro”.

Amin’ny herinandro tokoa moa izany vao hihaona izahay! Ny “Vondrona A” moa dia adiny roa isan-kerinandro no mba manao SVT. Henjana koa izany ka! Lasa koa aho. Teny an-dalana dia niezaka aho namadibadika im-pito ny momba ity RAMATOA MPAMPIANATRO: Navadiko ambony, tena tsara izy, nahohoko ambany, manja e ! Natodiko havia, lafatra izy hoy aho! Natopiko havanana, fanaperana e! Ireo no hany fandokafana ilay « Made » amiko, fa Madama ho an’ny hafa, mba vitan’ny saiko marivo fijery.

Tsy hanenenako ny hitia azy, kanefa efa mana-tompo, hoy ny fandiniky ny saiko havia, ka manja izy ka, hoy ny famalin’ny saiko havanana. Ka raha migadra? Hoy ny atidohako ao aoriana, ka tia aho ka, hoy ny ato an-kandriko aloha. Babo aho, tena babo e! Hoy ny fandravonan-kevitro tery  am-pamaranana  toy  ny  ankizy manao famakafakan- kevitra na fanadihadihana lahatsoratra.

Niezaka aho nitady fahana nandritra ny herinandro tsy nihaonanay mba hiantsoako azy, hahatsapany koa fa tia aho. Ary ahoana ary hoy ny vadiny izao mahita ahy miantso foana e? Hoy ny saiko somary lasa. Ssssh!!! Tsy ho lazainy fa mpianatra tsy mahazo lesona ve e? Hoy aho namaly tsy amin-katahorana. Saika handefa someso tany aminy aho fa sao ho hitan’ny Mose Faly ao ka hampiady mivady, tsy tiako mantsy raha hitondra toloko mihoatra ny efa hoentiny izy.

Tsy andriko izay hanaovana siansa isan-kerinandro ahitako ilay olona andrian’ny foko. Fotoana ihany koa hany afaka hifampiresahiko mivantana aminy. Hendry aho nanomboka teo, lasa nahay siansa koa, na dia faran’izay naharikoriko ahy aza izany teo aloha.

Rehefa ela nifaneraserana izahay sy Madame Vola dia naveriko taminy ilay « prise de contact » tany am-piandohana. Nodiany fanina aho teny am-boalohany fa taty aoriana dia izao no valiny azoko.

-Aza tezitra ianao raha toa ka tsy mahafa-po anao ny valin-teny ho lazaiko fa ianao toa dodona loatra a!

-Lazao « Made » fa vonona ny hihaino aho a! hoy aho maika ny hamaky izay voasoratry ny fony, na ho eny na ho tsia, efa nanamboatra ny tosi-drako aho.

-Izao ary Rajo a! Rehefa ela nandinihana aho dia nahatsapa fa hay mitempo aminao koa ny foko.

Saika niakarapoka teny amin’ny arabe  aho, toy ny fitsoriakan’ny tselatra ity olon-dresy namonjy ilay andrin-jiro teo amoron-dalana mba hiankinany. Notsongoiko ny tenako… tsy manonofy aho ka, tena izy. Tsy nahatoky aho ka naka fanamafisana tany aminy. Nitady toko mantsy aho ka sendra vato, kanefa misy ny vato malemy,  nitady  zaza   aho ka  tera-dahy,  kanefa misy  ny  zaza sarim-bavy, ilaina ny mana-mporofo fa ny mamerina, hono, manana ny antitra.

-Tena marina ve izany « Made »?

-Tena avy amin’ny foko izany Rajo a! Manomboka izao dia vonona hangalatra fitia hiaraka aminao aho. Izaho ihany koa dia antsoy fotsiny hoe: Vola rehefa isika samy irery toy izao.

-Misaotra Made… Vola a!

Toy ny tany am-paradisa ny tenako tamin’iny minitra vitsy nilatsahan’ny vaovao tato am-poko iny. Tia ahy, hono, izy ? Tia ? Tia ahy ? Tena tia tokoa ve ? Tia ahy, hono, hahaha ! Enga anie ka tia izy. Toa ho adala koa aho ka. Tia maro be no nibosesika tato an-dohako. Hatramin’ny te rehetra, te hampirafy ve izy? Te hanome fahafaham-po? Te hitsetra ? Ny etsetra.

Niaraka izahay, tsy nisy tsy nahalala izany ny mpiara - mianatra amiko.  Ny  hatahorako  sao  misy  haka ranondranony any amin’ny vadiny any, izay vao ho loza ny hahazo ahy, manadala vadin’olona. Izy ary manaiky ho adalaiko ko, hoy avy hatrany ny saiko nampitony ahy.

Nanjary haiko tsy nisy tomika ny taranja siansa, matetika aho no nahazo naoty ambony. Akorain-dry zalahy aho: tsy mahagaga, hono izany fa velomin’ny Madama Rajo e! Jômbilo! Hoy ny sasany. Tsapako anefa fa mitsara ahy tsy miangatra i Vola, tena fahaizako io hanomezany isa ahy io.

Maty pasipaoro aho tao am-pianarana, isaky ny mba manadala ankizivavy dia hoy ny akora lavan’izy mianakavy:

« Sao bedin-dRamatoa mpampianatra eo an!  ». Sady mihomehy ry zareo no mifampi-pehi-tanana, toy ny mpanasa lamba eny an-driana na ny mpanetsa eny am-parihy. Nangina aho, tsy nahoako izany, tsapako ihany koa fa fialonana ny azy ireo.

-Manaova koa “Belle-gosse” raha te hahazo ny toerany e! Hoy aho tamin’izy rehetra. Reharehako ny fananana azy.

Dia izany tokoa ny fitia, toy ny vao omaly ilay izaho nangovitra tamin’ny fifankafantarana voalohany natahotra ny sao ho ampiakariny birao, ny nanoratako “Lettre d’amour” tamin’ny “prise de contact”, izao izy efa ahy, tsy ahoako na efa manam-bady na ahoana fa tiako izy, ny salova-tavam-badiny ary moa tsy mbola hitako mandraka androany, tsy dia ilaina ihany koa izany, iriko ary ny hahafatesany androany. Izany ny tao an-dohako, nentanim-pitiavana nandritra ny fotoana naharitra aho, izy ihany koa no anjarako e! Sambatra aho manana azy.

Matetika aho no matory any aminy. Ny vadiny koa moa irony mpiasa mandeha mamita iraka lava irony ka izy irery no ao. Ny fifampitokisana no nanjaka teo amin’izy mivady. Ny peratra no nanambara voady taminy. Tokantrano milamina no dikany.

Tsy fantatry ny ao an-trano hoe: tsy matory ao aho. Rehefa vita ny vavaka iraisanay dia samy mamonjy ny efitranony avy ny rehetra. Rehefa tapi-mandry ry Dada sy Neny dia iny aho mitsaitsaika mamonjy ny varavarankely, andeha hanafika ny tiana. Tsy manaraka arabe aho fa misy lalana efa falehako, be mpahalala mantsy Dada, sao anontanian’ny olona momba ahy any izay vao ho loza ny hanjo ity malalan’i « Made » Vola.

“Mba aza manody ity fitiavana ity fa rehefa diso fipetraka mampikodia”, hoy ny hirako eny an-dalana mandra-pahatonga  any lohaliko, aminy. Nasiako hazakazaka arahin-tosika, efa sasa-miandry izay izy. Ny findaiko aza moa efa feno “Appel manqué” manaitra ahy ho any aminy, sao ho adinoko angamba ilay fotoananay ho any am-paradisan’ny mpifankatia anio alina? Izay no mety ho ao an-tsainy, manja ny fiainana ka.

Dia toy izany ny halatra fitianay, toy ireny tompom-bady ireny mihitsy aho misonanina eo am-pandrianany. Rosoiny sakafo matsiro, izaho koa moa mody voky any an-trano rehefa ho any amin’i Vola, sao mantsy tsy hahalany ilay nahandron’ny tiana e !

-Mino izany ianao fa tena manaja anao ny vadinao any lavitra any? Hoy aho taminy indray nandeha.

-Tsy haiko! Hoy izy, fa ny ahy aloha no fantatro, manaja azy amin’ny alalanao, sady nitodika tany amin’ny sarin’izy mivady tamin’ny mariazy izy.

-Misaotra « Made » Vola a! Hoy aho nanoroka ny pera-bolameny.

Nanongo ahy mafy izy dia samy nisalobon-damba hatory. Maika ny hifoha maraina nilaza ny avy nihazakazaka maraina aho. Nanafina fa avy nanafika vinanto ity zanakí Dada sy Neny atokisany fatratra.

Naharitra ny fiarahanay, tsy toy ny fitiavana niainako teo aloha. Izy ilay tena anjarako, nafoiko ny fitiavan-jaza fanaoko, nanjary matotra tampoka teo aho.

Volana vitsivitsy taty aoriana, tsapako fa bevohoka i Vola. Tsy nahataitra ahy izany. Izy manam-bady koh! Nandaitra ihany koa angamba ny andrana siantifika natao tamin’izy mivady.

-Ho “congé de maternité” izao io atsy ho atsy ! hoy ny mpianatra nanaraby ahy, tsy ho hitan’ialahy intsony.

Somary nalahelo tokoa aho, hanana sombiniaina i Vola sy Faly. Faly ery izao ny vadiny, izaho kosahisaona angamba manomboka eto.

-Ka an’ialahy izany io sa an-dramose? Hoy ny sasany nanaraby ahy, tsy namaly aho na kely aza. Ny mpialona ve moa tsy hiteny foana na inona na inona ny fiainanao, hitany hotsongolohana avokoa, hanaratsiana sy hanakiviana ny marivo salosana.

Tena tiako ianao ry Vola a! Hoy aho mahita ny lamosiny manoratra eny amin’ny solaitra be sy manazava lesona. Hataony tsy misy tomika ny “EVOLUTION DE L’HOMME” sy ny “REPRODUCTION HUMAINE”. Mahay mampianatra izy, izay no hahaizako, izany koa no hitiavako azy.

Nivaly ny bakanay, afaka soa aman-tsara aho, nahazo « mention Assez-bien ». Faly aho, nisy vokany ny fihafiafiko sy ny fiovako tamin’ny fanaoko.

Nifanao fotoana ho any am-pianarana izahay samy mpiara-mianatra, haka ny « Relevé de notes », afaka moa ny an-kabetsahanay. Nilaza i SG fa teraka, hono, « Madame » Vola, teraka vavy.

Dia naniraka anay ny mba hitsidika sy hanatitra rom-patsa miaraka amin’i Arôzazy izy.

Toy ny sosoa voatapo-drano ny hafaliako teo am-pahitana ny SVT-ko « 16/20 » sy ny « Bonus5 points », noho ny fandrenesana fa teraka Vola.

Izaho no nimpenompenona nanangona ireo niara-nihira tamiko, handeha hitsidika ilay mpanabenay, ny “chef de classe” koa moa tsy  nivaky  loha  intsony dia noraisiko ny andraikitra, ilay toetrako tsy miamboho adidy izany ary nahafantarana ahy hatramin’ny fahazazako.

-Sahirana mihitsy “papa” an! Hoy ny ankizy efa mpitsikera ahy hatramin’izay, tsy mahagaga izany.

-Ka tsy hihetsika tsinona ialahy isany raha tsy tairina ka! Hoy aho nitrerona an-dry zalahy.

Voaangona ny ankizy maromaro. Lasa izahay handeha hitsidika an’i Madama, izaho no nitarika satria efa haiko tsianjery na hikipy aza ny lalana mankany.

Vao tonga izahay dia io lehilahy tomady, fotsy fihodirana nampandroso anay, adala koa Vola nanakalo ahy an’io ka! Hoy indray ny tao an-tsaiko adaladala. Niditra moramora ny rehetra, izaho no namarana taty aoriana, mbola mariky ny fanetre-tenako hatrany izany.

Niarahaba rehefa tonga, ny sefo no niteny.

Rehefa izany dia nifandimby nijery ilay zaza ny tsirairay. Maro no gaga fa mainty hoditra ilay sombiniain-dramatoa mpampianatra, tsy toy ny ray aman-dreniny. Tsy vitsy no talanjona fa misy hitovizana amiko ny zaza. Tsy nisy nahasahy niloa-bava fa nibanjina ny tavako fotsiny, nivandravandra ny sasany. Tsemboka aho, zanakay sy Vola ve ilay sombiniainy e? Fanina aho, ny hany tsaroako dia ny nanirahan’i maman’i zaza ny vadiny hijery ny nahandro an-dakozia fa hoe: noana, hono, izy, dia nandeha tokoa ilaihaka.

-Toa tsy mitovy amin-drainy, hoy ny ankizy iray vaky vava.

-Efa impiry moa izaho no niteny taminareo tany am-pianarana fa tsy voatery mitovy amin-dray aman-dreniny ange ny zanany, fa mety ho “race” efa tany aloha be tany no miverina e! Hoy Madama nitsatsaingoka.

Tsy nisy nahateny ny rehetra, ny hany sisa azo natao dia nandray ilay kala hifindimbiasanay hotrotroina. Nony tonga tamin’ny anjarako ny nandray ilay zaza dia nisy iray nanontany indray.

-Iza ny anarany Madama?

-I RAFALIMANANA Maminiaina, hoy Vola. Ny rainy no nametraka ny anarany fa izaho no nanao ny fanampiny.

Misy dikany matoa namafisiny sy notsindriany manokana io teny farany io, “izaho no nametraka ny fanampiny”.

Gaga aho fa nisy sombin’anarako ilay anarana teo. Izay vao tsapako, zanako io fa tsy an’i Mose Faly akory. Ny volon-kodiny dia ahy tanteraka. Zanako, Sombinaiko ! Tsy ho fantatrao rahoviana ny halatra fitianay sy Reninao. Mionona fa tsy ilay niteraka anao no ao amin’ny soram-piankohonana, fa ilay lehilahy ranjanana, mitarehim-bazaha. Mino aho fa mbola hihaona isika mianaka indray andro any. Io  i  Vola  fa mijery   ahy eo am-pandrianany … fandrianay mantsy e ! Mbola moboko bodofotsy izy, matahotra sao hosovohan’ny hatsiaka, ka tsy sahy nahery setra toy ny fanaony tamiko.

-Ento aty indray leitsy fa tsy ialahy irery akory ny olona eo a! Hoy Tantely nanaitra ahy tao anatin’ny fahavarianam-panahiko.

Veloma sombiniaiko, hoy aho latsa-dranomaso nanolotra azy ho an’ny namako. Hionona toa anao koa ity rainao, adala tsinona ka! Olona efa nanan-tompo no nambabo ny fony, dia ilay RAMATOA MPAMPIANANY, nampianatra azy fitiavana, nangalariny naharitra, nahazoany Maminiaina, i Aina, mamy tokoa ny miaina saingy mila banjinina ny aloha, indrindra ny ao afara, tsy ho toy ny ahy sy Vola. Izy sambatra nahazo sombinaina, i Faly faly fa nahazo zazakely, izaho nitsiriritra fotsiny nanome ny hareny.

VELOMA MANDRA-PIHAONA IZANY SOMBINAIKO IZANY, MANANTENA MBOLA HIHAONA NOHO NY RA HIRAISANTSIKA MIANAKA.

Mina Ilarion

11 Jona 2013

Bel’Air

 

 
Teraka tamin’ny 1991 tao Andasibe iLIA HARISON Dimby Tahina izay mitondra ny anarana MINA ILARION eo amin’ny sehatry ny soratra.  Tamin’ny 2007 izy no nanomboka nandrafitra tononkalo.  Tamin’ny 2011 kosa no “nanomboka namelana teny an-tendron’ny peniny ny fanoratana sombintantara, ary tsy nitsahatra izy mandrak’ity ny androany. Mpikambana ao amin’ny Fikambanan'ny Mpanoratra sy Mpankafy Sombintantara izy.

 

 

2 Comments