Tadidy tsy tadidy

Jentilisa

Novambra, fahatsiarovana ny nahamaizana ny rovan'Antananarivo. Maro ireo ezaka hanarenana azy indray fa toa resaka no betsaka. Nisy ireo nanao rakitra tampoka tamin'ny fivorian'olona ho fanarenana ny rova, fa tsy hita ny tohiny avy eo ary tsy fantatra hoe lasa aiza ny vola nangonina tamin'izany. Lasa fitenenana esoeso moa ny hoe:"Mandraisa anjara ho fanarenana ny rova." Na izany aza, nisy tokoa ireo tsara sitrapo, nanao ezaka fanangonam-bola ho fanarenana ny rova, saingy ny hevitra hanarenana azy moa no samy manana avy eo. 

Mpamoaka vaovao iray tao amin'ny Gazety Maresaka no tiako lazaina fa tsy mety ao an-tsaiko hoe iza amin'izy mirahalahy tao moa ilay izy. Raha vao niteny hoe gazety Maresaka tamin'izany fotoana izany dia Rabefananina sy Ralaiarijaona izay no ao an-tsaina voalohany. Misy dia misy ny mpamoaka vaovao hafa tao, saingy ialako tsiny manokana ny tsy fahatadidiavako ny anaran'izy ireo.

Nanapa-kevitra ny iray amin'izy ireo ny hanangom-bola hanarenana ny rova. Nanambara izy fa kaonty amin'ny banky no hanangonana azy ary atao mangarahara tanteraka ny fitantanana ny vola mandra-pisian'ny rafitra mijoro sy miasa tokoa ho amin'ny fananganana ny rovan'Antananarivo. Nandeha ihany ny fotoana fa toa tsy mety niainga ilay fananganana ny rova. Farany, nanapa-kevitra ity komity nahitana ny iray amin'ny malazan'ny gazety Maresaka ity fa haverina any amin'ireo malala-tanana nanome fanampiana ny vola ary hofenoiny ny vola lany tamin'ny fitazonana ny kaonty. Nanambara ampahibemaso ny tsy fahombiazan'ny fanangonam-bola, na ny tsy mety nanatanterahana ny fanarenana ny rova izy ireo. 

Izay ihany hatramin'izay niainako, teto Madagasikara, no nahitako olona nahasahy niteny hoe tsy nahomby ny zavatra nataony, satria miankina amin'ny fisian'ny fananganana hita vatana ny rova izany, ary nilaza fa hamerina ny vola efa voaray. Tena fitiavan-tanindrazana izany amiko, sady feno fanetre-tena, indrisy anefa fa very anarana aho ka sady manoratra no manontany hoe iza tokoa re iny nanao fanangonam-bola ka namerim-bola tamin'ny nahim-pony iny fa tsy hoe namadika azy hanaovana tranobe mirentirenty ho azy manokana e?

Jentilisa

Atalata 15 novambra 2016

 

 

Jentilisa, anarana iheverana olona maditra raha vao henoina voalohany, no nosaloran'i Andriamifidisoa Zo, teraka tamin'ny taona 1971 tao Antsirabe, eo amin'ny sehatry ny fanoratana an-tserasera, satria tsy Jiosy izy. Monina eto Antananarivo ary manambady aman-janaka. Fanoratana amin'ny teny malagasy no ankafiziny ary efa nahazo ny lokan'ny "Best of Malagasy Blogs" tamin'ny taona 2007. Mandika sy manitsy lahatsoratra ho amin'ny teny malagasy ao amin'ny Global Voices ihany koa izy.

1 Comment