OROK'ANJELY

Tahirintsoa

Tsy safotofoton'oroka
foretadretak'ota
mifampifotafota
no "veloma akia malala"
nataony nony niala ...

Fa oroky ny anjely
mihajahaja kely
(ho toy ny tsetsatsetsa tsy aritra naely)
... kanefa tena oroka.

Hany ka naharitra
ilay tsirona voaloboka !!!

Izy efa nanidina nikopaka eny an-danitra
f'izaho 'ty mbola doroka
sy dizidizin'oroka.

 

Tahirintsoa, sept. 2006

 

 

 

Mpandrary teny avy ao amin'ny Faribolana Sandratra ao Antananarivo ao i Tahirintsoa. 30 taona mahery vitsivitsy. Namoaka soratra tetsy sy teroa tamina amboara niarahana tamina namana. Afaka vakianao eto ny resaka nifanaovy tamin'ny Poeta Malagasy.

Comment