.   

VETSO HO AN’I NENY

Hoby RASOLOFOARIMASY

 

Ataoko ahoana ny hangina, hametra ny vava tsy hiteny ?

Noho izao andro sarobidy voatokana ho anao ry Neny,

Ka indro fa lazaiko izay mba takatry ny saiko...

Ho kaloiko hatrany hatrany amin’ny teny izay mba haiko.

 

Fa ilay anaranao ry Neny no iriako ho tadidy

IIay niaritra ny mafy sy nitondra ny mangidy

Ilay anarana iangotiana, vita sikotra ato am-poko

Mamafa ranomaso rehefa injay aho fa toloko.

 

NENY ???

Ilay antsoiko raha maraina, fa manala irony sento manamaivana taraina

Ilay dradraiko raha atoandro, fa fanilo manazava lehibe noho ny masoandro

Ilay fivetsoko raha alina, ka manainga ny vinaniko hikalo sy handalina.

 

Lehibe ka tsy ho voalaza, hatramin’ny aho mbola zaza no efa niezaka niteny hoe :

Lehibe noho ny lehibe raha ny fitiavanao ry Neny.

Ianao dia hafakely amin’ny olona rehetra, fa raha ny zanakao no ory, ianao indray no manjoretra ;

Tsy kivy ianao mananatra hahatonga anay ho tsara, mba ho tabiha sy  rehareha ho anareo rehefa any afara.

 

Tsikaritra ihany koa fa rehefa injay ianao mivavaka

Dia ny hoe : Ray o ! tahio ireo sombinaiko mba hiavaka

Mba ho hendry sy ho maodely, ho tena zanak’Andriamanitra

Hisantatra sahady ny akon’ilay fiainan-danitra.

 

Ny toky izay omeko Neny dia izao ihany,

averimberiko aminao raha tany koa ny tany :

Na misy aza olon-tiana manome izay iriana,

Dia mbola ho lazaiko ombieny, fa hafakely ianao ry Neny,

N’izaniza hisarika ahy amin’ny hatsaram-panahy,

Dia lazaiko tsy miambatra, fa i Neny ihany no mahasambatra.

 

Matokia ianao ry Neny, fa raha misy koa fotoana

Ahafahako miteny dia holazaiko foana

Eny hodradraiko ombieny fa tsy foiko ianao ry Neny.

 

Ankehitriny ary aho ry Neny dia mivavaka ho anao

Mba ho ambinin’i Jeso amin’izay rehetra hatao

Tsy ho kivy na ho reraka amin’ny fiainana eto an-tany

Hoarahabaina tonga soa any am-paradisa any...

 

Hoby RASOLOFOARIMASY

                                       Fetin’ny Reny 2007