Monina aiza ny fanahy ?

Hanitr'Ony



Ny fanahy onenanao no taratry ny endrikao
Ny endrikao fanahy ry mpandalo mba lazao
Maso taratra hazavana kajakajam-pahendrena
Sa tevan-kaizin-kitsokitsoka mahafaty ny volena

Eny am-bato miantendro soritry ny fahanginana
Any am-para vazan-tany tsy todin-kely fanambinana
Sa eo am-patan-tsy misorona iharenan'ny feno arina
Sasatry ny tenin-doto, lanaky ny tsy tafarina ?

Monina aiza ny fanahy izay onenanao ry Olona
Lany dìa mihazakazaka mifanenjika olonolona
Raha tokony hifanohana hisongàna ambonimbony ?

Ny fotoana izay mandoko ny endrikao ho takariva
Mbola ho lany verivery amin'ny taratra mihaiva
Sa homenao hampisandratra ny endrikao fanahy ho tony ?...

Hanitr'Ony
19/05/2013

 

 

Mpanoratra sy poeta maro-talenta i Hanitr'Ony, ary anisan'ireo mpiaro mavitrika ny teny Malagasy.  Izy no filoha am-perinasan'ny HAVATSA-UPEM Sampana Frantsa. Manoratra amin'ny teny Malagasy sy Frantsay ary manolotra sy manentana ny fandaharana "Bitsiky ny Ankizy" ao amin'ny Radio Bitsika koa izy.  Anisan'ny boky navoakany: Bitsik’Ony, Tsirin-kalokalo ary farany teo "Deux fois une” izay navoakan’ny Editions Sepia (2016).

Comment