SAHIA M...

Hoby RASOLOFOARIMASY

 

Raha hanofy ihany,

Manofisa tsara,

Fa ny nofy tontosaina

No mivadika ho anjara...

 

Raha hanofy ihany…

Manofisa fahasambarana,

Fa tsy maintsy hivaly soa

Ny tsara rehetra nisasarana.

 

Raha hanofy ihany,

Manofisa fifaliana

Fa ny tolona mitohy

No hitondra fitoniana

 

Raha hanofy ihany

Manofisa lavitra…

Fa ny nofinao androany

Mety hanosika hanavotra

Ny herin-tsaina mila hilofika…

Ny nofinao hanampy tosika,

Hanatraranao ny vina

Sy hivimbim-pitsikiana.

 

Eny, raha hanofy ihany…

Tsy aleo manofy mamy???

 

 

 

Hoby RASOLOFOARIMASY

07/12/2016

Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria Antaninarenina

4 ora sy 5 minitra

 

Hoby RASOLOFOARIMASY dia poeta, monina ao Ivato, mpianatra mpikaroka eny amin'ny anjerimanontolo.

2 Comments