Momba ny Teny

Soamiely A.

Tenin’iza marina moa ilay hoe andrianintsika?

Mahatsikaiky ange isika ireto indraindray: rehefa somary domina kely amin’ilay hoe “Andrianiko ny Teniko” dia maika sy kevoka ery mamaly hoe “Ny an’ny hafa koa feheziko.” Io teny filamatra noforonin'i Di [Rahaingoson Henri, 26/11/1946-13/04/2016] io, raha ny fahazahoako ny resaka, no heverintsika fa mahalaza ny fomba fijerintsika ny anjara toerana tokony omena ny teny eo amin’ny fiaraha-monina Malagasy. Rehefa tena jerena ifotony anefa ny zava-misy dia manahy aho fa toa zavatra hafa mihitsy indraindray — “Ampandeferiko ny Teniko. Ny an’ny hafa no andrianiko” — no idealy ijoroan’ny sasantsasany amintsika.

Rehefa manoratra aho, ohatra, dia, tsy indray mandeha na indroa fa, matetika mihitsy no manontany tena — rehefa injay mangidihidy ny tanana fa te hizara hevitra ho an’ireo Malagasy namana — hoe: “ho soratana amin’ny teny Malagasy ve izy ity sa amin’ny teny vahiny.” Miovaova arakaraky ny aingam-panahy sy ny feeling ny ahy ny teny ampiasaiko. Tsy vitsy koa moa ireo tapaka sy namana no tsy mitsahatra mampirisika ahy hanoratra amin’ny teny vahiny.

Misy aloha ireo milaza hoe “tsy tena mahalaza ny tian-ko tenenina ny teny Malagasy” ka aleo atao teny vahiny ihany. Mifandraika amin’izay koa ilay hoe “tsy ampy ny voambolana tekinika amin’ny teny Malagasy, ka mora kokoa ny mampiasa teny vazaha rehefa miresaka zavatra lalina sy tekinika.” Ka izany ve isika ry ireto no manandriana ny tenintsika. Raha isika tompony aza tsy vonona hanabe-voho ny antsika ka hikaroka sy hamorona ary hampiasa ny voambolana izay ilaina, dia iza indray no antenaina hanao izany. Tsy ampy voambolana tekinika ny teny malagasy satria tsy ampiasaintsika izy iresahana zavatra tekinika. Ary rehefa tsy ampiasaintsika izy dia hihena ampitoerana toy ny fen’antitra ka ho faty ho azy eo.

Dia misy koa ireo sakaiza manoro hoe “Aleo atao amin’ny teny vazaha fa tsy misy mpamaky io raha atao amin’ny teny Malagasy.” Ny voasoratra amin’ny teny gasy aza indraindray dia misy miteny hoe “Adikao amin’ny teny vahiny leitsy fa ohatry ny tena manahirana be ny mamaky azy an!” Dia tena afaka milaza ve isika fa andrianintsika ny tenintsika? Mety manahirana tokoa aloha ny mamaky ny teny Malagasy ho an’ny sasany amintsika noho ny tsy fahazarana. Tsy zatra mamaky teny Malagasy isika satria tsy dia betsaka intsony ny manoratra amin’ny teny Malagasy. Ary tsy dia betsaka ny manoratra (sy ny mpanonta boky) amin’ny teny Malagasy satria heverina fa vitsy mpamaky raha soratana amin’ny teny Malagasy ny lahatsoratra na ny boky iray. Dia ao isika mikatso ao anaty sangodim-panina ao — dia miala aina tsikelikely ny teny Malagasy satria sady vitsy mpanoratra no tsy maro mpamaky loatra intsony.

Anisan’ny olana goavana misy eto amin’ny fiaraha-monina Malagasy, ary anisan’ny mampisaraka ny mpanana sy ny mahantra, ny tsy fitovian’ny teny ampiasain’ny vato nasondrotry ny tany sy ny teny fampiasan’ny valalabemandry. “Ampandeferiko ny Teniko. Ny an’ny hafa no andrianiko” hoy aho angamba no mahalaza kokoa ny fihetsika asehon’ny akamaroan’ny avara-pianarana (na ireo miantso ny tenany hoe elita) fa tsy ilay hoe “Andrianiko ny teniko. Ny an’ny hafa koa feheziko” intsony.

Amiko, raha hanao teny filamatra ihany dia aleo atao “Andiraniko ny teniko” fotsiny, dia faranana eo — na farafaharatsiny “Feheziko ny teniko.” Zava-dehibe ny tenin-drazana, ka rariny loatra raha “andrianina.” Ampy izay fa tsy mila tohizana hoe “Ny an’ny hafa koa feheziko” akory. Fa maninona tokoa moa izy io no tsy maintsy tenenina? Ohatry ny milaza io hoe tsy vanon-kolona ianao raha tsy mahafehy ny tenin’olon-kafa.

Tadidiko tsara ny fihetsiky ny olona naheno ny fomba fitenin’ilay filoham-pirenena taloha izay teny Frantsay (“na le pont na la pont, tatezana foana io”). “Accent gasy be ange ny an’ileiry izany kanefa mba prezida ihany!” hoy rizareo sady nitokelaka nihomehy izy. Nalahelo ihany aho — tsy noho ilay hoe accent-an’ilay filohampanjakana nihomehezan’ny olona loatra (“na l’accent na l’eccent …”), fa noho ilay fiheverana fa rehefa tsy mahafehy tsara ny teny Frantsay dia vendrana sy dondrona.

Raha ho an’ny sarambabem-bahoaka — na ny eny ambanivohitra na ny eny ambany tanana — aloha dia toa rendrarendran’ny avara-pianarana sy haingitraingitry ny mahitahita ihany izany fahaizana teny vahiny izany. Indraindray ary toa mifono hadedahana sy hakevohana mihitsy izy io. Ho inon-dRakotobalita mpamboly any Ambohidikidiro tokoa moa ny hamehy ny teny Frantsay na Alemà? Ary ataon’i Kamisy mpanjono any Marofasika Avaratra inona moa ny fahaizana tanteraka ny teny Angilisy na ny teny Sinoa? Fa firifiry amin’ny Malagasy tokoa moa no mila mifanerasera tsy tapaka amin’ny vazaha — ankoatra an’ireo miasa amin’ny resaka fizahan-tany sy fandraisam-bahiny — ka mila mahafehy ny teniny rehefa andavanandro? Ary ny vazaha koa anie rehefa tena mila miresaka amintsika (na resaka varotra amam-bizina io na resaka fitoriam-pivavahana) dia mahavatra sy mazoto mianatra ny tenintsika e — fa tsy voatery ho Rakotobalita sy i Kamisy foana akory no hianatra ny teniny!

Ny hampandrianana na ny hampanjakana ny teny Malagasy ihany, amiko, no tena tokony imasoan’ny be sy ny maro, fa ny fifehezana sy ny fahaizana teny vahiny agamba samy manana ny laharampahamehany ny tsirairay. Aleo aloha hazava tsara fa tsy miteny mihitsy aho fa tsy ilaina ny teny vahiny. Manampy ary mampivelatra ny saina tokoa ny fahaizana teny roa na telo. Tsy milaza koa aho hoe aza mianatra na mikezaka mifehy ny tenin’ny hafa ianao raha mila mahay ka afaka manao an’izany. Toy ny fitaovana, toy ny taranja rehetra ihany amiko ny teny vahiny — rehefa ilaina dia azo ianarana. Raha ilainao amin’ny asanao ny matematika avo lenta dia tokony ianaranao. Raha ilainao amin’ny asanao ny teny espaniola dia tokony ianaranao. Fa tsy ny rehetra akory no tokony hahafehy ny matematika sy ny teny espaniola.

Raha ny hevitro dia tsy tokony atao mitovy lenta na mira lanja amin’ny tenin-drazana (na ny teny iombonana io na ny tenin’ny foko tsirairay) mihitsy kosa ireny tenin’olon-kafa ireny. Ny tenin-drazana mantsy dia tsy fitaovana fe fitaovana ihany fotsiny fa mihoatra lavitra noho izany. Lova saro-bidy io teny napetraky ny razantsika io. Io no mamaritra ny fanahy sy ny soa toavina Malagasy. Mananjina io teny io satria izy no maha-isika antsika. Manankasina koa satria izy no maha-iray antsika. Raha variana hanandrana hifehy teny hafa isika ka hanadino ny manabe-voho ny antsika dia azo antoka fa vetivety dia ho very an-javona ny teny Malagasy. Dia ho very miaraka aminy koa ny maha-antsika sy ny maha-iray antsika. Aza hitako anie izany.

Soamiely A.

Comment