BE KINTANA

HAJAINA

(santionan-tantara avy amin'ny boky BE KINTANA, Ranjasoa Publishing 2017) 

Ao afovoan’Antananarivo ao, ao an-kibon’ny tanàn-dehibe ao, misy toerana malaza. Samy manana ny anton’ny lazany ny toerana tsirairay fa ho an’ity faritra ity dia ny rano mamonto ny ranjo eny amin’ny lalan-kely rehefa vanim-potoanan’ny orana ary koa ny vovoka mitorajofo rehefa vanim-potoanan’ny main-tany no maha tompon-daka azy. Fokontany manana velarana valonjato sy roa arivo metatra toradroa eo ho eo no andalovan’ny rano maintin-doto mandavan-taona ary miakatra any an-trano ireny rehefa fahavaratra. Fokontany ahitana trano manana tafo miisa zato any ho any, misy ireo trano vaventy mirihana telo, ao ireo trano salantsalany mirihana tokana; fa ny ankamaroany dia trano madinidinika, tsy misy afa-tsy efitra iray na roa. Eny an-tokotany no mahandro, eny no mihinana indraindray, eny ihany koa no manary rano maloto; ary tsy mandeha lavitra fa etsy akaiky etsy ny lava-piringa izay najoro amin’ny rindrina ampaintany notafoina bozaka.

Fiainan’ny mpikatro-doha, fiainan’ny mpitrongy vao homana, fiainan’ny mafy ady: izany no fiaina-mahazatra tsy mahataitra an’ity fianakaviana ao amin’ny trano madinika iray ity. 

Fa tsy ampy dimampolo metatra miala eo, fiaina-mahazatra tsy mampihontsina an’iretsy fianakaviana ao amin’ny trano vaventy misy rihana telo koa ny miara-monina amin’ny manodidina, miara-mifoka fofon-dranomaimbo mangidy raha fahavaratra ary miara-mievoka fofom-bovoka makafoka raha main-tany. Manana ny ampy izy ireo. Porofoin’ny fanaka tsara tarehy sy ny filalotra aty sy ivelan’ny trano ary ny habolangin’izy mianakavy izany. Tanin’ny razana teo ka tena tsy foiny. Fiaina-mahazatra avokoa izany!

Mipatrapatraka ny oram-pahavaratra tamin’ity takariva ity. Zava-nahazendana fa samy nihetsi-jaza ny zanakavavin’ny tatsy amin’ny tranobe misy rihana telo sy ny an’itsy amin’ny trano madinika. Ny an’ny atsy amin’ny tranobe dia vao manomboka manaikitraikitra, fa ny atsy amin’ itsy amin’ny trano madinika kosa dia efa vaky hatry ny naraina ny ranondohany.

- Efa antoniny tsara ve ny hafanan’ny rano ao Ramatoa Rakala? Hoy Rasazy vonombonona fatratra handramby ny zaza ao an-kibon’i Zoly.

- Aleo ianao ihany no hitsapa izany, hoy Rakala renin’i Zoly somebiseby sady sahirana fatratra mikarakara ny zava-drehetra hoentin’ity sombin’ny ainy misedra ny memy hahazoan-janaka, dia ilay zanaka fanintelony.

Misedra memy, miandry tafika, miatrana anoloan’ny fahafatesana. Izany mantsy ny miteraka ho an’ny olombelona? Aina ny miteraka, aina no ateraka… koa, na maty na velona!… Ho an-dRamatoa Rakala mianakavy dia izany tokoa no iainana, izany no fisainana ary tsy misy afa-tsy izay satria folo mianadahy ny zanany, enina no notezaina, roa efa any amin’ny varo-tsy mifody ary ny efatra ambiny dia maty tsy vaky maso akory. Rehefa tonga andro ahaveloman-jazaireo zanany vavy roa, ilay vavimatoa sy ny vavy faharoa, dia maty teo am-piterahana avokoa izy mirahavavy. Tsy te hisaina izany Rakala. Efatra sisa ny zanany velona ary i Zoly no faravavy izay io niandry andro, niandry ora, niandry minitra, miandry segondra handatsahana ny menaky ny ainy io.

Na dia efa mivokoka kely noho ny vesatry ny fahantrana sy lanaky ny fitotototoana tamin’ity tontolo andro ity aza Rakala dia nakifiny izany rehefa eo imason-janany, ity zanany izay efa mivaroraky ny fanaintainana lalina. Miezaka mijoro, mijajirika sy mitsiky izy.

Efitrano iray tsy dia tery loatra, nefa tsy malalaka koa no efitranon-dRakala sy ireo zanaka aman-jafiny, miampy paosin-tranokely ilany ataon-dry zareo fahandroan-tsakafo, indrindra rehefa mipatrapatraka toy izao ny ranon’orana arahin-kotrobaratra masiaka. Mitampify ao amin’io paosin-trano io izy dahy kely zanak’i Zoly fa tsy te hiatrika ny fijalian-dReniny eo am-pamoahana ity ho zandriny. 

Ao anatin’ilay efitrano lehibe kokoa dia tsy misy afa-tsy farafara iray, kidoro mivalombalona ery an-jorontrano, latabatra lehibe sy latabatra kely fitoeran-dovia sy sotro amam-bilany ary seza vitsivitsy. Eo amin’ilay farafara lehibe somary mianavara-doha no handrian’i Zoly rehefa hipaika ilay oran’ny ady.

Nitriatra mafy indray mandeha ny varatra, angamba latsaka tsy lavitra ny toeram-ponenan-dry zareo monina an-kibon’ny renivohitr’Antananarivo ireto. Niara-niontana ny fon’izy rehetra. Niara-nientana koa anefa ary samy niondrika avy eo naminavina tany an-tsainy avy ny sarin’ny ho avy afaka minitra vitsy.

Nanaiki-molotra mafy dia mafy i Zoly. Notampenany ny vavany mba tsy hihoaka handoa. 

- Maty aho Neny a, vonjeo aho Rasazy a, tsy tantiko intsony izany fanaintainana izany, hoy izy nijafajafa. 

- Tsy mahazo mipetraka mihitsy indry, hoy Rasazy manta fiteny, mandehandehana ihany aloha manerana ny trano mba hanafaingana ny am-periny. 

- Neny ah, hoy i Zoly nitomany nikiakiaka, vonjeo aho e! 

Tezitra Rasazy ka nikitakita: 

- Fa izaho ve no hampiteraka an-dry sa ny Renin-dry e? 

- Mahereza izany zanako izany, hoy Rakala Reniny sady nanafosafo ny lamosin-janany, efa io Rasazy ka inona no atahoranao e. Etokoa i Neny. 

- E, e, e, hoy Rasazy nasiaka, aza tambatambazana tahaka izany izy Ramatoa Rakala a, manjary tamana mihanta ratsy, ianao angaha afaka ny hisolo vaika azy amin’ny fanenana? Mahavariana mihitsy ny olona kely fahalalana tahaka anareo fa tsy mba sasatra ny manaotao foana!

Nangina Rakala, nanganohano ny masony, efa maheno kitakita sy fanabantiana matetika izy saingy tsy mety zatra. Maharary azy hatrany ireny. Mangirifiry aminy ny fahantrana, fa ny fanaovana tsinontsinona hatramin’ny fotoana mangidy tahaka izao kosa mila hahavaky ny fony.

 - Ary aiza izy dahy? Hoy ny tolokon’i Zoly, toa nahatakatra ny alahelo lalina tao anatin’ny sain’ny Reniny ka te haneho herim-boantay hanakopily ny fijaliana mandrakotra azy mianaka. 

- Atsy an’efitra kely izy anaka, hoy Rakala nanambitamby an-janany… Nihodina tary an-tetezankazo ny lalan-dry zareo nony niverina avy nirahina nividy fanafody fa malama, hoy izy ireo, ny lalan-kely, ka sao dia ho potraka. Tsy nety niditra ato an’efitra misy antsika avy hatrany i Masoandro sy i Volana fa mandon’ny ranon’orana, hono. Ny fanafody nanirahana hovidin-dry zareo aza nampitondrainy ahy ary itsy napetrako ambony latabatra itsy… Ka izao e, aza manahy ianao fa tsy lasa nilalao orana ry zareo , mitanina afo ao izy dahy maka hafanana sady mitono mangahazo. 

- Tsy afa-mamindra intsony aho Rasazy a, hoy hatrany ny fitoreon’i Zoly, toy ny nanadino tanteraka ny fanazavan-dReniny… 

- Be hanta mihitsy ity zazavavy ity, hoy Rasazy. Etsy àry, mitsilanisa amin’izay eto am-parafara, hoy izy sady mba niseko nampiditra ireo fonon-tanana tahaka ireny Dokotera nahavita fianarana ambony ireny ery… 

Raha ny tena marina mantsy, nianatra teny amin’ny sekoly fampiofanana ho mpampivelona izy fa tsy nahatojo hatramin’ny farany. Noho izany, azo ambara ho Renin-jaza ihany tokoa ity Ramatoa ity, saingy ireo olona nampiterahany tanatin’ny iraika amby roapolo taona, zary nananany traikefa be, no niantsoantso sy nikiakiaka taminy teo am-piterahana hoe “Rasazy a!”, ka dia very anarana ho amin’izay Ramatoa. Mamy loatra izany “anaram-boninahitra” izany aminy.

(santionan-tantara avy amin'ny boky BE KINTANA, Hajaina,  Ranjasoa Publishing 2017)

 

Comment