Sombin-tantara nosoratan'i Johary Ravaloson

Tsoaka  avy @ Les Nuits d'Antananarivo, No Comment 2016

Dikateny: Soamiely Andriamananjara

 

Niditra i Liva dia naka toerana an-databatra teo an-tsisin-trano manoloana ilay fahitalavitra nandefa kilipy “mafana”, rehefa avy nanopy maso tany amin’ireo sipa tao an’efitra: toa sipa efa hitany taloha ny anakiroa, azoazony an-tsaina fa bandy misarimbavy ny iray tamin’ireo. 

- Izay Special du jour dia labiera iray ange azafady, hoy izy tamin’ilay mpiasan’ny hotely tonga nanontany ny komandiny.

Tian’i Liva ny manafatra sakafo tsy vesarin’ny safidy. Izay no fomba entiny maminavina izay mety ho tonon’androny. Tonga ny labiera niaraka tamin’ny trondro sy ravitoto, ilay ravimangahazo voatoto, noketrehina tamin’ny fomba tanindrana miaraka amin’ny rononom-boanio. Mety hahafinaritra ihany ny anio alina izany.

Nanantona azy tsimoramora sy tsilem ilay sarimbavy dia nanontany.

- Mila namana ve isika izany?

- Miandry an’i Rose-Annelle aho ka.

- Mba tsara vintana kosa ikala iny an! Iretsy adala iretsy tsy mieritreritra hafa tsy ny hisotro, hoy izy sady nanondro ny vahiny teo amin’ny latabatra teo akaiky teo. Izao anie mbola tsy nikaly e! Tena ramaka be ka mitady hikolapisa izaho an... Maninona raha mba ampazahon’i toi kaly aho e! 

- Mipetraha ary ianao e!

- Misaotra akia an! Mamy be i toi!

Zipofohy sy kiraro baoty veloro mampiranty kibodranjo mahafinaritra, sarolobaka fotsy mampiseho kibo misy foatra voatevika no teny ankoditr’ilay sarimbavy.  Ankoatry ny manjamaso voakaly dia tsy dia be haingo na filirony loatra ny salovantavany. Mety ho voafikany mihitsy raha tsy mandre ny feony sy tsy mahita ny zanampihetsika mampahatsiahy irony sarisipa miseho tele avy any Sao Paolo na Rio irony. Nahodin’i Liva teny amin’ilay fahitalavitra ny fijeriny. Vaovao antsary no nandeha.

- I Toi ve tsy mba te hipeka double miaraka amiko sy i Rose-Annelle, hoy ny tsikivetan’ilay sarimbavy.

- Tena tsy tena mirona amin’izany aho ka.

- Ndryy! I toi izany koa anie ka tena pasitera be e!

- Afaka miverina miaraka amin’iretsy taokalahy iretsy ianao raha tsy azoazonao ny mipetraka eto e, hoy ny valintenin’i Liva.

- Eny ary e!

Itondray trondro mendy sy salady ah, hoy ny baikon’ilay sarimbavy tamin’ilay mpandroso safafo nitondra vilia baolina misy lasary voatabia ho an’i Liva. 

Dia notohizany ihany hoe:

- Fredy no anarako.

Mandimandiana nahafinaritra ery ilay ravitoto tao ambavan’i Liva. Niaraka sy nifameno tsara tamin’ny nofo matavin’ilay hazandrano, trondro sabatra, ny hafaitran’ilay ravimangahazo. Ohatry ny ho tena mety hilay tokoa ny revy rahalina izany. Nanampy tsiro somary marikivy kosa ilay lasary voatabia vao tonga.

Ohatr’ireny any anaty sinema ireny ny fipoitran’i Rose-Annelle avy amin’ilay lalantsara fidiran’ilay efitrano. Niantso azy i Liva. Nitoditodika kely nijery sao nisy olonkafa nanasa azy i rakalakely dia nanatona ny latabatra nisy an’i Liva.

- Hay ianao kosa efa manana namana! hoy izy.

- Bonjour, hoy i Liva nitsiky marevaka. Mipetrapetraha re ...

 - Vao nanontany anazy mihitsy aho sao dia te hampiara-droa na hanao revy lapabe mandritelo izy, hoy i Fredy.

- Angaha? hoy ny valintenin’i Rose-Annelle. Izaho indray aloha tsy mizara kil izany an! Mitovy ihany ny fotoana lany.

- Mipetraha aloha ianao ho’a ry Rose-Annelle an! Mikaly trondro mendy fotsiny i Fredy dia izay e!

- Tena bandy favy ny sipan’i toi! Tena tsy nikaly mihitsy anie aho androany tontolo andro e, hoy i Fredy nampidina ny feony sady nijery ny sakafony tonga teo ambony latabatra.

Nipetraka i Rose-Annelle. Nitena zipo kely bekilaoty makarakara mena sy mainty, somizo fotsy, ary kiraro tsotra izy. Manitra brushing ny volony, ary zara izy raha nanao haingon-tarehy. Ohatr’ireny vadina ngetroka avy nitety magazay ireny. Nihanalefaka tsimoramora ny endriny. Nitsaingoka endinovy avy teo an-dovian’ilay sarimbavy ny tanany, dia nisokatra nitsiky malefaka ny molony, dia avy eo nitsiky marevaka. 

- Izay tianao ihany io, fa amiko aloha dia mitovy ihany ny tariff an!

Nahifiny tamin’ny fihetsika kinga ny singambolo anakiray sendra nanakona ny masony.

- Hay ve ianao mankafy revy dobla-peka e! hoy ihany izy sady nipi-maso kely an’i Fredy. Tsy nampoiziko ho karazan’olona mirevy revy ... miala amin’ny mahazatra ianao.

Nanozongozondoha sy nanda mafy i Liva.

- Tsy mahamenatra anie izany e! Izahay anie malala-tsaina daholo e!

- Sady malala-davaka koa ! ha ha ha!

- Ka efa hoe tsy tia an’izany ho’a zah!

- Oadray! Aza maka lagy i toi Ramose an! hoy i Fredy sady nanetsiketsika ny ratsam-tanany teo alohany. Izaho aloha mahalala bandy miseho ho masina be, kanefa nanjary nalai-nisaraka ary nanome kadoa mihitsy nony avy teo!

- Tsy miditra amin’izany aho e! hoy i Liva somary nampiaka-peo nasiaka. Hano fotsiny ny trondro-nao e!

Tsy hitan’i Liva izay nalehan’ilay hafalifaliany teo. Nanembona ny hatsaran-tsiron’ilay ravitoto izy. Nanampy trotraka ny laginy ilay labiera matimaty. Natodiny teny amin’ilay fahitalavitra indray ny masony. Tatitra momba ny konferansa niarahan’ny mpiasampanjakana ambony sy solotenan’ny mpamatsivola iraisampirenena no nandeha. Narahin’i Fredy ny fijeriny. Nikiaka tampoka ilay io nahita ny sary:

- Io, io mihitsy ileiry io, hoy ny vazavazany nanondro olona teo amin’ny efijerin’ilay fahitalavitra.  

- Maninona? Fa misy inona e? 

- Io! Io bandy mikata be sy miresaka io! Ileiry mihitsy io! Draidray !

- Maninona? Fa misy inona e? hoy ihany i Liva mody tsy taitra kanefa farak’izay liana hihaino izay zavatra nahataitra an’i Fredy mikasika ilay rangahy nandaha-teny teo amin’ny tele. Toa olom-pantany izato izy.

- Io rangahy io ilay nolazaiko teo hoe nanome kadoa ahy rehefa avy nanandrana ilay revy vetaveta, hoy i Fredy sarimbavy. Vao mahita azy eo amin’ny tele io fotsiny aho dia avy dia fanimpanina mihitsy.

Nikakakaka nihomehy i Rose-Annelle.

- Izany angaha no betsaka any? [tsy tiany mihitsy raha tsy izy no matoan-dresaka]

- Izany angaha no betsaka any? hoy koa i Liva. Olona ohatr’ireny ve dia ...Tsy mankaty amin’ny Bonne fortune ny olona ohatr’ireny e!

- Tsy tato anie izany e!

- Hay? 

- Tany Antaninarenina. Fa marina ny an’i toi fa tsy karazan’olona mpankato inedala.

- Aza mampiresaka e!

- Tena marina fahotana mahafaty e! Revy henjana be tsy nisy ohatr’izany ... Henjana, tena henjana, saingy ...

-  Saingy naninona?

-  Tsy nihaona taminy intsony aho tahorian’izay, hoy i Fredy toa lasalasamborona tampoka. Nisy alahelo niserana teny antavany. Kanefa anie ... kay kay kay, aoka fotsiny ...

Niomehy fotsiny i Rose-Annelle sy i Liva.

- Tsy voatery hino izay lazaiko anie ianareo. Fa mangina aloha fa tiako ho fantatra izay tantarainy e. Tiako ho fantatra ny anarany. Fa aiza hono no misy an’ileiry io izao? 

Efa filazambaovao hafa indray no niseho teo amin’ilay vata fahitalavitra—Ny tsy fisian’ny fandriampahalemana any amin’ny faritra antsimo.

Notaperin’i Liva moramora ny tao amin'ny fara-tavoahanginy. Ny sainy kosa dia niha-nandeha mafy, nihazakazaka: Mety hisy irika ihany hangalany anjara fihinanana amin’ny vola be alefan’ny mpamatsy iraisampirenena.

- Mba manala azy e! hoy izy. Andao ary hifandom-bera kely ho an’ilay akamanao henjana be iny e!

- Tsss! Toa hihomehezanareo fotsiny aho! hoy ilay sarimbavy, nanomboka ni-scene sy nitady ho be ranomaso.

- Tena tsy izany mihitsy ka! hoy i Liva. Andao aloha hifandom-bera e! Inona no tianareo ho sotroina?

- Tonic ny ahy, hoy i Rose-Annelle.

- Tonic an! Fa atao be tequilla kosa izany a!

-  Tonic iray tavoahangy ange azafady, hoy i Liva mantsy ilay mpandroso sakafo, dia tequila iray tavoahangy koa.

- Zah tsy misotro toaka an! hoy i Rose-Annelle. Ny olona anie miasa e!

- Fa izaho izany tsanganolona fotsiny?

- Miala any sahady ianao! Mitetitetika ny ho kalabe ...

- Marenina ianareo e!  hoy i Fredy. Izaho anie izao no malahelo e!  Sady tsisy kil aho no tsisy vola, no sady votsotra ilay kil kalabe saika mba noreveko.

-  Tena tantaram-pitiavana tsy misy ohatr’izany, hoy i Rose-Annelle nananihany.

Nasian’i Liva tequila ny vera anakitelo. Nanatena izy fa hampiresaka ny vavan’ilay sarimbavy. I Fredy kosa nadraraka ny tonic, nanandrana nitadidy pitsopitsony handresena lahatra ny mpihaino azy amin’ny fahamarinan’ny tantarany. I Rose-Annelle indray nikaroka izay irika hanorana an’i Liva, sy tsy hahazoan’i Fredy vola be loatra. Toa tafahoatra kosa aloha ilay mangataka tequila e! Dia maninona izao raha rhum gasy fotsiny? Norokoroany ny sofin’i Liva.

- Mety aminao ve izany chéri? Miaraka izany isika ny alina tontolo an!

Very tao anaty volo tao i Liva.

-  100 000?

- 150

Notsetsafin’i Liva ny molotr’i Rose-Annelle ary navelan’ikala nanara-po teo aloha iledala. Avy eo izivavy nanangana vera nitodika tany amin’i Fredy.

- Tshinnn! Ka tantarao aza e! hoy ilay sipa nivanitika.

- Atao inona? Toa hihomehezan-driko fotsiny aho ko!

- Ao moa e! Aza mampifilafila tahaka an’io moa e! Sao kosa ianao angaha mampiresaka fotsiny ...

- Tena tsy mampiresaka mihitsy aho an!       

- Aza miady ry ireto an! hoy i Liva nandamina ny resaka. Tena marina tokoa anie ry Fredy fa ny tary ohatr’ireny dia tsy mahita ny olona ohatra antsika akory e!

- Kanefa dia lazaiko anareo fa hitany tena hitany aho! Tena hitany dia nanaitra azy tokoa.

- Izany an!

- Indray Asabotsy maraina izay. Vao mangirandratsy. Alina nanirikiry izay. Tapaka ny tongo-kiraroko. Nandringaringa teny an-dalana teny aho. Teny aho no nasainy niditra tao anaty daba 4x4 miloko fozaorana izay. Izaho moa handeha hody any Analamahitsy. Lalako ihany iny hoy izy fa miakara. Izy amin’io hody any Ambatobe raha tsy diso aho.

Narahin’i Fredy tamin’ny fihetsika vavivavy ny tantarany. Safoiny ny feny, izy miresaka ny kirarony iny, safoiny ny tarehiny na ny tendany hanehoany ny hatsatrampanahin’ilay mpiasampanjakana.  Ataony boribory tsara ny molony, dia lalaoviny amin’ny tranga-lela maka fanahy; ny masony amin’izay mivezivezy mijery an’i Rose-Annelle sy i Liva, indraindray misarizoro indraindray misariadala.

-  Nampitsetra azy ny nahita ny tongotro tsy nikiraro nandeha ny lalana marikorikon’ito tanana tsy misy ilavana azy ity. Nanandrana ni-tenter chance aho tamin’izahay nandalo tery amin’ny Masay. Raha mba tsapanareo moa ny halefaky ny lamban’ny patalohany! Avy hatrany i baina dia korazy. Nahafinaritra ahy ilay fofony: hatsembohana miharo savony manitra vazaha. Tsy nahajery ny lalana aho fa efa tany antanananay aho vao tonga saina. Mbola nila anahy izy. Dia nolazaiko hoe kadoa ilay teo fa raha mbola mila izy dia 500000 ny sarany.

- 500000?!!

- Izay aloha no tariff tonga tao andohako. Tsy nampihontsona anazy akory izany. Nampiany 100000 aza, hanamboarako ny kiraroko hono.  

- 600000?!!

- Dia gaga ianao! Fa tena mamba be ileiry an! Somary narary kely aloha tamin’ny voalohany, ohatr’ireny olona tsy mbola nanao ireny, fa lasa nilay nony avy eo! Nalemy ny fe-ko tonga tany antrano.

Talanjona i Liva. Zendana i Rose-Annelle.

- Peka iray sy valo. Izany ve no fitiavana!

- Ka 600000 kosa e!

- Tena 600000 tokoa lelika an! hoy i Rose-Annelle lasalasa revy sy vinany. Dia nataonao inona ilay 600000?

Mba lasalasamborona koa i Fredy. Sady namafa ranomaso izy no niteny.

- Ny ampahatelony nomeko an-drabaofinay (sady nitanondrika ny anao lahy). Nataoko tao anaty valopy dia nasisiko tao ambany varavarany (nitraka indray izy). Tsy mijanona mikoretaka izy rehefa vangiako, ka manirikiry anahy. Nisy zavatra maromaro nilaina naloa vola (nahetsiketsiny teo imolony ny tanany havanana), ka hoy aho hoe : tsy mahazo manao bazary (navoakany ny lelany).  Nifehitena mafy aho nandritry ny adin’ny roa! (nanomboka nangirana ny masony) Dia lasa aho nividy an’ireto (sady nanondro ny kiraro baoty teny an-tongony), dia anakiray koa cuir mainty (nisafo ny hodiny), dia akanjo ambony kely (sady nanamboatra ny nono fôsika-ny), vetivety dia mihariatra ilay izy an (sady nampiseho ilay tevika teo an-kibony), dia avy eo aho nivoaka boaty nanapitra izay tavela (lokin’ny hehy izy rehetra).

- Tsy hitanao intsony izy taorian’izay?

- Indrisy!

- Efa ela ve izany no nitranga? hoy i Liva variana nijery ilay foatra nitevika.

- Herinandro vitsivitsy izay.

Tsy nisy nahatsikaritra fa efa filazana ny toetrandro no nandeha teo amin’ilay fahitalavitra. Dia niverina indray ny video kolom-body. Vehivavy mampihetsika azy. Lehilahy mitena akanjo raitra miditra fiarakodia tena milay, dia lasa mibalady amin’ny arabe tsy misy lavaka, godrao tsy latsaky ny 20 santimetatra, mitsidika tanana madio, dia mitsofoka anaty trano tsy hita velively. Misy kilonga milalao eo anjaridaina. Dia misy mpifankatia mifanoroka eo akakina dobo misy tifi-drano.  Na ny fanariam-pako aza tsy ahitan-doto. Na ny alika aza tsy misavasava ireny dabapako ireny fa milalao miaraka amin’ny ankizy. Feno jiro ny trano. Dia misy vehivavy mivoaka ny trano fandroana, manao penoara na atiakanjo satin, manokatra vatafampangatsiahana feno sakafo. Dia misy lehilahy miravaka volamena, misotro zavatra misorabolamena, mihinana hena. Indraindray izy ireo milalao mozika. Indreny vody mandihidihy manerana ny karatsidika mandrakotra ny efijery.

- Andao hiakatra ry ireto an! hoy i Liva tamin’izy roa.

 

Comment