Taratasy nosoratana lavitr’Iarivo, nadikan’Ilaibalihy avy @ teny frantsay.

Salama i Niko,

Salama tsara ve ialahy amin’izao ranomason’Adalo be izao? Manoratra an’ialahy aho fa nanonofy an’i Beloha. Inona marina ny vaovaon’ilehiry any? Salama tsara ihany koa angamba, enga anie. Nijery seho sehatra an-kalamanjana teo anoloan’ny lapan’ny tanàna hono isika. Menamena ny volon’ialahy. Lasa mena volo angaha ialahy izao? Eny e, nanofy an’ny anadahin’ialahy aho dia tao koa ialahy. Brown kiboribory toy ny an’i Angela Davis iny ihany, fa nanjelanjelatra ery. Tsy misy zavatra tonga fahatany izany! Hita faka hoatra ny zavamaniry mandady amin’ny tamboho ireny. Menamena koa ny volon-dRafotsin’ialahy - somary lava, nitopatopa teo amin’ny soroka fa niloko menamena. Sa ito rano notarafin’ny masoandro hody. Taratra sy sarin’ilay hatsarana tiana sy tsy miova. Niverina teto an-tanàna manko ny rano. Tsy toy ny rano aorian’ny oram-baratra manafotra ny tanàna, fa nirindra tsara, nikoriana tanaty lakan-drano, toy ny any Venezia. Raha ny fitadidiako sy izay tadidiko dia mbola tsy lavitry ny rano izany isika. Ireo heniheny saro-polahina nofolahin’ny asa fanompoana sy ny fefiloha, ireo tanimbary sy ireo nosy vohitra, ary ireo fanotofan’ny antsanga varafasy mpandringa tanimbary zara raha manisy dobo fitahirizan-drano ka manafo-tatatra isaky izay orana. Ny rano no mamelona arika antsika. Tsy natao hampanofy ratsy ireo mpitondra fiara fotsiny ireo fefiloha vita tara miaraka amin’ny lavaka sy ny fitohanana lavareny. Tsy hoe tsy ampoizina fa felaka tehamaina fampatsiahivana ireo tondra-drano miverimberina eny amin’ny faritra iva. Niezahantsika nahemotra, dia nahemotra foana, ny fandinihina ity rano manodidina antsika ity. Tsy mety tonga saina, lavitra tokoa ireo andriana mpahaihetsi-drano. Toa niverina angamba ny fitadidiantsika. Niverina teto an-tanàna ilay rano masina. Sehatra avo misy tongony no nandondona teo anoloan’ny toeram-piantsonana. Lalan-drano lehibe roa sy lakan-drano kely no namaritra ny toerana. Lakan-jejo no nandroso sy niverina, nitatitra ireo mpijery. Efa saika tsy nisy toerana intsony. Tsy indray ihany izahay no niteny fa niandry namana, alohan’ny nahatongavan’ialahy sy ny rafotsin'ialahy. Nisinisy ny nibakobako nitetika ilay toeran’i Beloha. Niambenan’ireo anabaviko izay mba samy te ho eo akaikiko mafy mihitsy izy ity. Toa tonga ilay somambisamby nandrasana nanambara ny fiandohan’ny fampisehoana satria niato ny feon-javamaneno. Sambo kely, mandeha amin’ny milina voavatsin’aratra raha ny tena izy, no nandroso am-pahanginana avy tany amin’ny lalambe andrefana ka nankeny amin’ny sehatra. Mpilalao an-tsehatra nihaingo aoka izany no nisonenika teo ambonina famoaham-peo vaventy teo amin’ny tokotanin-tsambo. Vehivahy nitafy akanjo rebareba maitso no teo an-dohatsambo niantsa ny ala saron’angano. Raha nandalo teo alohan’ny andalana nisy antsika ilay sambo izay i Beloha no nanamory azy, dia nanao fihetsika tamintsika ity izy fa hiverina tsy ho ela. Ity tsiky vazany. Ilay tsiky fanaony rehefa avy nanaraby tany. Io tsiky io no nahatonga ahy hinamana taminy tany amin’ny kolejy fony kely. Mahina tamin’ireo mpiara-nianatra tamiko hafa aho noho ireo hodimason-drilerony lasa nibareraka satria zatra nitanondrika manoloana ireo zezoita mpampianatra. Samy naditra teny daholo, fa ny an’i Beloha nadiridiriny ny masony ary nasehony ny vazana rehefa nitsiky. Nahazo alalana maharitra tsy hanao fanatanjahantena izy ; hantahanta avy tany amin-dRabaofinareo izay tsy tia hoe misy manome baiko adala ilay sombinainy, tsy afa-namitsoka ilay mpampianatra na dia hita izao aza fa tena tomady tsara ilehiry. Tsy nanakana azy ho tonga anefa izany rehefa oran’ny filomanosana, samy zanadrano izahay roalahy, tsy mba nahita ilay taratasy mantsy ilay mpampianatra lomano. Nirontsorontso teny akaikin’ny kianja fihazakazahana ilay mpampianatra iray hafa. Niara-nisary adala izahay roalahy ary nifaninana nitsambikina mba hahitana izay nanatobaka rano faran’izay ambony indrindra. « Mangina aloha, hihainoako ny hafatry ny rano! » hoy izy indraindray. Izahay roalahy foana no farany nivoaka avy tao. Saika nivoara-maitso mihitsy indray andro ilay mpiandraikitra, nahita anay roalahy tsy nihetsika, nitsingevangevana. Fa tsy misy anefa izany maty an-drano mbola mitapoa-drivotra izany. Nitraka tampoka aho. Velin-kazo lava iray dia iny fa hita indray ny tsiky vazana feno fandresena sy ireo sofin’i Beloha. Tsy haiko intsony ny fomba nandaozany ireo artista sy ny fomba namonjeny antsika indray. Iny aho mitazona peta-taratasy mitaky ny fisokafan’ny dobo-filomanosana eo amin'ny Trezy-Mey, eo anivon' ny Mialà mahazatra , ny Arotsahy ny vatsim-pianarana, ny fanahy masina, Jiro sy rano velona, Fahasalamana ho an’ny vahoaka, Fitoviana, Fitsinjarana ny fahefana sy ny vola, Antananarivo mba Miami koa ary nareo LGBT volo maroloko ny avana; fihaonan’ny tolona e! Mazava ny andro. Zavona ery amin’ny tendro mando. Niparitaka ny pozila fa tsy voatambatra. Nofy ilay izy e! Tsy nisy nanao arotava, samy salama daholo ny rehetra. Salama tsara ve ialahy? Inona ny vaovao?


Jo

Marsa 2021

Comment