DONGY BE DONGY

Hanitr’Ony

 

Indray andro, hono, tao Ambohitokana, tanàna kely iray, nisy zazalahy kely antsoina hoe Dongy. Tao an-dapa izy no nonina satria ny dadatoany izay tia azy fatratra no mpanjaka tao, ary tsy nisy n’inon’inona nahaory azy mihitsy. Tsy manam-bady sady tsy manan-janaka Radadatoa ka dia I Dongy no zaza tokana an-trano, sady maty voky no maty irakiraka, hoy ny ohabolan-drazana.

Resaka ihany izany fa sady tsy mety misakafo I Dongy fa vatomamy foana no haniny, no rehefa antsoina dia tsy mamaly, rehefa irahina moa dia tsy mandeha fa ny mpanompo no irahiny hamaly ny dadatoany. Nanjary nankarary ny mpanjaka ny ditran’I Dongy.

Mamy hoditra amin’ny vahoakany ny mpanjaka ka nony nahalala izany ireo dia nivaky loha. Nampitondra hafatra ny voron-kely nankany amin-dRahanta anabavin’ny mpanjaka I Lita, zazalahy kely iray monina tsy lavitra ny lapa, ary nivavaka mafy mba hihatsara ny fahasalamany. Tapa-kevitra Rahanta fa ho tonga ka dia niantso rahona hotaingenany izy hankany amin-dranadahiny haingana.

Lavitra ny dìa ka teny an-dàlana dia nijanona nitango kintana maromaro izy homeny an’I Dongy. Ity zaza kosa dia tsy nety nitsena ny Nenitoany tery am-bavahadin’ny tanàna, raha tsy notambazana vatomamy mihirahira maro loko mamirapiratra iray harona. Taitra ary I Lita fa ilay hirahiran’izy roa lahy fony izy niara-nilalao mbola kely no nataon’ilay vatomamy. Mba nanatona an’I Dongy izy sady nitsikitsiky, fa I Dongy kosa dia namingana azy ka toran’ny hehy nony nahita azy nianjera. Nitomany I Lita. “Alazako amin’I Neninay ialahy”, hoy izy sady lasa nody, soa fa tao Razoly reniny nanambitamby azy.

Hitan-dRahanta izany ka tezitra mafy izy, ireo kintana nomeny moa natsipin’I Dongy tao anatin’ilay dobo kely daholo ka tonga dia vasoka, ny ankizy te-hilalao nipitrapitra. Natainginy teo ambonin’ilay rahona I Dongy, notsipindiny ilay rahona dia lasa nandrifatra nitondra azy tany amoron’ala. Ilay tenin’I Lita hoe:”alazako amin’I Neninay ialahy !”no nanakoako tao an-dohany. Fa nahoana aho no tsy mba manana Neny? hoy izy. Tsaroako ny maman’I Lita tia azy ery, mikolokolo, mahandro, manadio, manorokoroka sady toa hafa kely mihitsy ny tsikitsikiny.

Kamboty moa izy saingy tsy nety nohazavain’ny Dadatoany taminy ny nahatonga izany, asa, miandry azy ho lehibebe kokoa angaha izy. Lasa aloha izy natory, ary teo vao nivavaka fa nahatsiaro fahabangana lehibe. Nony nifoha avy teo izy dia nisy bibidia nanatona azy moramora. Natahotra be izy, ka nihiaka “Neny a!”. Efa saika voarapaka izy no nisy voromahery iray nipaoka azy ka nametraka azy moramora tery an-tendron-kazo.

Noana tanteraka izy nony nihantona ela teo, ka vao nitsangana dia tapaka ilay hazo, nianjera ka nihoraka “Neny a!”. Po toy izy dia nivadika ho rano ilay tany ka nanonjanonja sy nanambitamby azy. Nivoaka ny trondro hataony laoka, ka dia afaka ny hanoanany.

Tampoka teo anefa, nisy bibilava ‘ndeha hamatotra azy, efa ho kenda mihitsy izy no nibitsika hoe “Neny a!” dia nitranga lela ilay bibilava sady lasa moramora nankany anaty bozaka. Rehefa nirenireny irery ela I Dongy dia nandini-tena ka tonga saina tamin’ny fahasiahany rehetra, ary teo vao tsapany fa ny te-hanana tsy mahaleo ny ambinina. “Mba te-hanana Neny toa an’I Lita aho, hoy izy, dia mba ho hendry fa tsy haditra intsony, hihaino rehefa tenenina”.

Isaky ny misy ilainy dia miteny izy “Neny a!” toy ny zava-mahagaga fa tonga izay ilainy rehetra, rehefa te-ho hendry sy hanaja ray aman-dreny izy. Nivavaka mafy izy mba hiverina any amin’ilay Dadatoany ka hitsabo azy haingana. Tsy nety hitany anefa ny làlana tao an’ala, reraka izy ka ‘ndeha hipetraka iny indrindra no nahita rafotsy mitomany teo amoron-drano. “Manahoana tompoko, faly aho mahita olona mitovy amiko, efa ela aho no tsy nisy niresaka, fa maninona ianao ?” hoy izy.

“Marary aho, hoy ilay Ramatoabe efa mikarainkona. Mila maka voahangy ianao, ilay avoakan’ny bibilava avy any an-kibony, ka mialoha ny maraina no tsy maintsy alaina, saronana amin’ny sobika tsy ho tratrany fa raha tsy izany dia matiny ianao, fa fito amin’izay no fanafodiko.”


Nanaiky I Dongy satria nahaontsa azy ity rafotsy, ka lasa tokoa izy nandrary sobika, nisedra ny fito alina sy ny bibilava fito, ka azony ny fanafodin-drafotsy. Isaky ny nisy tsy ampy dia nantsoiny “Neny a, ampio aho, ampianaro aho!” dia tonga moramora eo aminy tokoa. Niova be I Dongy.

Nony sitrana Rafotsy dia nisaotra azy mafy ka namela azy hangataka zavatra iray izay tiany. Mba atoroy ahy ny lalana mody hoy izy fa te-hitsabo an’I Dadatoa aho, malahelo azy aho. Dia raha mba azonao atao, ataovy mahita ny endrik’i Neny aho mba hahalalako azy fotsiny na efa maty aza izy. Natoron-drafotsy ny làlana ary rehefa tafaverina avy naka kitay I Dongy dia efa tsy teo intsony izy. Nalahelo mafy razazalahy. Toa nisy zavatra lalina nampifandray azy tamin’iny olona iny. Nanaraka ny làlana natoron-dRamatoabe izy dia lasa.

Tao ambadiky ny bonga iray anefa dia nahita vehivavy iray izy mikarakara sakafo sy mitsikitsiky mijery azy, avy nanatona azy nanafy lamba ny sorony sady niteny hoe : “ Etsy, ndeha hisakafo zanako !” Tsapany tao anaty : “I Neny ve ?” Tonga dia nifamihina izy mianaka ary nitomanin-kafaliana. “Fa taiza foana I Neny ? “.

”Nisy Trimokelifamasiaka izay tezitra tamin’ny rainao fa te-haka ny fanjakany, ka rehefa avy naondrany tery an-kady ny dadanao dia navadiny ho iny rafotsibe iny aho sady nariany tao an’ala. Tsy tafavoaka fa lanin’ny biby masiaka tao anefa izy ka dia very tao aho. Ianao no tonga nanavotra ahy zanako, zava-mahagaga iray azoko tanterahina rehefa afaka aho no tambin’ilay ratsy nataon’I Trimokely, dia iny nangatahanao hahita ahy iny. Misaotra tsy nanadino ahy”. “Faly aho, Neny tiako.” “Tian’I Neny koa ianao, efa eto aho izao zanako. Aza matahotra intsony.”
Dia nisaotra an’Andriamanitra izy mianaka sady sambatsambatra ery nizohy ny làlana nanatona ny tanàna. Tsy nisy nahafantatra izy ireo fa niakanjo voronkitsay ka nitsaitsaika mora nakao an-dapa. Sambatra ny mpanjaka ka sitrana rehefa nahita an’I Dongy manam-panahy indray moa nampahatsiahy azy fatratra ny rahalahiny ny fahitany an-dRahety.

Dia lanonam-be foana no tao an-tanàna, nanao Fampitaha ny ankizy rehetra teo amin’ny diavolana fenomanana takariva. Nitombo namana sy fahendrena teny I Dongy, “noho ny fiahian’I Neny ahafahana midongidongy, noho ny fitiavan’I Neny izay mampanjary ho olona, misaotra Neny tiako”, hoy izy.

 

Hanitr’Ony

 

 

 

Mpanoratra sy poeta maro-talenta i Hanitr'Ony, ary anisan'ireo mpiaro mavitrika ny teny Malagasy.  Izy no filoha am-perinasan'ny HAVATSA-UPEM Sampana Frantsa. Manoratra amin'ny teny Malagasy sy Frantsay ary manolotra sy manentana ny fandaharana "Bitsiky ny Ankizy" ao amin'ny Radio Bitsika koa izy.  Anisan'ny boky navoakany: Bitsik’Ony, Tsirin-kalokalo ary farany teo "Deux fois une” izay navoakan’ny Editions Sepia (2016).

Comment