VOANGORY, LOKO SY FIKOLO SAINA  !

ANDRIANETRAZAFY Hemerson

Dify tanteraka ity ny fotoa-mpialantsasatra ary mananontanona ny faran'ny taona. Indro fa efa miova ny toetrandro. Vao nandalo tsy ela izay ny rotsak’oram-be narahina havandra mirarak’ompana. Ho avy tsy ho ela ny aty fahavaratra. Fa eto aloha izao toa mifandimby tsy miato ny masoandro be migaingaina sy ny rahomainty maniry tomany. Matetika no manopy mena ny taratra eny andrefan-tanàna… Mampatsiahy ahy indrindra ny ampaha-pahazazako ity volonandro mandondona sy mavesatra manamarika ny diva hariva ity... indrindra moa rehefa misinda ny evokevoky ny tolakandro nampitranga lela ny alika eny an-dalana. 

Volon’andro toy izao no miainga ilay monomonona tsy hifandrenesana mameno ny habaka  amin'ilay ora mbola hatorian'ny angely iny : Eo no fotoana fivoahan'ny voangory any Ambanivohitra any !

Toa tsaroako tampoka ny hiakiakan'ny ankizy efa niandry ela an'io monomonona io. Injay misy antso indray manako hoe :

- Voangory e ! Tonga ny Voangory Rankizy a !!! …

Vetivety monja dia indreo, kilonga, eo amin'ny fito ka hatramin'ny roambinifolo taona eo, no mifampitaona, mitsitokotoko ampolony maro, mifanjohy miandahy-miambavy, mihazakazaka mahafaty tena... andeha hisambotra ireto bibikely an'alin-kisa manidina sy mandrakotra ny faritra rehetra misy hazo maniry. Hatreny amin'ny Hopitaly ka hatreny andafy-andrefana, korana sy kotaba no mameno ny elakelan-trano sy ny arabe teny Soavinandriana Ambony (Mandridrano) tamin’izany. Samy rifatra ny rehetra mamonjy ilay tany malalaka rako-bozaka manelanelana ny tranon'ny mpiasam-panjakana mitandahatra manamorona ny lalam-bato sy ireo trano tany mitafo bozaka, somary miataka ery andrefandrefana kokoa. Misy ihany koa anefa ampahany hafa mamonjy ny sahan-kafé manamorona ny ilany avaratra atsinanan’ny siniben-drano ny Tanana any ambony any.  

- Andao lehity Lemé hisambotra voangory a ! 

Mitsidika eo ambaravarankelinay ny lohan’I Serge zanaky Ragaova mpifanoloboditrano aminay. Toy ny ankizy rehetra dia mibitabitaka aoka izany ranamana. Ny volony amin’io misarakorako ary mbola ladinin’ny tranokala mitantara ny ankiafina nataonay taorian’ny firavàn’ny fianarana. Ny masony miembon’elatra, mangirana izay tsy izy nohon’ny fahamaizany hamonjy ny ankizy efa misomebiseby eny Ikianja.

- Efa nantsoin’ihalay angaha i Lioka ? hoy aho nanontany azy.

- An an !! hoy izy … Andao antsoina ledala !

Toko telo tsy nisaraka teo an-tsahan’ny lalaon-jaza izahay telo lahy tamin’izany. Mitovitovy taona teo amin’ny enina ranon’orana sy mimisy teo ho eo. Telo malai-misaraka na dia samy hafa tsanganana aza. I Lioka, zanaky ny “Adjoint ny Chef de district”, somary manify mitsoratsoraka maranidranitra izay, i Serge no ranjanana sy misimisy vatana ary izaho indray toa notefena hifaribolana amin’ity lohako boribory sy ny rirako bolangin’ny hani-kotrana nafahin-drenibe … 

Dia indro izahay mba lasa niazakazaka teo atsimon-trano, nisioka an’i Lioka. Tsy ela koa moa avy nanotrona anay ilay io dia lasa izahay nitanjozotra nanaraka ilay lalankely mankeny amin’ny fisamborana voangory.

Satria moa, maro dia maro ny andiam-boangory mifamahofaho dia tsy mananosarotra ny fisamborana azy. Asosa mifaribolana faran’izay aingana ny satroka dia vonjena hatohoka amin’ny tany. Toy ny mpanihaka mampiasa vovo ihany saingy tsy ao anaty rano fa alefa mandrango-danitra ! Rehefa gadra ao anaty satroka ireo voangory dia vonjena raisina tsirairay ary angonina ao anaty tanty kely misarona, na kapoakan-drononon-jaza (Guigoz). Misy moa ireo ankizy no maila-tanana kokoa dia samboriny amin’ny felantanany eny ampanidinana izay voangory manamorona azy eo ! Dia eo, samy revo miezaka manangona ary tsy misy miala raha tsy efa ho dify ny andro ary mananontanona ny aizina.

Rehefa samy mahazo dia mifampidera ny azo ! Ka izay nahafaoka be indrindra no mahazo dera ampitsanganana eo. Kideradera tsy dia mankaiza, kiandrahandra tsy dia atao hoe ahoana fa dia   mampiakatrakatra akevohana ery  !

- Oay leisy e ! Tena mahay misambotra kosa leisy ialahy an ! 

Fotoana vetivety hiany no mitangorongorona eo ny ankizy fa samy miverina mody ihany mamonjy ny tokontaniny isan’isany. Izahay telo lahy moa, mitanjozotra miantsinana mankeny amin’ny voditranonay. Eo an-tany malalaka akaikin’ny lakozianay izahay avy eo no mitombona manisa ny azo ! Ny lakozianay moa nifanila amin’ny vatan’ny trano hitoerana ka misy habaka somary malaladalaka ahafahanay telolahy milalao tsara teo. Dia eo izahay, revo mitsimpona tsirairay an’ireo bibikely ireo. Tapahina ny elany mba tsy hanidinany intsony ! Dia atsitokotoko arakaraky ny habeany dia hampiarina eo ny fianarana manisa… hatramin’ny roampolo ihany anefa no hay tamin’izany !  

Misy vitsivitsy amin’izy ireo no natao kiombiomby mitarika sarety ka tranon’afokasoka efa lany no asiana horona mivona amin’ny andaniny sy ankilany. Io no volena tahony hamatorana voangory mainty vody anankiroa hitarika azy. (Kilalao fanaonay tamin’ny valala ihany koa io tamin’izany). 

Ny lehibe sy matavy indrindra ihany koa no natokana ho iray toerana ; Tapahina ny tongony, alàna ny lohany sy ny elabeny ary atono ao amin’ny fantson-drivotry ny fatapera mirehitra.. Raha vao mitsetsatsetsa ireo “voangory gasy” natono dia asian-tsira ary tsakoina tsy ampihambahambana ! Tsakoina tsy misy ho atelina fa ny faikany no be ao am-bava ! Aingitraingitra tsy hahavoky, tsy hoe haninkanin-kely hanjifana ny matsiro fa ilay fiarahana manao sy miaina miaraka an’ilay kilalao no tena nangalana fafiny ! 

Efa hiroso ho alina, ary efa miantsoantso mila ho tapa-tenda ny raiamandreny hoe “modia amin’izay fa alina ny andro rankizy a !” izay izahay vao misaraka eo !

 Alohan’ny hisarahana anefa dia angonina tsara atao iray toerana ireo voangory sisa mba holalaovina ny ampitso. Indrisy anefa noho ny tsy fahalalàna dia maro tamin’ireo nihidy tao anaty boatina guigoz no maty rehefa tsidihina ny maraina : sempotra noho ny tsy fisian-drivotra !

Misy elanelam-potoana mifanao herinandro eo no ahatongavan’ny voangory gasy, “mainty vody”, sy ny “voangory fotsy vody” izay nantsoinay ihany koa hoe “Voangory vazaha” ! Tsy tsaroako tsara intsony ny fifampindimbiasany fa misy ny fotoana hiavian’ny Voanosy, ny Voangory gasy ary ny Voangory fotsy vody. Mahasarika ny ankizy mandrakariva ny misambotra sy mandraoka an’ireo amin’ny fotoana fahatongavany. Ny manao an’ireo ho kilalao… Saingy ilay voangory fotsy vody toa tsy misy azo atao aminy afa tsy ny fanisàna ny azo. Kely loatra tsy misy hohanina, (sady tsy misy mpitono ihany koa rahateo). Ny lokony fotsiny no tena mahasarika. Manopy mainty mangirana ny lamosiny, mianga-manga indraindray, somary volontany ny moron’elany ary fotsy mandronono ny kibony !

Taty aoriana, rehefa niezaka ny hanazava aminy mpianatro momba ny fotokevitra enti-mamaritra ny fiheverana Malagasy mikasika ny “tompon-tany” sy ny “Vahiny” aho dia ny sarin’ireo karazam-boangory ireo no nielatra teo imasoko :

- Etsy andaniny, ny “voangory gasy” dia toy ireo mpiaramonina mifikitra sy mifandray volo amin’ny tany nipoirany. Mitovy loko amin’ny kitapo nifonosany, mivolo-tany botrefotrefon’ny fifamenoany amin’ny tontolo iainany ! Na tsy dia nisy famaritana azy ho izany aza, satria “Voangory be” no teny fampiasanay hanondroana azy tamin’izany, dia azo antsoina ihany koa ireo hoe “Voangory mainty vody”

- Ny “voangory fotsy vody kosa”, etsy ankilany, kelikely manjelatra sy maninton-jery fa tsy misy ho raisina toy ny mpandalo tsy mitoetra. Vitsy fiavy kokoa ary manintona fa tsy hiaraha-monina, tsy misy azo atao ny hampiray loko azy amin’ny tany : Atono kely loatra, bitika tsy mahazaka vesatra; tsy atao ho kiombiomby ; manabe toerana tsy hita ho ampiasaina : Moa ve tsy “Vazaha” e !!!

Na somary mahasadaikatra ihany aza ity sokajim-pamaritana mirona amin’ny kisarisary voizina (stéreotypes) mandasitra fanavakavaham-bolo-koditra diso nahazatra loatra ity (Izay marihiko fa tsy dia hiandaniako noho ny fanajako tanteraka ny fahasamihafàna), dia namboly sary maro tao an-dohako ireo karazam-boangory ireo :

Rehefa nihodina tokoa mantsy ny tantara teto, moa ve tsy nisy ireo “Voangory fotsy vody” naka volon-tany ka  nifikitra tsy laitra tamin’ity fiarahamonintsika ity ? 

Tsaroako etoana ohatra, Itompokolahy Jacques Grégoire, tarana-boanjo tompon’ny trano fihinanana sy fandraisam-bahiny eny Mahavoky-Besarety. Nandritra ny fiainany izy dia nivelona, niaina, nifanerasera tamin’ny manodidina azy toy ny Malagasy reny, Malagasy ray… Mandeha miantsena ary mifanasa vangy amin’ny manodidina azy amin’ny fampiasana teny Malagasy rano iray. Rehefa tapa-kevitra ny hody any antaniny ny fianakaviambeny taminy taona 1975, taorian’ireny kotaban’ny roambinifitopolo ireny, dia nisafidy ny hijanona izy. Nisy fotoana ihany anefa izy no mitsidika ireo havany tany Frantsa ary mazàna raikitra ny fifanasana vangy sy ny fandrabirabiana azy :

- « Mais pourquoi veux-tu continuer à vivre dans ce pays de merde !!! »  hoy izy ireo mantsy azy.

Dia novaliany hoe :

- « Fichez moi la paix et laissez-moi vivre et mourir tranquillement dans « mon » pays de merde !!! » 

dia iny izy no mitodi-doha miverina aty Madagasikara (1)

Voangory nifidy ny ho “mainty vody” izy noho ny fitiavany ! Ary maro ireo rohy norariany fahavelona tamin’ny fiaraha-monina teto antoerana. Lasa "Voangory noamaintsisam-body" izy ao anatin'ilay kisarisary !

Amin’izao fotoana izao anefa, miha-betsaka indrindra ireo Malagasy ray, Malagasy reny nofolahin’ny rafi-panabeazana vahiny, nobeazina tao anatin’ny teny “farany tsy hay” ary novolavolaina fisainana toy ny tandrefana. Revon’ny akanga tsara soratra ve sanatria ka manary tanteraka ny akoho taman-trano !!! 

- “Tena tsy hainay mihitche aloha fa tena saroutche be ilay ten’gache e !!! Sade tsy de azzou hilazana zavatra profond ihany kou” 

Amin’izay angolaina sy ovaina arak’izay tratra ny fomba fitenenana. Atao miraondraona toa feon-dangoroana ny “r”, sosohana ho matevi-koditra sy lava fitarika ny “z”. Toa hoe izay moa no mariky ny fahamboniana ? 

Mihamaro isika ireto izao no very mari-drefy amin’ny fototra nipoirantsika ka tsy mahafehy intsony ny teny, ny tantara ary tsy mahafantatra akory ny tanintsika. Ny ankamaroany dia tsy sasatra mitatatata fa ny ivon”ny soatoavina Malagasy dia ny “fihavanana” izay tsy hainy ho faritana akory ao anaty fiarahamonina mampanjaka ny “tsindrio fa lavo”, “fingano hianjera”, “sintony hidina”, “Amboary fa ela” sns !!!

Ny zava-doza indrindra amin’izao fotoana izao dia ireo olona very fototra ireo no omen-kaja hitantana sy hitondra ny firenena, satria hoe nahita fianarana “ambony” tany ivelany ka afaka “hampandroso” an’I Madagasikara ! 

“Ny ety an-tany hoe ho tahaky ny any an-danitra !!! ka nofinofim-bazaha no tiany ho volena eto an-toerana. Indrisy anganefa fa na dia vitany tsianjery avokoa aza ny voan-kevitra fototra novolavolain’ny mpisaina “fotsy vody” rehetra mikasika ny toe-karena, ny fitantanam-piaraha-monina sns… toa tsy misy fantany ny mikasika ireo mpifanolo-body aminy ! Manjavozavo aminy ny rafitra sy ny zavamisy mifehy ny taniny sy ny fiarahamonina nipoirany. 

Endriky ny fifandonana kolotsaina tsy mirindra ireny seho teny Soamahamanina ireny, ny fandorana olona tany Mananjary, ny firongatry ny tsy fahandriam-pahalemana misy etsy amberoa ! sns.. Tsy mitsaha-mihitatra ny elanelana misy eo amin’ny “Voangory mainty vody”, “gasy petaka” sy ireto “Vody nofotsiana” izay voangory be ihany fa nolokoana ho “vazaha” !

Ry “Vody nofotsiana” a ! Mifamaofaho marolafy ao an-tsahan’eritreritro eto ny baraingo aman’ampitr’isany :

- Inona marina moa no endrim-pandrosoana mendrika sy mifanentana amin’ny zava-misy eto an-toerana ? 

- Rahoviana ary amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika misaina izany miaraka anganefa izao ny  “voangory mainty vody” toa fehezinareo foana ho “bibikely tsy mandady harona” ka atao ankilabao 

- Inona tokoa moa izao no lokon’ilay voangory ao amintsika ?

- …(baraingo hampitomboy aman’arivo aman’alinalina !!!)

Raha ny tenako aloha dia mbola mireny eo an-tsaham-pandalinana 

e ! 

Saingy izao kosa no efa maha-resi-lahatra ahy : “Voangory gasy” aho, nandalo ny sehatra rehetra nampisalorana ahy ny saham-pahalalanana “voangory fotsy vody”. Ara kolotsaina izany dia afaka mandray roa ary afaka mipetraka ho roa-loko ! Mba tsy hitsipahako ny fototro dia raisiko ho ahy tanteraka ilay hafatry Zokibe DI (Henri Rahaingoson) nifampihinana ny manta sy ny masaka tamiko hoe :

Andrianiko {ny ahy} ny teniko ... Ny any hafa koa feheziko !!! ”

Eny ehh ! Tantaram-boangory ihany izany rehetra izany fa soava-hifoha leitsy Ramers a !!!

 

(1) Notantarain’I Richard Razafindrakoto tamiko tamin’ny taona 2000 

 

ANDRIANETRAZAFY Hemerson, androany 03 novambra 2016, Ankatso.

 

 

 

 

Mpanakanto maro talenta, mpampianatra sy mpikaroka eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo, mpahay tantara i Hemerson Andrianetrazafy. Mpikambana ao amin'ny Akademia Malagasy koa izy.

Comment