Fotoan-gasy

Soamiely A.

Alaivo sary an-tsaina kely anie: Misy andiana Malagasy, asa na mpiara-mpianatra, na mpiara-miasa, na mpihavana vitsivitsy mifanao fotoana. Andao atao hoe nifanaraka rizareo fa mila mivory ka hihaona ary hiresaka rahampitso amin’ny folo maraina.  Raha ny fomba mahazatra antsika dia any amin’ny folo sy sasany any vao hanomboka ho tonga ny mpivory.  Ny ankamaroan’izy ireo dia tsy ho tonga raha tsy amin’iraikambinifolo eo, mety ho tara kokoa noho izany aza.  Raha toy ny isanandro, dia amin’ny 11:15 eo vao tena hanomboka ny fivoriana.  Tsy olana amintsika eto Madagasikara mihitsy izany fahatarana izany, eken’ny besinimaro ary andrasany mihitsy aza.

Ny tena marina aza dia azo atao hoe efa raikipitapisaka ary efa ankatoavin’ny rehetra ho anisan’ny fenitra iorenan’ny fiaraha-monina malagasy io trangan-javatra tara-fotoana io:  ny ampiandrasana tsy tezitra, ny andrasana tsy mila manao azafady.  Diniho tsara anie fa ho an’ny malagasy dia lasa ohatry ny haikanto iangalian’ny tena mahay azy io fahareta-miandry sy fahaiza-mampiandry nolovaintsika tamin’ny razantsika io.  Ambanan-doza anefa ankehitriny io haikanto io ka mila mailomailo isika—Rehefa samy rendriky ny fanatontoloana tokoa ny Malagasy dia manomboka adino ny fanajana sy ny fiangaliana ilay “fotoangasy” nentim-paharazana.

Hatramin’izay nahatsiarovako tena dia tsy mba nanan-toeran-dehibe tao anatin’ny fomba amam-piainan’ny Malagasy izany atao hoe "fahamarinam-potoana" izany.  Misy moa ny mpandinika sy mpikarokano milaza fa tsy mba manome lanja, tsy tena manisy vidy betsaka amin’ny fotoana ny ankamaroan’ny Malagasy.  Ny sasany indray dia manambara fa variana loatra makafy ny fiainana sy mikatsaka fahafinaretana ny Malagasy ka tsy mahatsiaro ho maika, tsy dia rototra, ary tsy tia mirotoroto rehefa manao zavatra.  Milaza mihitsy ary ny hafa fa fomba fisaina nentin’ny ny vazaha tandrefana ilay hoe “time is money” (vola ny fotoana) ka tsy voatery hifanaraka amin’ny tontolo sy ny fiaraha-monina malagasy. Toa zavatra vahiny, nafarana avy any andafin’ny riaka. 

Tsy tena itovizako hevitra loatra ireo filazana ireo. Indro atolotro ampanetre-tena ny petra-kevitra sy lojika tsotsotra anakiray izay heveriko fa manome fanazavana mety tomombana kokoa an’io fihetsiky ny Malagasy miandry sy mampiandry  io.  Raha ny hevitro ary dia manan-danja tokoa ny fotoana ho an’ny akamaroan’ny Malagasy.  Toy ny olombelona rehetra eto ambonin’ny tany dia mieritreritra sy mahazo tsara ny atao hoe “sandantsafidy” ny Malagasy. Fantany tsara fa misy vidiny na manana ny sandany daholo ny fanapahan-kevitra raisiny. Fantany tsara fa tsy ananam-piry ny fotoana ka saro-bidy sy lafo-vidy, ka tsy azo tsinotsinoana na lanilaniana foana.  “Aza mandany fotoana,” hoy isika.  “Tsy manam-potoana amin’izany aho.”

 Ny fiangaliana ny haikanton’ny “fotoangasy” dia tsapako ho anisan’ny dity mampiray sy mampirindra ny fiarahamonina malagasy.  Ny “fotoangasy” koa dia fomba iray entintsika mikafiry sy mitrandraka ny fotoana izay tsapantsika fa harena tsy ananampiry. Raha raisina tsirairay isika dia samy mihevitra (toy ny olombelona rehetra) fa fandaniam-potoana ny miandry ny hafa. Lafo ary avo arak’izany ny sandantsafidin’ny fotoana.  Ny safidy kendren’ny tsirairay izany dia ny manao izay azony atao hahakely ny fotoana iandrasana ny hafa rehefa iny mifanao fotoana iny—izany hoe “tsy manao tonga aloha.”  Ny tena heverin’ny tsirairay ho safidy mety ary dia ny manafoana tanteraka ny fotoana iandrasana—izany hoe “manao tonga tara kely.”  Raha fantatro fa ho tonga ara-potoana ny namako, dia mikendry ny ho “tonga tara kely” aho.

Tsy mijanona eo anefa ilay resaka.  Ny olona mifampotoana rehetra dia samy mahafantatra io mety ho fihetsiky ny tsirairay izay mikasa ny “ho tonga tara kely” io.  Ka mba tsy handaniany fotoana loatra eo ampiandrasana ireo namany izay fantany fa ho “tonga tara kely” dia mba amboariny kely koa ny fotoana ahatongavany—izany hoe ho “tonga tara kely” koa izy.  Raha ny tena tiany aza dia ny hanafoana tsotra izao ny fotoana very iandrasa ny hafa—tsara tsara kokoa ho azy ny manao “tonga tara kelin’ireo tonga tara kely.”

Koa satria samy manaraka (ary samy mahalala fa samy manaraka) izay lojikam-pisainana izay daholo ireo rehetra nifampotoana, dia raikitra ilay kilalaon-tetika mahaliana miendrika tetim-panorona izay antsointsika hoe “fotoan-gasy.”  Samy mikendry ny ho tonga aorianakelin’ny hafa.  Mazava loatra fa samy ho taran’ilay amin’ny folo ora maraina, fotoana nifanomezana sy nifanekena, avokoa ireto mpivory. Kanefa tsisy tonga tara loatra. Tranga tsy dia azo lazaina fa lavorary loatra. 

Tsy zavatra tsotra ny miangaly an’io “fotoan-gasy” io fa mila kendrena tsara ary kenakenaina fatratra ny fotoana ahatongavana. Raha tonga aloha loatra ianao, dia ho very fotoana fotsiny.  Raha tonga tara loatra anefa dia mba mahamenatra ihany izany mampiandry ny hafa ela loatra izany.  Ny tena mahafehy io taranja io moa dia ireo izay mahavita “tsy tonga voalohany, nefa koa tsy tonga farany.”  Tsy zava-kanto fotsiny ihany ny fahaizana mikendry io fotoana io, fa tena hairaha na siansa izay mitaky fianarana sy traikefa an-taonany maromaro mihitsy vao voafehy.  

 

Rehefa tena dinihina dia izao no fandehan’ilay “fotoangasy”: ny tetikadin’ny tsirairay samy mikendry ny mahasoa ny tenany samy irery (tsy ho lany fotoana miandry), no mitarika vokatra tsy tena mahomby na lavorary ho an’ny daholobe (samy lany fotoana niandriandry tany ambadika tany ka tara vao manomboka ny fivoriana).  Mety afaka ahitsy tsara sy atsaraina mihitsy izany tranga izany raha mifampiresaka ary mifampatoky fotsiny ireto mpivory.

 Asa na izaho no diso fijery na tsy mahazo resaka, fa ohatry ny tsy dia tena mampiraika na manahirana  antsika eto Madagasikara loatra io fahatongavana amin’ny tranga tsy lavorary voaresaka eo ambony io.  Raha tsorina ary dia toa efa ifaneken’ny rehetra ary ankasitrahan’ny fiarahamonina io voka-dalao azo hatsaraina io. Mety misy antony isankarazany haneken’ny mpifarabelona azy io fa raha ny fiheverako azy dia manampy amin’ny fanamafisana orina ny fihavanana sy ny fisakaizana ny fiaraha-miangaly sy milalao ny “fotoan-gasy.”  Ny tena namana ihany mantsy no mahatsiaro ho afaka mampiandry ny namany nefa tsy ho henjehin’ny eritreriny.  Ary ny tena sakaiza ihany no vonona hiiandry am-paharetana ny sakaizany ka tsy ho sorena eo ampiandrasana eo.  Diniho tsara tokoa ange fa raha misy olona tonga ara-potoana foana isan-andro dia manjary hafahafa izany ny ankamaroantsika e!  Ohatry ny manjary mitanditandrina sy sadaikatra izany.  

Arak’izany ary, raha tamin’ny folo maraina no fotoana nifanaovan’ireto zanakavantsika ireto, dia samy handeha hihodinkodina any ambadika any aloha izy rehetra, dia manao zavatra hafa mba tsy ho very fotoana eo am-piandrasana eo.  Avy hatrany dia raikitra ilay lalao mahaliana sy mampitebiteby mandra-pisy ny iray amin’ireo mpifampotoana manapa-kevitra fa efa ela niandrasana tany ambadimbadika tany ka vonona hitodi-doha ho any amin’iay toeram-pivoriana.  Ilay ranamana io no ho tonga voalohany, ary hanao sorona ny tenany ka hiandry ampaharetana ny hafa.  Tsy himenomenona izy, tsy hitaraina — fa zana-drafaharetana ka vonon-kiandry hatramin’ny farany.  Izany no tena namana.  Tonga tsikelikely avy eo ny hafa.  Rehefa amin’n 11:15, ka tonga daholo izay nandrasana, ary efa hanomboka ny fivoriana, dia hiteny moramora ilay ranamana tonga voalohany hoe: “miandry fa gasy e!” Dia hivanitika, ho toran’ny hehy izy rehetra.  Milamina tsara.  Tsy misy tezitra na sadaikatra izany fa mpinamana tena mpinamana. Soa ny finamanana.  Soa ny fiarahana.

Soa tokoa ny fiarahana. Soa koa ny fifampiandrasana, ary vao maika aza izany manamafy ny rohi-mpifampatokisana eo amin’izy ireo samy mpinamana.  Kanefa na dia zany dia mila mametra-panontaniana ihany isika hoe tsara hitondra antsika ho aiza moa ny “fotoan-gasy”?  Mampandroso antsika ve izy io?  Azontiska antoka ve fa “Hiadana sy ho finaritra” isika raha mahafehy tsara sy mahay miangaly an’io?  Indrindra amin’izao vaninandro hirobohantsika lalina ao anatin’ny fanantontoloana izao. Tsoriko fa tsy manana valinteny matotra aho.  Dia aleoko miandry ny valiny. Miandry ny rariny eto.  Miandry fa gasy.

Soamiely A.

 

Mpanoratra Malagasy monina any Amerika Avaratra any i Soamiely A. Manoratra sombintantara sy hadihady amin'ny teny Malagasy sy amin'ny teny Anglisy izy. Soratsarotra no bokiny nivoaka tamin'ny 2015.

 

Comment