ILAY ORA TIAKO INDRINDRA

RAVOROMBATO

Njay maneno any ho any, lay lakolosy vao maraina, manambara fa amin'ny dimy ora sy sasany izay ny orako. Dia izy no ao an-dohako, izy no mameno ny saiko sy ny ao am-poko manontolo. Azoko sary an-tsaina avokoa ny momba azy, ny famindrany e! maradondradona, tsy mba taitra firy, tsy maika ihany koa, zany endriny iky, malefadefaka fijery, malandilandy sady soa, mivolombolona tatamo, alofalofan'ny voahirana; ny fitafiany, mendri-kaja voninahitra, tsy tsotra loatra toy ireny tsy maharaka lamaody, tsy toy ireny tsy ampy lamba ihany koa ka mampiseho foitra mampitsiriritra ireo mpandroba, fa amin'ny antonony, kanto sady raitra, raha milahatra izahay, tena mifanentana, tsy misy fohy tsy misy lava fa tena ho sahaza. Tsy andriko ny hanariako ‘zato lambako, hialako am-parafara, hiandrasako ilay ora mamy indridnra, andalovany eo an-tokontaninay, dia ny amin’ny fito ora sy sasany izany.

Njay tokoa fa nipaika ilay ora, dia iny aho nihazakazaka eo an-davarangana, hanara-maso ilay malalako, ilay nofinofisiko mantsy e! Misiotsioka malefaka aho, mihirahira ihany koa, zato izy e! misakelika am-babena ty kitapo kely mainty, angamba andeha hiasa sa andeha hianatra? Nefa toa tsy manao arona akanjo, tsy maninona izany…Fy dia fy ny foko, rehefa injay ak lay zipo kely menamena toa mitofatofa no anaingoany zato tapany ambany, miaraka amin’ilay kiraro kely mainty, ny volony navelany hisahondra hidaraboka ao aoriana, soa sy kanto mahasondriana, angamba zao lay lazaina fa anjely latsaka an-tany, tsia tsy izany ka! Devoly ny anjely latsaka an-tany, fa tena zazavavindrano! Tiako ho hajainy zato fihantsiany, tsy sahiko tsiniana koa na hanahiniana fa sao mahatezitra ny fony, tsy sahiko anaovana vinany, nefa ange ny tanako efa mangidihidy, te hitantana ny tanany. Dia nanara-maso fotsiny no azoko atao, mandra-pidifiny ho takona ny masoko. Dia namisavisa irery, miandry ny ora mamy handalovany indray. Lasa ny saiko ary nihazakazaka, namorona izay teny rehetra ho entiko hambaboana ity heveriko ho malalako, ity izy zanaka domohina, tena hafa mila hajaina, mila fitandremana, sao dia hampilatsaka an-kady vao hanenenana. Dify ny maraina, mihilana ny atoandro, manombana ny hariva, mipaika ihany koa ilay ora mamiko indrindra, amin’ny dimy ora izay na mihoatra kely, dia nihazakazaka aho, saingy androany, ndeha andramako sao mba izay no hahababo ilay malalako, niala teo an-davaranagana aho, niandry teo an-tokontany, iny eny izy fa nandalo, nangalarako nitsiky, indro fa namaly, tsikitsiky maharavo, mamelona hanim-panantenana! …Tena kanto sady meva, tsara ianao razazavavy, ty no ora tiako indrindra hatramin’izay ora nandalovako.

RAVOROMBATO (mars 2004) 

 

Ravorombato:   Mpampianatra eny amin’ny Ambaratonga Voalohany any Arivonimamo.  Filohan'ny HAVATSA-UPEM (Sampana Arivonimamo).  Efa namoaka sangan’asa maro tamin’ny onjam-pêo sy ny boky niarahana tamin’ny HAVATSA UPEM FOIBE. 

 

 

Comment