Teniko

Ny Maoza

Teniko
...
Tanako fa teniko,
teniko ka mamiko,
mamiko sy teliko
ny teninao ry taniko

Rovako ka arovako.
tandrovako, fananako;
harenako sy lovako
ary ain`ny taranako.

Ka sitrako sy teliko
Andrianiko fa teniko,
ary indrindra ankatelemiko
fa io no tenin-dreniko.

Ka hajaiko fa ilaiko
hajaiko ka lalaiko
lalaiko mba ho haiko
fa miaina toy ny aiko

Fohaziko feheziko
feheziko velomiko
velomiko teneniko
teneniko fa TENIKO

Ny Maoza

 

 

Ny maoza hono dia olo-noforonina ho an'ny fiarahamonina... mpanoratra mandalo sedra ao amin'ny havatsa upem Miarinarivo.

Comment