Jereo ange !


Doloïer


Jereo ange ity mamo mivembena eran’ny arabe
Mamon-toaka hono ity tovavy kely itony
Mamo hatramin’ny sainy,mamo hatramin’ny fony
Kotsakin’ny orana izy,no kotsaka dranomaso ihany koa
Ny fony no voadona,kany sainy lasa voa
Kiakiaka mafy be no niantsohany ilay malalany
Izay afo nikotrika izato adalany
 
Rediredin-tsaina no natonga azy himamo
Fa ilay any nosafidiny dia nivadi-belirano
Nanantena izy fa ny misotro no hanafaka ny adin-tsainy
Nefa adalana no azony fa tsy ny tanjona nilainy
Ranomaso sy teniteny foana no nangatahany fibebahana
Fa tsy nahay nihaina ny fahatanorana
 
Nozakainy ny ho rafivavain’ilay renin-janak’ity Andriamatoa
Fa tsy zakany intsony ity,nahatratrarany vady kely faharoa
Eny very,ny sainy,tsy hitany ny marina
Sodokon’ity fitia nangalarina
Toy ilay ankanga resy,tsy nahasidina ambony
Rera-tsaina,very fanahy, resy tosika ny FONY
 
Doloïer  Antalaha_27/06/15

Comment