Teboka...

Ny maoza.

 

Eto izao no farany

Mbola io lay hazo nanoratanao ny anarany

Tanaty sary fo :

(Teboka ankiroa)

Eto misy marik'ilay oroka voalohany,

Dia lasa ny ambiroa

Mbola sarotra ampanginina

Ny halatra fitia ... Nefa moa maninona

Izany rehefa tia

Saingy ...

(Teboka ankitelo)

Eto alahelo no sisa mitamberina

Etsy ianao haterina

Fa ny antsika efa tsy anjara

Ny fitiavana voalohany hono

Mivalon-ko tantara

Tsy mino ve ianao?

(Baraingo)

Izany no lalàn'izao tontolo izao ;

(Teboka amam-paingo)

Tsy maintsy nandalovana

Dia mbola io lay hazo mitahiry fahatsiarovana

Mikopakopa-tanana

Ianao anie tsy foina

Taminao niafiko ny mamy sy mangidy

Sarotra hohadinoina

Mbola hotadidy ireny vita ireny

(Mbola tiako ianao)

Anaty fonon-teny

Saingy...

 Tsy maintsy nofaranana

Dia izao no zava misy...

Etsy indry tantanana

Tanteraka amintsika lay hoe

" mijanona ho mpinamana "

 

Teboka famaranana./.

 

Ny maoza

15 juillet, à 03:18

 

Ny maoza hono dia olo-noforonina ho an'ny fiarahamonina... mpanoratra mandalo sedra ao amin'ny havatsa upem Miarinarivo.

Comment