Tangô!

ny maoza

...

Mafonja fanonja ny onja mitondra

ny saina mikiry ...te ho any malala (ah)

Fa tsy afa-manoatra na te mba hitroatra

dia ito tavela eto ihany ny adala

variana sondriana mandrevy ny tiana

tsy tazan'ny maso...ka toa saro-piaro.

Manembo-tsy tony malala ny fony

ka ni-"pince" kely mba ho odin'ny tsiaro!

...

manina andry ho'aho ny fon'olon-tia

ka tsy mahavadi-mandry fa mamelovelo

miverin-tsy antsoina tsy maty vonoina

ny lasa rehetra ka toa malahelo

malala ah rahovianany tia sy ny tiana

vao hiombom-panahy ka ho tokana iray

malala ah faingana, kitàna modia

fa singan-drery izay olona izay

...

ny maoza

 

 

Ny maoza hono dia olo-noforonina ho an'ny fiarahamonina... mpanoratra mandalo sedra ao amin'ny havatsa upem Miarinarivo.

Comment