AMBIROA

Dafy Noely

 

Maditra hariva ny ambiroa

mitety vohitra fanahy.

Maditra sady mafy loha

fa saingy tsy hahasakana ahy

hanoratra hafa noho ny teny

sy ny vohitra teteziny,

satria aminy hono ireny

no soratry ny andrareziny.

 

Izaho tsy handika ny ambiroa

mamangy ny alina mangina.

Aleoko nofy ihany aloha

no vokarina sy ampiana,

hameno banga an’eritreritra ...

ka raha tsy faly ny ambiroa

satria ny nofy hafa hevitra

dia avia hifampikatro-doha.

 

Mahazo mody ny ambiroa

mamonjy ny hantsana nihaviany.

Aleo ny nofy ihany aloha

no mba hanoratra izay tiany.

Ny nofy mantsy toa tamana

mivahiny an-tranon-tsaina,

mamafy sombin-kafanana

mandra-piandry ilay maraina.

 

Dafy Noely Mpanoratsora-poana

13/12/2016

 

 

Dafy Noely: mpanoratra mitety ny lohasaha sy havoanan’ny lohahevitra maro samihafa ; indraindray mampihomehy, mazàna mampalahelo fa matetika manetsika ny saina sy ny fon’ny mpamaky hamerina hamaky fanindroany. Tsy tononkalo ny ahy ireny, hoy izy … fa soratsora-poana.

 

Comment