AOK’IZAY

JM ANDRIMAMY


Inty no fara-hafatro, ampitako aminao,
dia...
aok'izay!
Aok'izay ireo hafatra am-pinday
sy taratasinao,
fa efa zary mankalao
ny zavatra raketiny !
fitia...fitia...fitia...
hatr'izay ianao nandao
ka efa 'zao vao ho doria ny antsika e;
ho lamban'akoho e;
...manonofy ??
tsoriko aminao fa,
zarako aza rava, zarako aza afaka
sy nahay nandingan-dafatra
tamin'ny lemileminao, ny raikiraikinao...
fa raha fitia r'Ikala,
ny aty tsy zazavao fa efa mahalala
ny ankosotra amin'io a!
ka izao no tadidio a,
ny fitia manan-jina ka sao ianao hafatony,
sao ianao ho takon' 
ny nenina mivay hatrany an-tampon-doha
...dia hanenjika anao ny omalinao rehetra
handrehi-tsolifara sy akora hampitriatra
ny aty-fonao...
mantsy, fatrapilalao !
fa izao,
Ny antsika aloha tsy tafa e,
efa io nambarako io
raha hitia dia any an-kafa
fa izaho leo tadio sy sipa manan'elatra...
Na ny hitantana anao toa efa mahamenatra!

JM ANDRIMAMY (11 Octobra 2016)

Comment