ZAY LAY OLOMBELONA

kalo fanomezana


ZAY LAY OLOMBELONA
fa ampitso lavareny tsy manam-piafarana
No ataony fanohitra entina miady
Ho avy mbola takon'ny raho-mitakosona
Fa fanefitr'hakamoana
 atsindrony isan'andro 

Ho fitsinjovana ny ampitso
No entiny mandahatra ny teny eo ambavany
Ny marina ataony!?
Tondro efa voapetraky ny ambadika tsy tazana

Dia miaina ka mivelona
No sady manantena izao raolombelona
Miandrandra izay tsy hitany
Fa manamavo ny efa an-tanany

Ka tsiro tsy nandramany no mahamanina azy
Fa izay fy ety toa zava-mankalao, mahaboda ny adi-dohany
Ka efa tiany ho lefy
Izay 'lay olombelona...
Toa adala nefa fetsy

kalo fanomezana

 

Kalo fanomezana no anarana nofinidin'i VOLOLONIRINA Fanomezantsoa Volatiana Santatriniaina eo amin'ny sehatry ny kanto. Teraka tao Manalalondo ny 27 martsa 1996. Tononkalo no manavanana ayy.  2016 izy no niditra ho mpikambana ao amin'ny Faribolana Sandratra.

 

Comment