Viewing entries in
Tononkalo

AMBOARAM-BETSO HO AN’I DADA

Comment

AMBOARAM-BETSO HO AN’I DADA

AMBOARAM-BETSO HO AN’I DADA

Hoby RASOLOFOARIMASY

 

Raha vao nifoha aho ny maraina dia tsy haiko ny tsy hiteny

Ampitamberina  ao an-tsaina ireny anatrao ireny

Dia lasa ny eritreritra nandinika izany

Ka hoy ny vetsoko mikalo  hoe : Dada hafa ihany

 

Hafa ianao satria : Ianao ilay mpanampy sy mpanohana an’i neny

Ianao ilay mpiaro, mpananatra, mpiteny

Ianao no ilay mpamelona mpitsinjo ny ankohonana

Ianao ilay mpampitraka rehefa sendra tojo olana

 

Audio Block
Double-click here to upload or link to a .mp3. Learn more

DADA !!!

 

Ny anaranao indrindra no nianarako nibada fahazaza

Dada, nianarako niangola sy niteny ny abidia

Ilay anaranao tsy tola, modelin’ny fitia

Ny firariako ianao ho mendrika amin’izay rehetra atao satria,

Reharehan’ny tokantrano ny fananana anao

Irariako ianao handresy amin’ny olana misesy

Tsy hilofika mihitsy, tsy hiteny hoe indrisy

Irariako ho ela velona sy ho salama tsara

Ahita sy hifanantitra amin’ny zanaka amam-para

Irariako ho feno tsiky ny androm-piainanao sisa

Hiaina dieny ety sahady ny akon’ilay paradisa.

 

Eny, ianao indrindra, ilay mpifoha maraina nefa tsy mba mitaraina

Manainga vao mangiran-dratsy andeha hikaroka izay vatsy hamelomana ankohonana

Eny, tena ianao  ilay voalazan’ny ohabolana hoe, masoandro amam-bolana,

andry fiankinana,vato fianteherana, jiro mpanazava

Tsy iadian-kevitra izany fa rehefa eo tokoa ianao, ny ao anaty tokantrano, feno tsikitsiky lava

Mandeha ianao am-pitsikiana ary koa mampanantena

Fa raha hiverina rahariva dia hitondra fandresena.

 

Tena lehilahy mahery, eny tsy mba mitofezaka amin’ny olana mitranga

Ny eo anilanao tsy irery, rehefa eo ianao ry dada dia voatampina ny banga

Ianao tokoa ilay fihantana sady saro-piaro ny amiko

Ka rariny ny filazana hoe : ianao no tena mamiko

Izay rehetra nangatahiko ka hitanao fa nahasoa

Raha tsy diso ny tsiahiko dia azoko avokoa.

 

Ny fahitana anao mikiry dia modelin’ny fiainana

Tsy voaisako hoe impiry ianao nandresy fahalainana na dia tena efa trotraka

Ianao ilay dada mpampahery sy mpanarina izay potraka.

 

Izahay anefa tsy manana zavatra betsaka omena

Ho marim-pitiavana anao

Fa ny toky sy ny fahendrena no valibabena azo atao

Koa mba raiso am-pitsikitsikiana e ! ry dada fiangotingotiana

Koa miarahaba sy mirary soa, ry dada malala tsy foiko

Satry dia satry tokoa ny hanolotra anao izato foko

Tiako hamafisina izao fa mamiko indrindra ianao.

 

Tena tsapanay ry dada ny ezaka ataonao rehetra

Matokia ianao ry dada fa ireny dia mitoetra

Ato anaty fo sy saina n’aizan’aiza no aleha

Ny fitiavanao ry dada no ataonay rehareha.

 

 

Ny firariako anio ary indro asandratro amim-bavaka

Ianao ho dada lavorary, eny ho dada tena miavaka

Ho dada be fitiavana, mpizara fifaliana

Ka nony aminao dia be ny hahazo fitahiana

Irariako ianao ho dada tena feno fahasahiana

Ho lohalaharana ihany koa amin’ny asa fitoriana

Irariako ianao handresy amin’izay rehetra atao

Ho arahabaina tongasoa any an-tany vaovao

Irariako ho voatahy sy ho ambinin’ny mpahary

Hijoro ho tena sahy, eny ho dada lavorary

Irariako ho mpandova ny teny fikasana

Ianao anie ry dada tiako ho tody soa any Kanana.

 

Hoby RASOLOFOARIMASY

Fetin’ny Ray 2014

 

Hoby RASOLOFOARIMASY dia poeta, monina ao Ivato, mpianatra mpikaroka eny amin'ny anjerimanontolo.

 

Comment

Jereo ange !

Comment

Jereo ange !

"Jereo ange ity mamo mivembena eran’ny arabe, mamon-toaka hono ity tovavy kely itony ..." hoy i Doloier.

 

Comment

Kepoka

Comment

Kepoka

Kepoky ny kapoka fa voakipaka, hoy i RaoziGasy, ilay kevoka voakopaky ny fantsy.

Comment

Atao inona?

Comment

Atao inona?

70 taona. 29Martsa1947.  Mbola mitohy ny tolona, hoy i Volatiana Rahaga.   Atao inona tokoa moa ireny rehetra ireny e?

Comment